Samy mikaroka ny ahasambatra azy ny olona!

1. rakaroka ( 26/10/2006 17:30)
Samy manana ny zavatra ironany tokoa ny tsirairay!rehefa heveriny fa mahatsaratsara ny fiainany:"fivavahana, politika, vola, fahalalana,sns..."
Mikasa hihaona amin' ny "Amma" aho ny faramparan'ny volana ity.Jereo Amma.org.
Mbô tiako ho fantatra ny hevitrareo mikasika ity hetsika ity!...
novalian'i prime ny 22/11/2006 08:48
2. Fiffi ( 26/10/2006 17:38)
ity ve ? http://www.amma-europe.org/french/index/sommaire.php3
3. fanaina ( 26/10/2006 18:07)
raha ny ahy dia ny asambarana dedaviko dia mirana sy faly isan-andro dia izay dia efa maha sambatra ahy.
4. rakaroka ( 26/10/2006 21:05)
fanaina:

raha ny ahy dia ny asambarana dedaviko dia mirana sy faly isan-andro dia izay dia efa maha sambatra ahy.

Sambatra ny saina mahay mionona ohatry ny anao izao!...


5. rakaroka ( 26/10/2006 21:28)
Fiffi:

ity ve ? http://www.amma-europe.org/french/index/sommaire.php3


Ié. Io tokoa ary MISAOTRA an'i Fiffy:*(l):P(l)!...
Eo amin'ny fikatsaham-piainana..., ary raha ny MARINA anie Jesoa aza nianatra tany amin-drizareo Inde ireto ka heveriko fa misy lesona tokony tsoahiko
any. Ohatra tsotra iray mikasika ny sakafo Ayurvedique izao, nisy boky "AMOUR,SAGESSE,VERITE" mantsy nahitako izao hoe ny hena tsy tokony hohanina satria "kiakan'ny biby" ary hasiahan'ny olona.Tsy raharahian'ny mpamaky baiboly izany fa hoa ny mivoaka ny vava no mahaloto. Ny Ayurveda anefa nahamarika fa misy sakafo, fiaina mahasalama tokoa ary voaporofon'ny taona sy ny nampihatra izany!...
Ka izay 'ngamba no naha-rakaroka ahy: LIANA hatrany amin'izay fikatsahana izay HEVERINA fa "AHASOA ny fiainana tokoa!"

6. sonwin ( 27/10/2006 13:24)
ié, dia mikaroha izay mahasoa hatrany e
7. Zina ( 29/10/2006 01:34)
Tsy misy afa tsy eo akaikinin'i Jesosy ihany no ahitana fahamsambarana...mba andramo anie e
ny fahasambarana eto an-tany dia mandalo doly
8. rakaroka ( 29/10/2006 11:58)
Zina:

Tsy misy afa tsy eo akaikinin'i Jesosy ihany no ahitana fahamsambarana...mba andramo anie e
ny fahasambarana eto an-tany dia mandalo doly

Ka tsy hita maso sy mistery ny akamaroan'ny voalazan'ny mpanaraka an'i jesoa.Dia aleoko mihitsy mbô ny réél no atrehina a!
Raha mba hainareo moa ny tsy fidiran'ny resaka natao tamiko teto izay: tahaka ny hoe "Antananarivo ho an'i Kristy hono!"...Toa i Kristy mihitsy anefa no mifidy lé olona ho azy fa tsy isika, dia ny fijeriny ve toa izany?...Hoe voafetran'Antananarivo?...
D'autant plus maro kokoa ny fomba fijery sy fihevitra iombonako amin-drizareo ireto noho ny fijery kristiana izay mi-négligé na tsy mihevitra sy tsy mikaja zavatra mahakasika ny fiainana maro tokony hoheverina fa dia nankinina amin'i jesoa fotsiny ihany!
NON et NON tsy izay mihitsy ny fiainana amiko satria na ny Ray nahary antsika aza tsy ni-concevoir antsika
ho borné fijery matoa nomeny hanjakantsika ny zava-drehetra!
Ho any amin'i Amma aho dia ny sarin'i Madagascar no ho entiko any: mahantra ny ankamaroan'ny gasy,sahirana, marary, etc...; Tsy afaka kosa hihanona toy ny sasany aho hoe "METY" hono ny fiainan'ny olona any! Ny mpanao ampihimamba maro dia mbola indraindraina ihany na tsy mety tsotra izao aza ny nataony.
Izany no ataoko dia am-pitiavana koa 'ndrao mba hitondra soa ho an'ny firenena satria efa nodradraina foana i Jesoa hatry ny fahakeliko fa toa tsy namokatra loatra par rapport amin'ny namboloiko ho fiainana araka an' andriamanitra!
Eto kristiana fiaina kokoa rizareo mitaha amin'ny nitory an'i jesoa maro nolalovana; conviction io!

