hanondrana rano???

1. ari.malala ( 02/11/2006 12:31)
Nolazain'ny vaovaon'ny radio Antsiva t@ atoandro teo fa hanondrana rano any @ golf Persika hono ny fitondram-panjakana? ilay rano haondrana dia ao @ faritr'i Mananara, satria hono io rano io dia very fotsiny any an-dranomasina ka aleo haondrana...:roll::roll:mbola vao tetik'asa ilay izy, fa na izany aza hitako tsy normal ihany satria ny any atsimo aza anie mijaly rano e! ko maninona no haondrana any ivelany ny rano eto amintsika? ankoatr'izany, ny eto Antananarivo ihany koa dia iharan'izay tsy fahampian-drano izay, satria ny ankamaroan'ny faritra eto dia voafetra ny rano azon'ny olona antsakaina raha eny @ paompy public, ary andoavam-bola ihany koa...hafahafa ihany...
novalian'i fijo ny 10/11/2006 22:42
2. Rainimaharavo ( 02/11/2006 14:48)
raha tanteraka izany dia mety hisy tambiny angamba; ohatra hoe : homeny fitaovana hanomezana ny rano eto amin'ny tanana ry zareo manakarena tsy manandrano ireo. Tsara ny hevitra hoe hanomezana ny mponina eto amintsika fa ny hoenti-mampita azy amin'ny vahoaka angamba no tena tsy lasa hatramin'izay. Raha manome fitaovana hoantsika ry zareo ho takalon'ny rano dia tsara, saingy tsy maintsy harahina tsara hoe fitaovana inona marina, ilaintsika tokoa ve, sao dia tonga indray ry zareo dia hilaza hoe homenay fitaovam-piadiana ianareo ho takalon'ny rano avy aty aminareo.
3. lagoon ( 02/11/2006 15:43)
Ny tambiny sy ny vaovao henoko dia sekoly maromaro,hôpitaly ary cantine ho an'i Mananara.
Ny vola miditra kosa dia 76000$ par jour ka ny atsasany tonga dia any @ Trésor public,ny hambony kosa mbola tsy fantatra mazava tsara satria efa manomboka koa ny prjet pipe-line mitondra rano manakany Atsimo miaraka @ BAD.
Ka ho hita eo ny tohiny e
4. Fiffi ( 02/11/2006 15:59)
Madagascar va exporter de l’eau douce vers le Golfe Persique

La signature de la convention pour l’exportation d’eau du fleuve de Mananara vers les pays du Golfe Persique a été signée mardi dernier au Hilton Madagascar entre la présidente de la Société Aquamar, Johanne Laplante et le directeur général de l’Autorité nationale de l’eau et de l’assainissement , Razafindrazaka Benjamin sous l’approbation du ministre de l’Energie et des mines Donat Olivier Andriamahefaparany.
L’Aquamar, une société privée internationale canadienne va procéder à l’exportation de l’eau brute du fleuve Mananara située dans la région d’Analanjirofo à raison de 230 000 m3 par jour pendant une durée de 25 ans.Les études et enquêtes entreprises concernant les éventuelles incidences sur l’écosystème et les besoins des utilisateurs ont permis de déterminer cette quantité. Selon le directeur général de l’Andea, elle constitue le dixième de la capacité du fleuve soit les 3 m3 par seconde sur 36 m3 par seconde.

Miala tsiny @ teny frantsay fa tsy voavadika eh !
5. ainga ( 02/11/2006 16:02)
Amidy io rano io toy ny vokatra hafa, saingy tsy mahazatra antsika fotsiny. Misy ny mila rano, afaka mivarotra isika, inona ny olana.

Momba ny hoe, tsy azo ahodina ho an'ny faritra hafa ve (any atsimo ohatra), dia ireto misy valiny :
- azo atao ny mandavaka lakan-drano misokatra
- azo atao ny mametraka pipeline
- avy eo tanterina amina sambo goavana ilay rano.

Ka raha ny ranon'i Mananara (any Avaratra be) ampitaina mankany atsimo mbà hevero fa kilometatra anjatony maro ny lakandrano na pipeline ilaina. Noho izany, renirano akaiky no tokony ahodina raha mety (Onilahy ?, Mangoky?). Azo heverina ny mitatitra rano mankany Androy amina sambo fa tsy lafo be ve ? Rizareo Arabo no manambola fa tsy ny Fanjakana malagasy.
6. nororavel ( 02/11/2006 20:27)
ahoana marina izy ity la guerre de l'eau a commencé au moyen orient raha mbnola nianatra teny @ fac ny taona 1990 dia ny cours na géopolitique no nanazava io guerre de l'eau io lasa zava-tsaro-bidy izy io ary efa nisy fandinihana tsara ve ary inona no takalony ohatra pipeline manondraka ny androy rehetra iny sa sôsy be ny ra8 sy ny equipany indray

7. patrick2002 ( 02/11/2006 21:54)
noronavel: fa inona mihintsy no mampalahelo anao @ vola miditra @ ra 8 eh! mba mitadiava lty raha mahavita ny vitany ianao ah! mpivaro -dronono ireny no lasa nanana ,ka ampiasao izay fahaizanao mba holasa manambola ianao ,
Rivotra indray hamidy raha hainao fa midera anao izaho
8. Fiffi ( 02/11/2006 22:26)
nororavel:
sa sôsy be ny ra8 sy ny equipany indray
nororavel: tena siora ve enao fa sôsy be ho an'i Ra8 sy ny ekipany no hanaovana an'io ? sa mba hoe hahazahoana sôsy mba hampakarina an'i Madagasikara zay nahitsokin'ny mpitondra taloha tao anatin'ny faran'zay maizina indrindra ka nitsoahiny avy eo ?


