VERY FITADIDINA SAHADY NY MPITONDRA

1. zandikely ( 09/10/2006 15:01)
Efa samy niaika ny rehetra fa tsy nety ny fanaovana barazy tamin'ny taona 2002. Izao dia efa adinon'ireo mpitondra sahady na odian'izy ireo tsy fantatra fa ny zavatra notoherina no averin'izy ireo izao. Maninona no nakatona ny tseranam-piaramanidin'i Toamasina, angahy i Pierrot ihany mampiasa an'io fa indrindra ireo mpizahatany sy ireo mpandraharaha maro. Mazava ho azy fa tsy barazy politika fotsiny io fa ara-toekarena ihany koa.

RY MPITONDRA MALAGASY Ô, MBA HALEFASO LAVITRA IHANY RE NY FISAINANA FA IANAREO MPITONDRA INDRAY MIHEMOTRA.
novalian'i fijo ny 11/10/2006 21:13
2. prime ( 09/10/2006 15:27)
zandikely> tsy mety tokoa izao ataon'ny fitondràna izao raha tsara ny nitondràn'ny arema ny sera2'ny mikasika an'io ataony any toamasina io sy ny fiavian'i pierrot... fa rehefa manao évaluation des risques ny manam-pahefàna, izaho mahita fa mety io ataony io... tsy ara-politika fotsiny fa ara-tsôsialy sy ara-toekarena koa... ny filaminana sy ny fandriampahalemana mbola lafo vidy noho izay hambom-po...
3. Stone ( 09/10/2006 15:58)
Mety ny nataon'ny mpitondra ka! Mba isorohana ny rotaka, izay mantsy no tadiavin'ireo olona mpomban'i Pierrot ireo, dia rehefa misy maty eo na zavatra mitranga dia avadika adim-poko @izay. Dia manomboka @ izay ny crise, izay vao tena tsy hoavotra intsony.
Madagasikara tsy Afrika!
4. vetsoko ( 09/10/2006 16:57)
tsy maninona anie ny miteny hoe tsy mety marina izy izany ry zalahy rehefa hita fa tsy mety ohtr'izao e!aminareo dia mety daholo rehefa made in ra8 na izao fahantrana be izao aza no vokany
5. xxx ( 09/10/2006 17:12)
isika gasy koa ngamba de mitady hanankarena tampoka ka , mahantra ny gasy e ! zao e ! fa efa oviana moa ny gasy no nanana ary aza de mijery akaiky loatra e ! mba jereo ny ho avin'ny taranaka fa tsy faly ny hahazo vola vetivety @ bizina maizina e ! za mahita fa reo olona voatoatoana ny bizina de nankahala io fitondrana io daholo
6. sipagasy ( 09/10/2006 17:30)
manamafy ny teninao e!
7. lagoon ( 09/10/2006 21:35)
zandikely:

Efa samy niaika ny rehetra fa tsy nety ny fanaovana barazy tamin'ny taona 2002. Izao dia efa adinon'ireo mpitondra sahady na odian'izy ireo tsy fantatra fa ny zavatra notoherina no averin'izy ireo izao. Maninona no nakatona ny tseranam-piaramanidin'i Toamasina, angahy i Pierrot ihany mampiasa an'io fa indrindra ireo mpizahatany sy ireo mpandraharaha maro. Mazava ho azy fa tsy barazy politika fotsiny io fa ara-toekarena ihany koa.

RY MPITONDRA MALAGASY Ô, MBA HALEFASO LAVITRA IHANY RE NY FISAINANA FA IANAREO MPITONDRA INDRAY MIHEMOTRA.


Izahay ry leiroa tsy mila rà mandriaka a.I Pierrot dia niandry ho raisim-potsina mba hanapoka ny adim-poko.Maninona ary no tsy nasaina tonga nitsena azy ny zanany sy ny vadiny e??
Tsy tafiditra tao anatin'ilay fandrika ny gvt dia tezitra i Pierrot ka miantso gréve génerale.
Tsy milà korontana,ary tsy gidra ny eto.



8. Stone ( 09/10/2006 21:41)
Tsy mihetsika ianao ry vetsoko matoa mahantra, aza manantena fanjakana hanome vola izany. Na any amerika aza tsy misy izany. Tany URSS taloha sy any Cuba no nisy an'izany.
9. lagoon ( 09/10/2006 21:52)
Stone:

Tsy mihetsika ianao ry vetsoko matoa mahantra, aza manantena fanjakana hanome vola izany. Na any amerika aza tsy misy izany. Tany URSS taloha sy any Cuba no nisy an'izany.