9. prime ( 30/10/2006 10:14)
"[Ny amin'ny fampianarana sandoka, sy ny tokony hitiavantsika ny rahalahy, ary ny hanekentsika ny fanambaran'Andriamanitra ny Zanany] Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao." I Jaona 4:1

"Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema*; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; [* Gr. salama]" II Timoty 4:3

"Aza mety havilin'izay fampianarana maro hafahafa ianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin'ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin'ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy." Hebreo 13:9
10. Zina ( 30/10/2006 20:30)
Ka tsy hita maso sy mistery ny akamaroan'ny voalazan'ny mpanaraka an'i jesoa.Dia aleoko mihitsy mbô ny réél no atrehina a!

rakaroka zany no ilaina ny finoana?????
11. prime ( 31/10/2006 12:09)
:wink:
12. rakaroka ( 31/10/2006 14:48)
prime:

"[Ny amin'ny fampianarana sandoka, sy ny tokony hitiavantsika ny rahalahy, ary ny hanekentsika ny fanambaran'Andriamanitra ny Zanany] Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao." I Jaona 4:1
Io efa voazahako toetra ary inoako marina hoe avy amin'Andriamanitra!

"Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema*; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; [* Gr. salama]" II Timoty 4:3
Misy dia misy kilema ny fampianarana nibehazana ahy
ary ny tena manahirana ahy dia "tsy hitako mihitsy izay fomba handraisana lé fampianarana satria ohatran'ny hoe tsy miala amiko rahateo ny aha-mpino ahy fa asan'ny fanahy. "Aza mety havilin'izay fampianarana maro hafahafa ianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin'ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin'ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy." Hebreo 13:9

Misy wa ny hoe "Fantaro ny zavatra rehetra": tenin'i Ohabolana miverimberina ny hoe mahazoa fahendrena: mahazoa fahalalana fa aza mbô "Borné" amin'ny quelques versés bibliques ihany.
Fampianarana firy ary no rantovina nahitana soa, maninona ny zaza no mbôla alefa mianatra fa tsy baiboly dia vita raha marina ity versé ity?...

13. xxx ( 31/10/2006 17:24)
Ary nareo zany anie tsy mikaroka fa mikaôka e !
14. rakaroka ( 31/10/2006 19:11)
xxx:

Ary nareo zany anie tsy mikaroka fa mikaôka e !

Ny mpikaroka rehetra angamba mandalina ny zava-misy
vao manao ny synthèse-ny?...Sa inn lé mikaôka?...
15. dailynews ( 31/10/2006 19:42)
rokaroka> hihihi..tsy hitako izay lazaina anao. kristiana aho ary sambatra amin ny maha kristiana ahy ary tena tsoriko amianao fa hitako ny lalantsara ka hizorako.
misy fotoana aho lavo..izany hoe, tsy manao ny sitrapon Atra mandritra ny fotoana lavalava...fa lazaiko anao fa ireny fotoana ireny no tena fotoana mampiasa loha ahy indrindra sy tsy mampahazo aina ahy indrindra.
fa rehefa miverina amin ny Tompo aho dia tsapako ny fiadanana izay homeny ahy na dia misy aza ny olana izay tokony ho sedraina.
ny hoe tery saina ve?? ...asa aloha raha izay ny fahitanao azy, tsy maninona, fa ny ahy aleoko tery saina miaraka amin ny Tompo toy izay malala tsaina tsy miaraka aminy.
tery hono ny lalana mankany amin ny fianana mandrakizay fa malalaka ny varavarana mankany amin ny fahaverezana.
aleoko mandeha lalantery.....
ilay hoe tery saina ihany koa aloha mifanaraka amin izay tianao lazaina e.
ohatra ve hoe misy ny film tsy tokony ho jerena???
mazava ho azy, tsy ny film rehetra mandeha na sarimihetsika na tele no azoko jerena raha toa ka hita izao fa mifanohitra amin ny TA ilay izy. ohatra mazava be ohatra ve ny porno???
resaka hira koa ohatra..raha hira hitako fa maniratsira ilay hinoako dia inona no hihainoako azy??
raha izay no hoe tery saina dia tsy maninona, fa kosa mahasambatra ahy ny tsy manao azy.


