mihaino ny vavaka rehetra ve Andriamanitra???

1. isaka ( 05/10/2006 09:07)
Ny vavaky ny olo-marina ihany no henoin’i Jehovah. Tsy maintsy miezaka mafy hiaina mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra ianao, raha tianao hohenoiny ny vavaka ataonao. (Ohabolana 15:29; 28:9) Tsy maintsy manetry tena ianao rehefa mivavaka. (Lioka 18:9-14) Mila manao ezaka mifanaraka amin’izay angatahinao amin’ny vavaka ianao. Hoporofoinao amin’izany fa manam-pinoana ianao ary tena zava-dehibe aminao tokoa izay lazainao. Amin’izay ihany i Jehovah vao hamaly ny vavaka ataonao.—Hebreo 11:6.
novalian'i prime ny 17/10/2006 10:54
2. isaka ( 05/10/2006 09:08)
Anisan’ny fanompoantsika an’Andriamanitra ny vavaka. I Jehovah Andriamanitra irery ihany àry no tokony hivavahantsika. Fony teto an-tany i Jesosy, dia tsy nivavaka tamin’iza na iza mihitsy, afa-tsy tamin-dRainy ihany. Izany koa no tokony hataontsika. (Matio 4:10; 6:9) Tokony ho amin’ny anaran’i Jesosy anefa, no anaovantsika ny vavaka rehetra. Mampiseho izany fa hajaintsika ny toeran’i Jesosy, ary inoantsika ny sorom-panavotany.—Jaona 14:6; 1 Jaona 2:1, 2.
3. Ilo ( 05/10/2006 09:18)
1-Izay efa manana firaisana amin'Andriamanitra no afaka miresaka aminy amin'ny alalan'ny vavaka: Jesosy kristy no lalana mampifandray antsika amin'Andriamanitra
2-Andriamanitra dia mihaino vavaka fa ny valiny mety ho:eny, mety ho tsia, mety ho andraso.
"Fa Izaho manana ny hevitra heverako anareo, dia hevitra hitondra fiadanana fa tsy loza"
"Ny zavatra rehetra dia mira-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra"
3-Ny vavaka tsy hoe fangatahana fotsiny: jereo ny modely:ny vavaka nampianarin'ny Tompo: ny ampahany voalohany dia fiderana an'Andriamanitra, izay vao fangatahana ary faranany amin'ny fiderana, fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra.
4. isrine ( 05/10/2006 10:23)
Ie azo lazaina fa mihaino vavaka Atra, ary mamaly izay tadiavin'ny tsi-1-1.
Ohatra hoe ireny kamikazy ireny, mivavaka izy ireny alohan'ny anaovany ilay acte, ary ireny ny valim-bavaka: be ny maty, zany hoe " nankatoavin'Atra ny vavaka nangatahiny".
5. Ilo ( 05/10/2006 11:05)
Arakarak'ilay andriamanitra ivavahana koa io, ary tsy misy afa-tsy roa izany, na ilay Andriamanitra velona nahary izao rehetra izao, na i Satana, ilay mpanakorontana sy mba nomen'Andriamanitra fahefana kely hanjaka eto mandrapahatongany.

Sady na ny mpino koa aza rehefa mangataka ka efa lavin'Andriamanitra nefa mbola mikiry mangataka ihany dia mety homeny ihany fa miaraka @ conséquence-ny eo.
6. zah ( 05/10/2006 15:08)
Isaka ve aloha tsy Témoin de Jéhovah e! Vao mamaky azy zah de hiako taratra avy hatrany.
7. Achia ( 05/10/2006 19:36)
ye ATRA de mihaino vavaka tokoa ary ny vavaky ny ol rehetra dia tonga any avoko , saingy misy @ vavaka no lasa setroka ohatra : jero nge ty Isaia ty e . Isaia 56 : 1/5 e !
8. dailynews ( 05/10/2006 22:10)
tsia, tsy mihaino ny vavaka rehetra Atra. mila en regle aminy mihitsy aloha vao mivavaka, fa raha mbola misy ilay efitra mampisaraka izany hoe ny fahotana dia e e e, araka io voalaza eo ambany io...tsy mihaino fotsiny izao Izy.

" Indro ny tanan i Jehovah tsy fohy fa mahavonjy ary ny sofiny tsy lalondalovana fa mahare; fa ny fahotanareo no efitra mampisaraka aminareo amin'Atra ka dia tsy mihaino Izy"

io aloha dia hifonako fa haiko indray hoe aiza..na ohabolana, na salamo angamba..raha misy mahafantatra dia lazao eto.
9. isaka ( 06/10/2006 04:37)
araka ireto andininy hita ao @ Baiboly ireto koa dia hita fa misy vavaka tsy henoin'Andriamanitra Matio 6:5 Ary raha mivavaka hianao, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin'ny synagoga sy eo an-joron-dàlana hahitan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.Ity koa misy iray;Lioka18:9 Ary Jesosy nanao ity fanoharana ity tamin'ny sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa:

10 Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan'ny tempoly hivavaka: ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra.

11 Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.

12 Mifady indroa isan-kerinandro aho, mandoa ny fahafolon-karena amin'izay azoko rehetra aho.

13 Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.

14 Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra

10. prime ( 06/10/2006 12:35)
isaka:
Ny vavaky ny olo-marina ihany no henoin’i Jehovah. Tsy maintsy miezaka mafy hiaina mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra ianao, raha tianao hohenoiny ny vavaka ataonao. (Ohabolana 15:29; 28:9) Tsy maintsy manetry tena ianao rehefa mivavaka. (Lioka 18:9-14) Mila manao ezaka mifanaraka amin’izay angatahinao amin’ny vavaka ianao. Hoporofoinao amin’izany fa manam-pinoana ianao ary tena zava-dehibe aminao tokoa izay lazainao. Amin’izay ihany i Jehovah vao hamaly ny vavaka ataonao.—Hebreo 11:6.