Ireny ilay zatra homlen-pontsiny.Génération tsaky-pôpy.
tsy nampianarina namboly sy nanjona fa dia nomena masaka foana,na nanglam-pihinana no tena marina e!
10. Lejim ( 10/10/2006 00:15)
Stone> tonga dia ahitsiko ianao, misy fanomezam-bola maimaim-poana ho an'ny mahantra aty!
Misaotra
11. Stone ( 10/10/2006 00:47)
Tsy arako indray izay fa mba velabelaro kely hoe!
12. vakiniadiana ( 10/10/2006 05:27)
Efa misokatra androany ny seranam-piaramanidina e, ary ilay BARRAGE anie barrage na mpitandro ny filaminana nanakana ireo olona ho any @ aéroport e, fa tsy sanatrian'ny vava barrage toa ny t@ 2002 ka nanaovana fahirano ny mpiray tanindrazana @ tena.
13. besoiiin ( 10/10/2006 06:22)
fetsikapa ilay poireau rajaonarivelo! mody takotakonana ao anaty resaka politika sy sahotaka politika handrangitana olona ny ratsy natao. d mievitra lery avy eo fa ho foana ho azy sy negligen'ny olona ny didy fampisamborana sy ny gadra tokony hefainy noho ny ratsy vitany. ny gasy kely na mangalatra akou aza gadraina kou i lery mitetika ny ho kôkôb eo. reveko ny adindravalo ka! tsy milefitra @ mpanao ratsy zany.raha izaho aza no teo tonga d notifiriko reny @zay mahatsapa tsara hoe ahoana ny dégréan'ny ratsy nataony t@ mpiray tanindrazana aminy.
14. papala ( 10/10/2006 07:01)
besoiiin>miombon-kevitra 100% aminao aho=D=D=D
15. cristal ( 10/10/2006 08:28)
(l)(l)(l)Tsara!Efa manomboka hitantsika ny tokony atao,satria ilaina ny mahay mankasitraka ny olona iray na dia tsy nahavita aza izy fa tsara ihany koa ny fandraisana andraikitra eo anivon'ny fiaraha-monina misy antsika tanora mba hanampiana ny mpitondra,i PR ve,efa fanaon'ny mpiresaka politika io;fa ny vahoaka no mila hovaina na ampahalalana ny vonkan'ny tsy fanajana hatao @ mpitondra dia ahay hamindra ny Malagasy,nozanahana ara-tsaina ny gasy ka miandry ny tsaky popy mahana avy any an-danitra ka ny tanintsika tsy nisy fanamboarana!Bye daholo Andriamanitra hitahy antsika Malagasy mba tsy hikorotana fa raha mikorotana isika dia tsy ho eo IZY!(l)(l)(l)
16. zandrypte ( 10/10/2006 09:25)
resazaka adimpoko zany hoa tsy misy eto madagascar averiko tsy misy izany ary tsy ho hisy .
adihevitra samy antoko politika matanjaka no hisy sy debat juridiques hoany cas pierrot rajaonarivelo resaka interpretation de loi penal no ifandirana aminizao toa taraiky 3 taona ny minisitriny fitsarana satria suspensif daholo na sazy na mandat rehefa manao pourvoi en cassation ny olona voaheloka iray (code de procedure penal 2004).dia ny mahagaga ahy dia raha diso marina ingahy pierrot maninona no tsy andefasana mandat d'arret international efa ao maurice izy d'apres rfi androany maraina efa manakaiky miforidrambo mihintsy angamba ra8 ka mety hanao barrage eo ambanitsena
17. fiderana ( 10/10/2006 10:25)
Izaho tsy miraharaha izay pierrot si i pierrette any, tsy ho voarangitra@ izany ny aty , hendry tsara de mianatra tsara, dia mahita asa tsara ,dia mahita vady tsara, dia miadana tsara ny vady aman-janaka,.
fehiny: tsy manao politika afa-tsy ny an'ny tena izao isika, fandrebirebena doly ny sisa rehetra, mivavaha dia mba tsotra fa tsy mandrebireby olona , sy manao fitaovana olona foana no hatao raharaha, andramo ka hizahao ny mivavaka fa tsy misy ny korotana , fa voasoratra hoe;" ny firenena miady dia tsy hovanona", aleo milamina , izay nanao eloka aleo mizaka ny vokany.
18. vakiniadiana ( 10/10/2006 10:45)
iza indray izany gisalahy mangala-ketsa na mamo miantso pôlisy ao izany e ? :lol: asaivo tonga eto izy hosamborina e
19. vakiniadiana ( 10/10/2006 11:05)
iza indray izany gisalahy mangala-ketsa na mamo miantso pôlisy ao izany e ? :lol: asaivo tonga eto izy hosamborina e
20. zandrypte ( 10/10/2006 14:26)
ka tsy maintsy ho samborina anie izy ry lery ra tonga eo de ho hitany communauté internationale eo ny tena zava-misy eto gasikara tsy fanarahana regle elemtaire aminy politika ohatra separation des pouvoirs:twisted:ho itany havany eo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1525