16. rakaroka ( 31/10/2006 21:50)
dailynews:

rokaroka> hihihi..tsy hitako izay lazaina anao. kristiana aho ary sambatra amin ny maha kristiana ahy ary tena tsoriko amianao fa hitako ny lalantsara ka hizorako.
Ka ny nokatsahin'ilay Amma tsy hoe ny ahasambatra olona iray na vitsivitsy fa ny monde entier, rahateo
Andriamanitra mamosaka ny masoandro ho an'ny tsy ankanavaka!
misy fotoana aho lavo..izany hoe, tsy manao ny sitrapon Atra mandritra ny fotoana lavalava...fa lazaiko anao fa ireny fotoana ireny no tena fotoana mampiasa loha ahy indrindra sy tsy mampahazo aina ahy indrindra.
Raha temporaire moa no mahalavo ny krostiana ka maninn fa toa sasatry ny miarina , mivavaka alahady dia mangalatra akoho alatsinainy sa tsy marina izany? ...
fa rehefa miverina amin ny Tompo aho dia tsapako ny fiadanana izay homeny ahy na dia misy aza ny olana izay tokony ho sedraina.
Hoy Jesoa hoe vakionareo ny soratra anefa ... Ka ianao manao fangala-piery fa i Amma notanterahany mihitsy ny hoe "Tiava ny namanao"
ny hoe tery saina ve?? ...NOFISAHANA MIHITSY, ny protestanta izay Baiboly irery ihany,Jesoa irery ihany, Finoana irery ihany, anefa zinona izany mitaha amin'ny karazam-oahalalana tokony ho rantovina?
Maninona aza no nianatra nanaraka ny maro fa tsy nianona tamin'ireo raha vitan'izany ny fiainana e!..
asa aloha raha izay ny fahitanao azy, tsy maninona, fa ny ahy aleoko tery saina miaraka amin ny Tompo toy izay malala tsaina tsy miaraka aminy.
Anefa dia tsijoko mihitsy fa ny olona ouvert tahaka an'i Amma no hiarahan'ny Tompo, nolazainy anie hoe izay manao ny sitrapon'ny Rainy no fantany e, OUI tahaka an'i Amma... fa tsy ny mpanao fangalam-piery !
tery hono ny lalana mankany amin ny fianana mandrakizay fa malalaka ny varavarana mankany amin ny fahaverezana.
Ka izay mihitsy tsapan'ity Amma ity hoe diso lalana ny ankamatoan'ny olona dia atorony
aleoko mandeha lalantery.....
Tandremo ihany 'ndrao lalana mitondra any amin'ny tsy direction an! Tsy aleo ve à mis-chemin dia mba
manadihady mampiasa ny saina sy fanahy nomena?...
ilay hoe tery saina ihany koa aloha mifanaraka amin izay tianao lazaina e.
ohatra ve hoe misy ny film tsy tokony ho jerena???
mazava ho azy, tsy ny film rehetra mandeha na sarimihetsika na tele no azoko jerena raha toa ka hita izao fa mifanohitra amin ny TA ilay izy. ohatra mazava be ohatra ve ny porno??? miombon-kevitra, miampy aza hoe ny film herisetra tokony tsy jeren'ny ankizy
resaka hira koa ohatra..raha hira hitako fa maniratsira ilay hinoako dia inona no hihainoako azy??Ilaina anefa ny mahafantatra na ny fahavalo aza !
raha izay no hoe tery saina dia tsy maninona, fa kosa mahasambatra ahy ny tsy manao azy.
Ny tsy maninona aminao mety maninona amin'ny hafa,
satria izy manana masom-panahy sy fo tia... mihevitra anao!...






