Empêché indray i Pierrot androany!!Aiza i "tezitra"?

1. lagoon ( 12/10/2006 17:13)
:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D

Tsy nahazo niakatra ny vol Port-Louis/Tana aninkeo maraina.

Ity ny lien fa sao dia lazaina fa mampiesona aho an.Mbola tsy hananako ny talentan'i Ny Haina ry zalahy a!
Dia aza manofy hahita Pierrot intsony izany,fa nany jet privé aza dia tsy hahazo autorisation hi-décolle ao Morisy.
Il est foutu.

Tandremo "romotra" ry tezitra an!!!

http://www.cyberpresse.ca/article/20061012/CPMONDE/610121160/1034/CPMONDE
novalian'i fijo ny 17/10/2006 22:19
2. Zoniaina ( 12/10/2006 18:18)
mahagaga ahy , fa maninona hoa isika samy malagasy dia faly mifandrangitra e, angaha moa midika resy raha toa ka tsy miteny na tsy mandrangitra ny hafa ???:roll:
3. Razouzou ( 12/10/2006 18:24)
tss tsisy anzany io ry zoniaina fa aleo izy anao sady pierrot nge hanakorotana fotsiny sy ampiady antsika gasyeee
4. fijo ( 12/10/2006 18:57)
very aho vatokeliko le.
fa tsara marina aloha ny tsy ahatongavany izao e,raha tena te hotonga izy,afaka tonga rehefa vita ny fifidianana.dia ho hita eo raha tena hoavy,na te hanakorontana fotsiny
5. akama2006 ( 12/10/2006 19:17)
izay anie le nolazaiko e!contradictoire!

lazaina fa raha mafy midira aty ivato!nony injay ho avy tokoa le olona tsy avela ho avy fa kanosa le mpitondra!
lazaina fa gadraina vao tonga ,ary tsy maintsy ampiharina ny lalana ,atao izay hevitra rehetra tsy ahatonga le olona!mihevera tena ry mpino mpino fahatany fa na efa adala le mpitondra anareo na efa miteniteny foana !
6. xxx ( 12/10/2006 20:09)
akama2006, misy lalana mifehy ny tontolo iainana , tokony hanaja izany izy ... raha tsy navela hiditra ao anaty avion izy dia misy antony ...toy ireny "terroriste " ireny ve ? , aleo alou tsy atao an' izany fa atao hoe Mr Rajaonarivelo pierrot... tsara angamba ny miverina aty france dia miresaka ao amin' ny RFI indray ... mibadabada ... izay tokony tsy azo atao koa... misy lalana koa mifehy ny "exilé" fa tsy najain' ny Frantsay atramin' izay ... tokony hisy rappel à l' ordre ... ary farany asaivo manaja tena izy ....tsy resaka adala ny ahy ... ampitaho aminy any ... mba hotsenainay eny roissy izy é ... aza matahotra:-D:-D:-D:-D
7. fijo ( 12/10/2006 20:34)
rehefa milamina wa dia avelao izy hiverina raha sahy,fa tsy izao vao mody manao be fiavy,de raha misy manjo dia hoe satria aho te hilatsaka
8. belaza ( 12/10/2006 21:31)
fiita wa, naninona marina mo lery no tsy tam2003 de tonga de de nilamina ny raharaha e, izao tsimaintsy miandry 5taona indray. fa elisany "pro" pierrot ireo anie afaka miantso anleri hoe "President" raha izay no datiavinleri e.
9. xxx ( 12/10/2006 21:44)
fa nereo retra reo ve naita maso daoly sa aona e! to lasa mifampiteny eto fotsiny nefa samy tsy nalala. tsy ainareo zé tena fandeany de mifanome tsiny fona fatany ny masoa ataonAndriamanitra.:roll::roll::roll::roll:
10. fijo ( 12/10/2006 21:48)
aza manantena andriamanitra tsy hitya any fa izay eo resahana e
11. Zina ( 13/10/2006 02:14)
o ry fijo a mba mora2 ty vava aza mba manao an;izany lesy a
12. sasa ( 13/10/2006 05:00)
ka io d izao tsy tianay ny hatongavan'ny Pierrot Rajaonarivelo fa manankorontana fotsiny,aleo izy ho avy rehefa vita ny fifidianana d mba manampy ny mpitondra am fampandrosoana ihany koa e! fa tsy hoe rehefa akaiky ny fifidianana d hoe ho avy nefa hatram 2002 tsy hita fa lasa nitsoaka :-D:-D
13. Fiffi ( 13/10/2006 06:51)
Tsy naondran'ny Air Mauritius i Pierrot Rajaonarivelo
Tsy mahafeno ny fepetra ahafahana miondrana amin’ny zotra maorisiana ny praiminisitra lefitra araka ny voalazan’ny tompon’andraikitra.