9. fijo ( 02/11/2006 22:49)
voalohany,dia efa vita ny fifanaraha "contrat"momba io resaka io.
faharoa varotra izy io,fa tsyhoe ahondrana fotsiny any ivelany.

noho izany dia jereo hoe ahazoana tombony ve izay,sa dia avela fotsiny hikoriana hoany andranomasina any le izy??????izay aloha jerena.
avy eo dia jereo hoe,hoan'iza le tombony?????

raha ireo tarehimarika hita ireo,dia tsara kokoa hoan'ny mada ny mivarotra rano,mba ahafahany mamatsytetikasa hafa,toa izay hijery rano very hoazy.
izayle hoe aza mitsikera be fahatany fa mba jereo izay tombony ao ambadika ao.
10. patrick2002 ( 03/11/2006 00:15)
ka ny sasany mahita olona manao zavatra ,dia sorena rehefa manana ny olona kou, izay mintsy no ataoko hoe rivotra indray hamidy fa midera anao izaho amin'izany ,fa tsy hanenjika mihintsy
11. cristal ( 03/11/2006 13:08)
(l)(l)(l)Mbola mampihomehy ihany e!Ny any antsimo anie efa misy projet efa ampanataterahana azy ny fanjakana ankehitriny e,fa ny anareo hita tsongoloana daholo,manana M/car ka aleho ahondrana mba hamelomana ireo olona sahirana matetika e,ampy rano ny faritra antsimo iny fa ny teo aloha tsy mba nivaky loha ny hitady solutions ny hitrandrahana izany,lany andro nangalatra sy nihinana ny volam-bahoaka ka aiza moa no tsy hanody e,mbola mafimafy kokoa ny ahazo anareo mitady hampiady sy ampisarambazana ny Malagasy io!Misy mpiaro ange ny Malagasy e!:-D:-D:-D
12. kitjo ( 03/11/2006 13:41)
ny rano eto Singapour koa dia vidina ao malaisie..

ary rehefa voadio dia averina amidy amindry zareo ao Malaisie indray

Ny antony dia satria ry zareo eto no manambola sy manam-pitaovana hanaovana izany

ka izay koa angamba oe, marina fa tsisy rano any atsimo kanefa ahoana moa ny atao raha tsy misy ny infrastructure andefasana azy any?

Tsy aleo ve ampidiriana vola na zavatra au moins toy izay kosa ho very fts?
13. fijo ( 03/11/2006 23:25)
n,dry ve mbola any singany ihany e?
izay mihintsy e,avela hikoriana very fotsiny any ve?sa avadika vola?????
14. kitjo ( 04/11/2006 07:42)
mbola tsy lasa aho ary ny mampalahelo dia mety tsy hahatratra fifidianana aza nefa za tany teo efa mba nanao karatra :cry:

ka io ange ilay fomba fisainana tia manakiana fts ry fijo e, tsy manao analyse fa tonga d manakiana fts!
aleony tsy misy toy izay tsy ahazoany tombony angamba

izay ilay mbola tokony ianarantsika @ sinoa :D
tsisy zavatra very zany fa zay azo hanina dia hanina, zay azo amidy dia amidy..izay rehetra ahazoambola tadiavina avokoa mba tsy ho very fts
15. Fiffi ( 04/11/2006 09:19)
fijo:
noho izany dia jereo hoe ahazoana tombony ve izay,sa dia avela fotsiny hikoriana hoany andranomasina any le izy??????izay aloha jerena.
avy eo dia jereo hoe,hoan'iza le tombony?????
mipetraka ny fanontaniana zany !


16. kitjo ( 04/11/2006 10:00)
ny ahazo ilay tombony aloha efa voafaritra araka nolazaindry zareo iny fa fanontaniana manaraka

tena ho tonga any @ alehany marina ve ilay tombony?

manao ahoana koa ny vidiny?

sao dia misy contre partie hafa any ambadika any?
17. mandrindra ( 06/11/2006 15:01)
ny tsara ho fantarina angamba dia ny hoe iza no manome ny vola enti-manana an'ity fanondranana ity, ny fanjakana malagasy ve? sa orinasa privé?
raha mampiasa vola ao ny fanjakana malagasy dia izay isika vao mametraka ny fanontaniana hoe hitondra inona ho an'ny manodidina an'i mananara na ho an'i madagasikara moa io vola ampiasain'ny fanjakana io.
18. kitjo ( 06/11/2006 15:42)
ka jereo ilay lahatsoratra fa efa voasoritra mazava ny lalana alehan' ilay vola!
19. Stone ( 06/11/2006 23:22)
Tsy misy maharatsy an'izany, naninona ary no izao izany hevitra izany vao hita?
Raha tsy efa manao ny Olympiko sy ny Eau vive fa tsy miteniteny.
20. fijo ( 08/11/2006 23:26)
izay mihintsy,naninona n izao izany hevitra izany vao ita???firy miliara izay no efa "lasa rano"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0596