17. dailynews ( 01/11/2006 15:52)
rakaroka a, tsy hitako izay lazaiana anao fa mitory olona hafa amiko mihitsy ianao sy ny fomba fiainany izay amma izany.
mino aho fa mety manana fahendrena tokoa izy ary nandamina ny fianany sns..tahaka an i boudha, anefa tsy any ny olana. tsara ny manampahendrena sy ny manao ny tsara ary tokony hatao saingy mitandrema fa tsy ny hatsarana na ny vola omeko ao ampiangonana na ny charite any amin ny fiarahamonina na ny fitandremako ny lalana rehetra no lalana mankany an danitra fa Jesosy. ny fananako an io Jesosy io indray no hanova ny fomba fijeriko ny hoe tsara, vola omeko ary ny fitadremako ny lalany izay voafehin ny fitiavana sns... ( Jesosy no hanaovako ny asa sy ny tsara fa tsy hoe hanao ny asa aho dia tian i Jesosy sns..)
mety ho olona tsara fanahy sy nanao ny tsara tokoa ny olona iray ary tsara izany ho an ny fiarahamonina saingy raha vao manomboka ianao mivavaka aminy dia efa zavatra hafa izany. manana Atra hafa ny dikan izany.

Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana hoy ny Tompo Jesosy tsy misy mankany amin ny Ray hafa tsy amin ny alalako.

tsy hitako izay lazaina anao, averiko indray, ny tena marina dia betsaka loatra ka tsy haiko intsony hoe aiza ny hanombohana azy.

miverena amin ny fitiavana voalohany fa mino aho fa kristiana ny RAD nao ary tao no nanabeazana anao.

mino aho fa mety tsy handresy lahatra anao izany fa aleo aloha hijanona ny androany.




18. prime ( 02/11/2006 11:25)
"levona amin'ny fanaovana ihany izany rehetra izany - araka ny didy sy ny fampianaran'olona?" Kolosiana 2:22

"Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin'ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, fa tsy araka an'i Kristy." Kolosiana 2:8

"mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin'ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin'ny saim-petsy ataon'ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana;" Efesiana 4:14

rakaroka:
Hoy i prime:

"[Ny amin'ny fampianarana sandoka, sy ny tokony hitiavantsika ny rahalahy, ary ny hanekentsika ny fanambaran'Andriamanitra ny Zanany] Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao." I Jaona 4:1
Io efa voazahako toetra ary inoako marina hoe avy amin'Andriamanitra! TSY NITENY IZANY AHO FA AZA AMPIANA TOMPOKO AZAFADY RAHA METY...
"Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema*; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; [* Gr. salama]" II Timoty 4:3
Misy dia misy kilema ny fampianarana nibehazana ahy
ary ny tena manahirana ahy dia "tsy hitako mihitsy izay fomba handraisana lé fampianarana satria ohatran'ny hoe tsy miala amiko rahateo ny aha-mpino ahy fa asan'ny fanahy.
MBOLA TSY NITENY IZANY IHANY KOA NY TENANAY KA AZA FORONINA TOMPOKO Ô..."Aza mety havilin'izay fampianarana maro hafahafa ianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin'ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin'ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy." Hebreo 13:9

19. rakaroka ( 02/11/2006 19:42)
dailynews sy Prime: Misaotra anareo eram-po,saina sy fanahy aloha aho mahatsapa ny fiahianareo ahy tokoa
ara-pinoana,Fa 'zao tsy rehefa hoe tsy fantatra ny olona dia fanahiana négative foana no andraisana ny hafa: nialoha izay devoly sns aloha ny zavatra noforonin'Andriamanitra dia "TSARA" avokoa!
Etsy ambony nifangaro ny valin-teniko namaliako an'i
Prime fa sarotra BBBbbbbbe ho ahy sy ny olona maro ny
hilaza kosa fa tsy avy andriamanitra ity olona ity satria vaigam-pitiavana mihitsy izy anefa ny "Fitiavana no fehin'ny fahatanterahana" ary n'inn n'inn iantonan'ny rehetra izany!
20. prime ( 03/11/2006 08:38)
"Koa dia foananareo ny tenin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo." Matio 15:6

"Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, Raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy. (Isa. 29. 13)." Marka 7:7

"Fa izaho mananatra anareo, ry rahalahy, mba hitandrina ny amin'izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin'ireny olona ireny." Romana 16:17
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1609