... raha mamaky io aho d hitako hoe araka ny "fahamarinan'ny" olona, sy ny ezaka ataony, sy amin'ny fanaporofoana araka ny fahaizan'ny tena v izany no hamalian'Andriamanitra ny vavaka atao?
11. Ilo ( 06/10/2006 15:16)
Sal 53
2 Eny an-danitra Andriamanitra miondrika mijery ny zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an'Andriamanitra.
3 Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.

Dia tsy misy henoin'Andriamanitra ve izany ny vavaka ataontsika?
12. Ilo ( 06/10/2006 15:19)
Sal 51
15 Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako.

16 Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly Anao.

17 Ny fanatitra ho an'Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.
13. Achia ( 07/10/2006 06:22)
ka atolory ary ny tenanao ho fanatitra velona masina sitrak'ATRA
14. Fiffi ( 07/10/2006 06:53)
misy @ nareo eto milaza fa ny vavakin'ny olona marina hiany no henon'Andriamanitra ! de hoy aho hoe "TSIA" ! tsy marina velively io satria nahoana ?

Satria ohatra hoe misy olona tena nanao ratsy , mpangalatra , mpamono olona sns....donc olona tsy marina zany io olona io ! saingy tonga saina izy ka mba te-hangataka famelan-keloka avy @ Andriamanitra ka mba mivavaka .......de ahoana ? tsy henon'Andriamanitra ve io vavaka nataony io ?
15. isrine ( 07/10/2006 16:37)
Mihaino vavaka Atra fa manana faharetana.
Fa Atra fotsiny tsy mijery hoe inona no ventim-bavaka ataon'ny tsirairay.
Tsy misy hafa ohatry ny mpandainga e, misy tena mivaavka mihitsy anie e, hoe: enga anie ka tsy ho fantatry ny olona ny lainga ataoko. De raha tsy tratran'ny olona tokoa de manao izao ilay mpandainga hoe: nohenoin'Atra ny vavako....
Miandrandra ny lanitra eo e... Fa ho avy hidina i Jesosy in-1 andro, @ fotoana tsy ampoizina...
ha ha ha...
16. soleil ( 09/10/2006 10:43)
eny mihaino ny vavaka rehetra Andriamanitra eny na ny mpanota ary satria "tsy tonga ho an'ny olona maro Izy fa ho an'ny mpanota " ary valim-bavaka daholo zay mety ho miseho eo amin'ny fiainanao satria tsy voatery ho mahazo eny ny valinm-bavakao , na tsia ary de mihaino vavaka IZY ary anjarantsika ny mamantatra ny lalana aleha sy ny sitrapon'Andriamanitra

mila finoana sy faharetana ny fiarahana sy ny fahazahoam-bavaka fa tsy eo noho eo daholo akory ary mety hisy tsy hisy valiny mihitsy ary

17. Ilo ( 09/10/2006 11:15)
Tsy hoe ny vavaky ny marina no hainon'Andriamanitra, isika rehetra mpanota avokoa tsy misy marina na dia iray akory aza, fa Andriamanitra be fitiavana sy mamela ny helotsika:
I Jaona 1:8-10
8 Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.

9 Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.

10 Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary ny teniny tsy ato anatintsika.
18. prime ( 09/10/2006 13:32)
^:^=D ho an'Andriamanitra noho i Ilo...
Ny vavaka tena avy any amin'ny fo, tarihan'ny Fanahy masina no hainoan'Andriamanitra... na fibebahana izany, na fifonana, na fangatahana, na fisaorana, na fideràna, na fanolorana, na fiaiken-keloka...
19. cristal ( 09/10/2006 14:03)
(l)(l)(l)Ampiako kely hoe ny vavaka marina dia izay vavaky ny olona efa nandinintena ka nibebaka,noho izany dia madio ny fony ka hiaino azy Andriamanitra satria ny OTA ihany no mampisaraka antsika amin'Andriamanitra,ny vavaka mahintsy ihany koa dia hinoan'Andriamanitra;ny fivavahana manamarin-tena kosa dia tsy mba henoiny!Ny olona rehetra dia afaka miresaka amin'Andriamanitra mivantana dia ny VAVAKA izany;mahereza ary mivavaka,ay saika hadinoko fa ny fahotana na dia mbola tsy natao aza dia azo angatahina famelana amin'Andriamanitra,fa tsy ny fahotana lasa sy efa natao ihany!Ny olona mangataka famelan-keloka eo am-pialanaina no tena ankasitrahany!Amen,miala tsiny fa somary nitatra kely an!(l)(l)(l)
20. isrine ( 10/10/2006 05:52)
De raha toa ka mihaino ny vavaky ny reehtra Atra, zany hoe na ny olona mandainga de ankatoaviny ny vavaka, de nahoana no asiana ny didy folon'Atra hoe aza manao izao sy izao... Zany hoe tin'Atra zany ireny rehetra ireny fa ny zanak'olombelona no nanao ny didy. Zany hoe ny olombelomna no mifampitsara fa tsy Atra, ary eo no mahavelompanontaniana hoe : MISY TOKOA VE ATRA?
Cristal: tsy any @ ilay fibebahana no andehanan'ny resaka fa hoe: mihaino vavaka ve Atra? NAhoana raha toa ka Atra izy mahalala fa ratsy ny ataon'ilay olona, nahoana no ankatoaviny ny vavaka?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2207