mba marina ve ?

1. degree ( 04/11/2006 11:14)
tany NOSYBE HELLE VILLE aho nahita saka sy voalavo miaraka misakafo @ vilia iray;
tsy miady izy ireo,ka moa ve ilay saka no be fitiavana sa ilay voalavo no efa siviliser ka tsy mataotra saka intsony,?(mariako eto fa ngeza be daholo ny voalavo any)
novalian'i MTN ny 06/11/2006 21:32
2. xxx ( 04/11/2006 13:33)
io izany ny fahafantarako azy dia niaraka hatr@ mbola kely ireo biby roa ireo dia tsy mpifahavalo. ohatra koa izao ny saka sy ny alika ihany koa anie ka toa izany raha samy mbola kely iz'reo no miaraka mitombo @ toerana iray e!
misy koa anefa; hoe ilay saka mihitsy no tsy tia mihaza, vokatry ny fiataizan'ny tompony azy @ fanomezana hani-masaka azy foana.
farany, mety tsy nampianarindreniny mihaza koa ilay saka dia tsy mahay hoe tokony hohaniny ilay voalavo:D
3. lapino ( 04/11/2006 14:18)
Aleo ny saka no hamaly azy e! :-P:-P
degree:
moa ve ilay saka no be fitiavana
Ko tsy ny mifanohitra amin'izay aza ve? :roll:
4. degree ( 04/11/2006 17:20)
xxx:

io izany ny fahafantarako azy dia niaraka hatr@ mbola kely ireo biby roa ireo dia tsy mpifahavalo. ohatra koa izao ny saka sy ny alika ihany koa anie ka toa izany raha samy mbola kely iz'reo no miaraka mitombo @ toerana iray e!
misy koa anefa; hoe ilay saka mihitsy no tsy tia mihaza, vokatry ny fiataizan'ny tompony azy @ fanomezana hani-masaka azy foana.
farany, mety tsy nampianarindreniny mihaza koa ilay saka dia tsy mahay hoe tokony hohaniny ilay voalavo:D

kOA maninona ary izy tsy nampianarina nihinana trondro nefa vao mahatsiaro tena ny saka dia liana raha mahita trondroe !????

5. Hubert ( 04/11/2006 18:53)
ny hazandranoa anie hafa. satria zava-boahary tsy ho mety environnement iray aminy velively; ary ohanin'olombelona ka omena azy ny taolany na ny lohany dia zatra izany izy, hany ka raha vao mandré fofona trondro izy dia efa sakafo izay aminy:-D
misy ampiako kely ilay fanazavana teo aloha: raha mbola kely loatra ny saka no misaraka ny reniny de tsy mahay afatsy ny mangataka hani-masaka ihany mazàna.:wink:
6. miangalyandria ( 05/11/2006 09:47)
io izany ny fahafantarako azy dia niaraka hatr@ mbola kely ireo biby roa ireo dia tsy mpifahavalo. ohatra koa izao ny saka sy ny alika ihany koa anie ka toa izany raha samy mbola kely iz'reo no miaraka mitombo @ toerana iray e!


Ié, ny sakako sy ny alikako rehefa matory amin'ny tolakandro iny dia eo ambonin'ilay alika ilay saka no matory :-D:-D dia raha misy loza manambana ilay saka dia ilay alika mba miaro ery ! Ilay saka koa manao toy izay, mandrangotra rehefa misy mikitikitika an'ilay alika !!!! Tiako ery !!!









7. soanja ( 05/11/2006 14:55)
degree:

tany NOSYBE HELLE VILLE aho nahita saka sy voalavo miaraka misakafo @ vilia iray;
tsy miady izy ireo,ka moa ve ilay saka no be fitiavana sa ilay voalavo no efa siviliser ka tsy mataotra saka intsony,?(mariako eto fa ngeza be daholo ny voalavo any)


Zah koa taty aminay efa nahita fa naman'ilay saka mihitsy le voalavo. Dia milalao eo ry zareo. Ilay voalavo no tena manjaka amin'ilay kilalao. Nozarina aloha ny fahitako azy de lasa zatra.
Ny tena mahagaga ahy kosa de tsy mihinana voalavo ny saka aty aminay fa lalaoviny fotsiny fa le rangondrangotra, ki-atsipitsipy iny no tena mahafaty ny voalavo. Zah koa anefa aloha mbola tsy nahita voalavo lehibe taty fa le totozy reny foana.


8. MTN ( 06/11/2006 21:32)
:°)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3581