voateny foana

1. xxx ( 09/10/2006 11:31)
Ahoana no hevitrareo raha ianareo no eo amin'ny toerako.Manambady za ary tsy manan-janaka ,efa ho 10 taona izao ny fanambadianay .Efa nisy ezaka natao ny amin'ny ahazoana zanaka fa tsy mbola nisy hatramin'izao .(Dokotera ,hotra ,point....).
Isaky ny mba tafaraka izahay mivady na any ivelany na ao an-trano dia tsy maintsy mahita hitenenana ahy foana ramatoa ary amin'izany dia tsy mijanona eo iny resaka iny fa lasa zavatra hafa dia miova zavatra indray dia lasa ady be tsy vita .
Ireo mba ezaka kely ataoko na zavatra mba ataoko surprise aminy tsy hitany mihitsy fa ilay diso sy tsy mety ary ny tsy vita no tena mibaribary eo amin'ny masony .Za indray aza ny voalatsa sy voaeso hoe :mba nanao angaha ,efa ela io no tokony ho vita sns....
Manana anton'asa za ary mahavelona tsara ny ankohonako .
Izy rahateo be namana dia any tsy mody raha tsy ny hariva be dia raha amin'iny no misy zavatra sendra tsy mety dia efa ady be .Izy koa miasa .
Ohatra izao : Mandeha miantsena za dia raha tsy nitondra ilay nafarany dia efa ady be izay ,hany ka lasa matahotra azy aho indraindray .
Tsy afa-mamaly ny tena satria diso foana e!(...),ary raha izy no sendra misy tsy mety na misy diso dia toa tsotsotra fotsiny fa izaho indray aza no diso tsy nanao ilay zavatra .Ohatra izao :nanala ny akanjony izy dia navelany teo ambonin'ny seza dia izaho ny hafarany hampirina azy kanjo adinoko ny nampirina azy dia za indray no voateny .
Tena leo aho indraindray ary tsy te hanao firaisana aminy mihitsy fa tena mibahana ao an-tsaiko loatra ilay fiainana ao an-tokatrano .
Ka dia misaotra amin'ny hevitra sy fanampiana avy aminareo rehetra
novalian'i HESHA ny 12/10/2006 15:15
2. ikalakintina ( 09/10/2006 11:49)
maninona kay ra mifampiresaka nareo, angamba tsy sahy miresaka na mamoaka izay ao amponao aminy ianao, na efa tsy te hiteny intsony, tsy vaha olana anefa izany, de tadiavo ny antony mahatonga azy manao an'io, na anontanio izy!, resaho izy fa manjary marary fo eo fotsiny ianao!
de mahereza sy mivavaha
3. booboo ( 09/10/2006 12:04)
xxx > Mety te-hanana zazakely mafy angamba ny vadinao dia négatifs aby ny raha dia zay no maha-kizitina sy mampasiaka azy. Aza miaritra fotsiny eo, fa teneno na hiteny mafy azy aza ianao, izay fandrasainao ny fihetsiny. Raha tena io no mahatonga ny vadinao ho tahaka izany dia azoko tsara mihitsy...
4. fasaly ( 09/10/2006 12:30)
xxx: mba ampisehoy ny maha lehilahy anao aza fa aza de mora torakovitra aminy eo! mba mi revolte kely de ho hitany hoe, hay ve ka tena otrzay ity vadiko ity....zay tsotra sy tsy miteny ihany anie no hararaotin'ny mpanararaotra e!, sady mbola tsy matotra izy angamba no manana blem kely:wink:
korazy e!:-*
5. boubounezy ( 09/10/2006 13:31)
mety jamba ny fitiavana be lotra zany enao ry ra xxx a! na tena efa toetranao mintsy kou zany an! manaiky ho resimbavy. na zay kou no mety fiainana tena tinao ambaniny vhv. azafady alou fa fanazavana iany ny ahy iny fa ra tsy tinao zany dé mifampiresaha @ vadinao, inn ny tsy tinao ataony,sô dé avy t@nao kou no natonga azy manana zany toetra zany? si non mialà refa tena tsy zaka tsony. bon courage eeee!
6. xxx ( 09/10/2006 14:27)
fifampitaizana ny tokatrano, raha zarinao omena ny rariny sy hitabataba tsy hahitsy izy dia tohizany eo foana io ary heveriny fa mety dia victime lava eo ianao . Efa 10 taona izany , toa efa mety ho lasa toetra ilay hoe izaho ihany no mitabataba ato fa ianao ilay bedesina lava.