Efa nanao andrimaso teny Ivato ireo mpitandro ny filaminana.
Mbola mitohy ny fiandrasana ny fiaingana avy atsy Maorisy. Tsy neken'ny orinasa ara-pitaterana “Air Mauritius” hiondrana tao anaty fiaramanidina i Pierrot Rajaonarivelo omaly. Mbola mikiry ny hitodi-doha aty Madagasikara hatrany ny sekretera nasionalin'ny antoko Arema na dia eo aza ny sakantsakana ataon'ny fitondrana. Ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-ko fidiana no isan'ny mahamay azy hiverina eto an-tanindrazana amin'izao fotoana izao.
Tamin'ny alalan'ny lahatsoratra tao amin'ny AFP no nahalalana fa nikasa ny higadona teny amin'ny seranam-piara-manidina Ivato indray ingahy Pierrot Rajaonarivelo izay mikasa ny handray anjara amin'ny fifidianana izay hotanterahina amin'ny 3 desambra.
Fantatra fa omaly tamin'ny 11ora sy sasany maraina no tokony handao an'ity nosy rahavavy ity ny sekretera nasionalin'ny antoko Arema taorian'ny tsy fahafahana midina tao amin'ny seranam-piaramanidin'ny Ambalamanasa ao Toamasina tamin'ny asabotsy lasa teo.

Voarotsaka
“Tsy mahafeno ny fepetra ahafahana miondrana amin'ny zotran'ny Air Mauritius i Pierrot Rajaonarivelo araka ny voalazan'ny tompon'andraikitra iray ao amin'ny seranam-piaramanidin'ny Plaisance atsy Maorisy”, hoy ihany ilay lahatsoratra hita toa amin'ny AFP. Voalaza ihany koa fa noho ny fangatahan'ny tompon'andraikitry ny Aviation civile de Madagascar (Acm) no nahatonga izao fanapahan-kevitra izao. “Mety hitera-doza ho an'ny fiaramanidina sy ny mpandeha ao anatiny ny fiondranan'i Pierrot Rajaonarivelo”, hoy ihany ilay tompon'andraikitra.
Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana dia tsy tonga teny amin'ny fiaramanidina ny praiminisitra lefitra teo aloha. Azo inoana fa nampandrenesina talohan'ny fotoana izy.
Tsara ny mampahatsiahy fa tamin'ny asabotsy lasa teo no nikasa handao ny nosy La Réunion i Pierrot Rajaonarivelo. Nandamoaka ny fandaharam-potoana na dia efa mafana aza ny fanomanana nataon'ny mpomba ny sekretera nasionalin'ny Arema.
Namoaka didy fandrarana ny fidinan'ny fiaramanidina izay niafara tamin'ny fanakatonana ny seranan'i Toamasina ihany koa ny fitondrana ka tsy tanteraka araka ny tokony ho izy ny fihetsiketsehana. Na izany aza anefa, tontosa soa aman-tsara ihany ny kongresy nasionaly izay natao tany Toamasina ka naharitra hateloana.
Fanindroany noho izany no voasakana tsy hanitsaka ny tany malagasy ny praiminisitra lefitra tamin'ny fitondran'ny Amiraly Didier Ratsiraka. Tsy mifarana eo anefa ny fikasan'i Pierrot Rajaonarivelo hody eto an-tanindrazana.

