I Dada sy i Neny

21. tslem ( 29/10/2006 08:22)
Dada ô,mbola misokatra ho anao ny lanitra.....
Dada malala tsy foiko indrindra.....
Ry neny tiako fifaliako,zay nampianatra ahy namindra indrindra,indrindra, indrindra, tsaroako ianao...
:lol::lol::lol::lol:
22. Fiffi ( 29/10/2006 08:48)
tslem: tohin'io ambony nomeko io ve zany ?
23. tslem ( 29/10/2006 11:28)
an,an,an,momba an'ny dada sy neny kah
24. xxx ( 29/10/2006 16:38)
Dada o! ho anao ity hirako ity,
voaraiko ireo kilalao tsara ireo,
nefa ho feno mihitsy,ny hafaliako ety
raha toa ka ianao eo anilako eo...


Neny o! tiako,na tsy reniko aza ianao
tato aoriana aho,vao nahalala,hay aho natsanganao
Nomenao avokoa,izay fitia avy aoam-po
Tsy nitady t@hafa aho,ampy ahy ny fitiavanao.


(Hantatiana)

25. Fiffi ( 29/10/2006 20:42)
xxx: tsara be zany hira zany an! de misaotra :)
26. ninih ( 30/10/2006 15:46)
Fitiavan- dehibe nomen' i Neny anao!
Na kapoka aza anie no azonao
Fitiavan- dehibe fa naharary ianao!
tsy nanenenany fa tiany ianao.
...

27. Fiffi ( 30/10/2006 17:18)
tsarovy ......tena tsy tadidiko io nefa nisy aiko hiany !
28. andry08 ( 30/10/2006 19:12)
tadidinao ve ny angolangola sy hantanao
tsikitsiky sy hehy, kilalao nahazatra anao
...
29. Fiffi ( 30/10/2006 21:51)
tadidinao ve ....andry08: zay vao tadidiko akia io hira io saingy tsy aiko ny tonony an!
30. andry08 ( 30/10/2006 21:56)
na izaho aza tsy mahatadidy intsony koh!
31. Fiffi ( 31/10/2006 06:50)
ninih: haindry ve ny tohin'io akia ?:):-*
andry08: efa henoko matetika hiany akia io fa tena tsy aiko an! ary ny titra ve haindry ? sao manko misy ato @ tononkira ?:):-*
32. tianne ( 03/11/2006 11:16)
Neny ô tianay ianao
Neny o mamy indrindra ianao
Ny Tompo anie homba anao, na aiza hisy anao
Izy hampifaly anao.
Ho tahiana anie ianao
Amin'ny andro iainanao
Izao hiranay izao, atolotray anao ,
Fa maminay ianao.


33. andry08 ( 03/11/2006 12:14)
Fiffi: raha tsy diso izaho dia "fitiavan'ny neny"
34. Fiffi ( 03/11/2006 20:46)
tianne: misaotra akia an! :):-*
andry08: ié ! zay vao tadidiko :):-*
35. ninih ( 08/11/2006 12:27)
Fiffi: Neny de Bodo no mihira anio akia!
Dada malala ! tsy foiko indrindra
...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0761