raha ilay hoe tsy miteraka no mampikizitina azy dia ataovy tsapany fa mba te hanana zanaka toa azy koa ianao fa tsy hoe izy irery akory no te hanana ka mahatonga azy masiaka be toy izao
7. fiderana ( 09/10/2006 14:40)
Tsy azoko intsony ilay resaka aloha ê!, iza no mila hevitra dia iza no mamaly azy, fa ilay mpamaly farany aloha mba mety ihany ny resaka, fa misy zavatra tsy azoko izany ao....mba ampio re reolona fa very @ ilay izy ny tenako....8)8):D
8. soanja ( 09/10/2006 14:52)
Raha ny fahenoako an'izany dia tena tsara ny miresaka saingy na hiresaka aza ianao de mety tsy hihaino izy satria toa kizitina loatra izy izany.
Amiko raha mbola tianao izy dia mijanona eo dia tiavo izy amhaizy azy ,fa rehefa tsy tianao kosa izy dia mila mitady hevitra hafa amzay ianao hialana aminy fa raha tokotrano mampiferianaina aleo miala toy izay mijaly. Sady ianareo mbola tsy niteraka. Ny tokatrano dia mila tanjona . Toa tsy hitako izay tanjona tianareo tratrariny raha ny fahitako azy.
9. ninih ( 09/10/2006 15:54)
izao kosa aloha e! tsisy otrany hoe mifandinika ny olana sy ny zavatra retra. ny olan' ny tokantrano misy foana fa raha ny olana no mibahana de toa hankaleo ihany! marina fa misy ny tanjona nefa raha resaka ankizy tsisy izany anie afaka manangana zanaka raha samy manaiky e! na mitaiza ny zanaky ny havana e! fa aleo vakina ny resaka sy ny tsy ntanty de hita eo e!
10. Ruby ( 09/10/2006 16:30)
mba mody ampitahory hoe izy hoe hisaraka aminy ianao raha izao foana no mitohy dia ho hita eo izay lazainy.
11. kelly13 ( 09/10/2006 17:23)
xxx>ngamba noho ny tsy fahazoanareo zazakely no mahatonga ny vadinao manao izao toetra izao mais ampitsahivo azy fa elle n'est pas la seule à souffrir de cette situation! :)
12. xxx ( 09/10/2006 17:46)
Raha hoe :ny hifampidinika izany dia efa nataoko saingy niafara tamin'ny ady ny farany .
Tsy hoe tsy miteny za fa raha vao misokatra ny vava dia efa ady izay dia lasa samy mandeha samy mitady ny ato .Vali-teny boribory no azo raha sendra mba manontany ny anton-diany sy ny alehany .Ny calin tsy ho hita intsony .Fiarahamonina sisa no ato an-trano .
Efa natafavoaka vava mahery mihitsy aza za indray andro izay fa tena trops loatra ny ataony .Ny milako sisa no tsy vitako fa raha azoko natao efa ...
Tena lasa misacrifier ny tenako aho izao ary manaraka ny reviny fotsiny sisa mba tsy hisian'ny tsy mety ato an-trano .Aleko mandefitra tanteraka fa raha samy mihenjana tena hisy faty olona ato .Tena efa nahatafavoaka ny hoe :andao hisaraka ,fa tsy vitako e!.Tsy haiko intsony na tia na tsy tia azy .

