taizan-drenikely

21. ari.malala ( 25/10/2006 06:22)
Tsy ny vhv rehetra no manao an'izany ka! za manokana izao tia zaza be mints za, fa araky nyt enin'ny namana iray ao ambony ao sasa angamba hoe tsy mety ny zaza manao trano roa, fa omena safidyizay hoe aiza no tianao, ka raha any amin'ny rainy no tiany hipetrahana dia isan'ny zanako izy zany ko! fa misy koa anie ny lhl no manao an'izany e! rehefa tena tonga ny naterany dia ahiliny na tsy dia rarahiany ilay zana-badiny... fa tsy ny rehetra koa alo e!
22. miangalyandria ( 25/10/2006 07:45)
Dia tena be théorie daholo isika, hita hoe mbola tsy teo amin'ilay toerana ka mora tokoa ny miteny hoe izaho tia zaza be dia tiako daholo rehefa zaza. Ny zavatra tokony ho tsaroana mandrakariva dia ilay hoe ho an'ny Malagasy dia mbola zana-drafy iny na dia efa nisaraka aza ny ray aman-dreniny. Ny kamboty dia possible ny mitia azy tsy misy eritreritra fa raha mbola velona eo ny iray dia matetika kombaka be foana izany resaka izany e ! Miady fitia, misy fanahiana, ny ankizy koa rehefa miala sakana dia miala any ny eritreritra be sy ny famingavingana, ny alahelo sy ny sisa. Noho izany mila fandavantena be ilay izy hoy aho, izay no mahatonga ny betsaka tsy te-ho reny kely.

23. xxx ( 25/10/2006 09:12)
io dia mety mandeha tsara ary tsy andeha ko , miankina @ ilay ray na reny , ny zaza dia ny miareaka miny io , tena hita marina fa theorie daholo nno betsaka eto , za efa nandalo t@ io toerana io fa sarotra ilay izy , enao mba miezaka manao zay mety @ ilay zaza , mitondra azy toy ny zanaka , mba nanatra sy nanoro , fa za ndray nno nahazo loza satri tsy nanaraka ny tiany hono , ny rainy ko mo atsy ambadika manaraka sy manao ny tiany atao , eny e misy ny tena mifanaraka tsara fa io miankina @ manodidina e
24. belaza ( 25/10/2006 09:51)
fa ny "taizan-drenibe voky hanina fa tsy ampy saina" an hihihi:@:@:@:@:@
25. mihoby ( 25/10/2006 10:37)
Tsy ny vehivavy rehetra kosa no masiaka @ zanandrafy e,rehefa tina angamba le vady de tina ho azy ny zanany ,fa amiko aloha miankina @ fitaizan-drainy an' ilay zaza no mety hampifanaraka an' ilay zaza sy ilay renikely e,fa mety ho sarotra ihany aloha mandrapahazatra ,fa de ankino @ Atra izay efa sendra izany , fa aza masika sy ratsy fanahy @ zaza izany fa tsy fidiny ho azy ireny no ho tonga @ toerany ho toy izany
26. kelly13 ( 25/10/2006 13:59)
ary ny taizandraikely manaôna? za klou toa otran'ny tsy ho tantiko ra taizan-drenikely na raikely ny zanako e! inn ny antony hozy nareo? sao d lasa tia ny renikeliny na raikeliny plus que za ny zanako! nefa nge ry zareo d situation misy zany rehetra zany e! zay fôna le mampiteny ahy hoe "fiainana dol zany"! sarotra tokou ny mitia "zanabaratra" (zay no tena fitenin'ny ramalagasy) nefa ande ho ariana kousa v izy? tsia, tsy d'accord za! za raha hitaiza ny zanadrafiko ohatra, d tena aleo atao teny ierana dieny mialoha fa za tsy maintsy manitsy ary tsy maintsy mikapoka, ra tsy d'accord d aleo hilamina fa manahirana. pareil ra taizandrenikely na raikely ny zanako, mahazo manitsy sy mikapoka ny zanako refa maditra izy (n'empeche makarary fo) :)
27. patrick2002 ( 25/10/2006 14:48)
Ka izaho anie ilay bleme eh ohatra izao zanakao vavy 16 ans manao sipa dia hoy ianao hoe efa lehibe ny zanako ,zana-drafinao vavy 16 ans manao sipa dia hoy ianao hoe kely veta zaza maditra :-D:-D:-D eo no tsy azoko an'ilay hoe tsy maintsy hanarina ,tsy maintsy manintsy, hatraiza ary ilay fananarana ,ary hatraiza ny fanitsiana ,
Dia heverinareo ve fa ireny renikely manao ny ataony @ zanabadiny ireny dia mihevitra izy hoe mechanchetée ,haratsi-panahy no ataony, mananatra ahy hoy izy manintsy. Ny manodidina anefa efa mahita fa mihoatra ny mety izao.
28. ari.malala ( 25/10/2006 15:31)
za manokana alo, efa reny aho, ary tsy theorie araky ny tenin'ny olona ao ambony ao, fa haiko ny ao ampoko.

Momba io tenin'i Patrick io indray, raha 16 taona izy no manao sipa, dia anariko tsara satria efa taonan'ny fanaovan sipa io, ka raha tsy mitandrina izy dia izy no ho voa, manaraka ny teniko moa izy dia mahazo soa, tsy manaraka izy, dia izy noho voa, fa adidiko @ maha "reniny" ahy ny mananatra.
29. kelly13 ( 25/10/2006 18:24)
patrick tsy misy hoe hatraiza ny fananarana na ny fanitsiana, fa na olondehibe izao aza mbola mila anarina sy ahitsy! araka ny tenin'i ari.malala d hoe adidy ny mananatra ny zanakao na zanadrafinao (zanabadinao mou zany e) manaraka ny teninao c bon tsy manaraka ny teninao c bon, nanao ny adidinao ianao. soa ho kenda hahay hitsako, soa ho lavo hahay hamindra hoy isika gasy! ary eritreritra efa ntaolo b zany mieritreritra hoe zaza a 16 ans d kely veta etc... zany.
30. patrick2002 ( 26/10/2006 14:40)
ka le foto-pisainana renikely mihintsy anie ,no ohatry ny hoe tsy mba afaka manao hadalana kely ilay zaza eh!mazava fa rehefa manao hadalana hanarina ,fa iza amintsika ary no tsy nanao hadalana t@ fahakelintsika na fahatanorana ,dia hanarina hatao ahoana, sazina @ fomba inona ?
eo le renikely tena tolerance zero mihintsy .Nefa samy niaina tamin'izany daholo fa milay le manao hadalana kely ,mangalatra mi-dance kely ,mampiaraka ,misotro toaka kely ,manao totohondry kely, mangalatra kely .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2115