Azo afohezina ve ny zavatra soratana

1. rabaradaka ( 02/11/2006 08:04)
Misy namantsika manoratra lava be, matetika tsy voavaky ireny soratra lava be ireny. Mba sosokevitra ny ahy ry havako mpiserasera : maninona raha afohezina ny fitantarana ny zavatra tian-kaseho ka vakianay mpiserasera eto. Misaotra
novalian'i lapino ny 03/11/2006 08:21
2. hery ( 02/11/2006 08:38)
Tsy mitovy ny koltora :-)

Misy ny olona tsy mahazo aina raha vao lava ny lahatsoratra... fa misy koa olona tsy mahazo aina raha vao fohy kely ny zavatra soratana.

Mila lanjalanjaina izany e.

Atao fohy kanefa misy lanjany.
3. xxx ( 02/11/2006 12:18)
Misaotra an'i Hery nanome ny fanazavana , hita hoe tena olon'ny serasera sady olon'ny fiaraha-monina ianao.
Ra rabaradaka , marina mihintsy ny lazain'i namana Hery fa tsy mitovy ny olona , misy tena lalin-tsaina tahaka anao ka vao miteny ny olona dia efa fantatrao sahady ny tiany holazaina , ka ho anao tsy ilaina manao resaka lava be , ho anay kosa izay mila mandinika tsara vao mahazo ny tiana hambara dia mila fanazavana lavalava ary amin'ny antsipirihany mihintsy aza ... Ianao hoy aho aza mora mibaradaka .... hi h hi hi no amaranako azy
4. ds ( 02/11/2006 13:06)
Izaho indray aza miteny hoe bahano ny toerana anazavanao ny tianao holazaina dieny tsy mbola misy famerana. Indrindra indrindra ho an'ireo izay mametraka fanontaniana. Tokony hatao feno sy mazava tsara mba hahamora ny famaliana azy sy tsy ampandany andro loatra ny mpamaly noho ny tsy fifankazahoan-kevitra.
5. aokahoahy ( 02/11/2006 13:49)
Raha lava ny ahitra very ny kisoa, raha lava ny teny very ny soa. Asa mazava ve zay
6. tafita ( 02/11/2006 14:49)
Tsy aleo ve lavalava ny teny toy izay miverimberina in-3 toy izao ataon'i ra mibaradaka izao e. ha ha ha ha... Mitondra miankavia ianao sa miroritra miankavanana fa tena tsy hita hoe mankaiza ary ra baradaka izany le tia ....
7. tafita ( 02/11/2006 14:53)
aokahoahy:

Raha lava ny ahitra very ny kisoa, raha lava ny teny very ny soa. Asa mazava ve zay



Ity dia ohabolana somary lany daty angamba
satria na dia lava aza ny ahitra na ny bozaka , dia tsy ho very ny kisoa raha hitanao ny lalana nombany, toy izany koa ny teny na lava aza ny resaka dia tsy very izany ny soa raha hitanao ny handraisana azy ... fa ny olona tsy mahay mikabary sy tsy mahay mandray ny hevitr'olona no manana olana amin'io he he he h ....
8. lapino ( 03/11/2006 08:21)
Izany hoe raha lava ny ahitra dia mila manaraka ny lalan-kitan-kisoa ? :wink::°)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2162