Hisambotra
Mbola mandeha hatrany ny feo eo anivon'ny mpanohana azy izay milaza fa “amin'ny asabotsy ho avy izao farafahatarany no higadona eto Madagasikara ny sekretera nasionalin'ny antoko Arema”. Toa mampanahy ihany anefa ny ahafahany hametraka ara-pomba ofisialy ny taratasy filatsahan-ko fidiana alohan'ny ora farany izay voatondro ho amin'ny asabotsy misasakalina.
Tsikaritra teny amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato omaly ny fisian'ireo mpitandro ny filaminana avy amin'ny ankolafiny samihafa ary mirongo fitaovam-piadiana. Raha tombatombanana dia sahabo ho 150 eo izy ireo no niandry ny fahatongavan'i Pierrot Rajaonarivelo.
Raha nanontaniana ity manamboninahitra iray izay teny an-toerana omaly dia nilaza fa ny hisambotra ny sekretera nasionalin'ny Arema no teny anton-dian'izy ireo teny Ivato. Naharitra hatramin'ny alina ny fiambenana satria fantatra fa zotra roa mampitohy an'i Madagasikara sy Maorisy no nandrasana omaly.

Stéphane Solofonandrasana
Date : 13-10-2006
14. diamondra27 ( 13/10/2006 08:09)
:-D:-D:-D

alefao foana kambony ny vaovao ho hita fa chacun interprète ce k'il vé

za zao ra tsy nadefasan'i lagoon an'ity de mety tsy nahita

:-*:-*
15. besoiiin ( 13/10/2006 08:23)
alefaso ny hevitra ry karaoka sareraka tezitra sy ny namany a:-D:-D sa vao mikaroka argument ndray e??? mazotou ary e
16. prime ( 13/10/2006 10:16)
:-D:-D:-D
17. mandrindra ( 13/10/2006 13:08)
raha ny hevitra mivoaka eto no vakiako dia tokony hanambara ampahibemaso ny fanjakana fa mitarika korontana ny fahatongavan'i pierrot ka tsy mahazo miverina any madagasikara intsony.

raha ny hevitro manokana aloha dia tokony avela hiverina izy satria zony izany amin'ny mahamalagasy azy. izay hiverenany na handeha fiaramanidina izy, na andeha sambo na hilomano tsy olana, izay toerana idirany ao madagasikara tsy olana ihany koa. rehefa tonga izy dia samborina ampilaminana rehefa vita ny vazavazany.
18. prime ( 13/10/2006 13:18)
Izy raha tafiditra eo dia tsy ho voasambotra... ary tsy ho tafiditra hametraka filatsahana koa... fa ny isian'ny korontana no tena mavaivay... efa hita fa "risques "certains" @ korontana ny fahatongavany satria hanangam-bovona hampiasa ny "tribalisme" izy... hitako mety ihany ny handraràna azy tsy ho avy...
19. mandrindra ( 13/10/2006 13:32)
raha izany anie dia tokony hanao fanambarana ofisialy ny fanjakana hoe tsy mahazo miverina any madagasikara i pierrot e.
fa ny manao fandrarana tsy misy fanazavana dia mitarika fisavorovoroana ao antin'ny sain'ny olona.
20. prime ( 13/10/2006 13:55)
Eo no olana... mba tsy ilazàna hoe PNG eto dago d aleo ny varavarana no idina... leiry mantsy mampiasa joker farany tsy latsaky ny 3 @ zao...
1. miditra d manaiky higadra d hampiasa ny communauté internationale @ resaka "démocratie"
2. miditra fa tsy manaiky ny higadra ary hilatsaka @ fifidianana d maro no ho tezitra @ fitsaràna malagasy ka na i ra8 aza tsy ho crédible intsony @ izay
3. miditra fa tsy afaka ny hilatsaka d hampisavorovoro saim-bahoaka...
Na inona antony nefa dia lalan-tokana mankany @ korontana ny fidirany eto...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1799