13. booboo ( 09/10/2006 17:49)
xxx > sao te-hanana zazakely mafy ho'aho izy ? maromaro ihany zay vehivavy fantatro nampitondra faisana ny vadiny, tahaka io mahazo anao io, fa nony nahazo zazakely @ zay fa niova beeeeeeeeeeeeeee mihitsy !
14. simplex ( 09/10/2006 18:01)

fa iza no tena tsy poins @ le zaza ?

ny ambiny:
L'homme= ny lehilahy
La femme= ny vehivavy

:-*:-*
15. xxx ( 09/10/2006 18:05)
Zany aloha dia tsapako ary efa nisy zaza efa nomaniko mihitsy any ka asa indray raha hampiverina ny fiainanay .Efa noresahiko izany hevitro izany izy saingy lasa olana nony tena raikitra satria ny tiany dia ny zana-kavany saingy ilay havany no manao mivoaka miditra amin'ny fifanarahana .
Dia nitadiavako zaza hafa ankoatra ny ao @ fianakaviana zao ,ka mety amin'ny herinandro io no ho tonga ilay zaza .
Miasa mihitsy ny cocoko izao fa raha toa ka tsy tiany ilay zaza dia tsy maintsy hitady trano za hofaina hiaranay mianaka satria izaho no miantoka azy .
En fin aloha dia miezaka mampilamina ny saiko sisa aho mba tsy hampisy elanelana loatra eo @nay mivady .
16. bilakarenjy ( 09/10/2006 18:20)
Ny fandehan'ny fandinihana natao ny dokotera dia milaza fa tokony hahazo zaza izahay saingy ny tsapako dia tsy matanjaka ny tsirinaina avy amiko raha ny fandinihako azy kidaladala satria tokony ho tafiditra any @ tsirinainany ny ahy .Dia nilaza t@ dokotera za hoe :sao dia za no tokony atao traitement ,dia novaliany tsotra hoe :ny vadinao ihany no atao ka .
Efa in-4 nanao fahazoana zaza @ fomba siantifika izahay fa ny roa no nahatonga 4 andro dia lasa ary roa tsy nisy vanona .Ankoatran'izay efa nisy fa tsy nipetraka foana .Indraindray mila hidiran'ny fakam-panahy mihitsy za @ fitadiavana sy fananana zanaka .
17. bilakarenjy ( 09/10/2006 18:25)
misy namana mba nitady hevitra izay tato an-trano dia dia niresadresaka momba io zaza tsy ananana io dia nasaiko nitsofoka tato amin'ity resaka ity ka nindrana ny pseudo-ko dia io tafiditra io fa lasa nafana fo be lery mitantara ny cas-ny .Samy mifanoro eto izahay mitsamy fa aleo hoy za :maka hevitra ao serasera kely aloha .
18. simplex ( 09/10/2006 18:31)

mazava angamba fa ra mbola tian'la izy ary te hitandro ny fanambadianareo ela, d esory any an-tsaina le hoe ande any anelakelan-trano e pas bien, pas bien du tt. Tsisy maharatsy an'le manangana, raiso tony ny zanaka nateraka satria iny no anao...

mila mifandefitra an. Refa diso d ekeo tsotra izao, samy mety diso doly. Refa izy no diso, d mba teneno izy ary aza matahotra zany. D mba somary dominant kely refa miresaka ;-) tsy haiko hoe ahoana ny fomba fanaovana an'izay. Resaka hevitra no ampediana eo fa tsy oe mikasi-tanana akory an. Averina indray aza matahotra azy, tokony mifanintsy fa satria tokatrano iraisana. Tsara kokoa ra manao fandinihana kely ela oe in no tena mahatonga an'la matahotra azy na ze olana mety misy eo @ fomba fifampiresahanareo... matetika ny fandresen-dahatra ny vevavy somary dokafana foana, arahina @ ze teneniny ihany no itenenana azy.

izay fa mahereza e :-*

:-*:-*

19. xxx ( 09/10/2006 18:43)
tena d'accord @ hevitrao aho ry simplex .Izay no mahatonga ahy hiteny hoe :aiza @ ilay hoe :tia ary ity izaho ity sa ahoana ?,satria tsy mba toetrako mihitsy izany hoe :dominen-ny vehivavy izany .
20. simplex ( 09/10/2006 19:00)
:D:D:D:D
fa nga ra tia d manaiky dominer-ny :°).
Tsy hoe "dominer" fahatany nge le izy fa mba hoe refa manana ny marina d sahia miteny, ary tokony mba hoe "sur de soi" zany e.

Avereno kotiana ndray izy ra zay ndray no blem :-D:-D

:-*:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1479