mihaino ny vavaka rehetra ve Andriamanitra???

21. prime ( 12/10/2006 11:09)
"Subtile" b ny fanamarihan'i isrine ary aoka isika handinika tsara vao mamaly... ny saiky hotsipihiko fotsiny dia hoe ny vavaka rehetra koa nefa tsy voatery Andriamanitra no mamaly izany fa na ny devoly koa aza dia mahay mamaly vavaka... ny fanontanian'i isrine tsy miantefa loatra @ kristiana ihany fa ho an'izay miantso an'Andriamanitra rehetra...
Isika nefa mahalala fa na ny mpamadika sy ny mpankeny @ doany koa aza miantso an'Andriamanitra...
22. Fiffi ( 13/10/2006 18:16)
marina izany an! satria tsy tery lalana ny devoly!
23. Ilo ( 16/10/2006 14:30)
Andriamanitra mahafantatra ny ao am-po tsy miloaka! Ary manam-pahendrena tsy takatry ny saintsika heverina.
24. Zina ( 16/10/2006 20:52)
tsy voatery Andriamanitra no mamaly izany fa na ny devoly koa aza dia mahay mamaly vavaka...

ie raha enony lazainao eo am-bava..
fa raha any an-tsainao tsy fantan'ny Devoly mihitsy nefa kosa izy mahay mivinany...

Andriamanitra mahafantatra ny ao am-po tsy miloaka! Ary manam-pahendrena tsy takatry ny saintsika heverina.

marina io, fa raha tianareo ho hisy valiny koa ny vavaka dia asiana any @ farana oe: amin;ny anaran'i Jesosy,
satria izy no pisolo vava antsika eo anatrahan'Andriamanitra.
25. prime ( 17/10/2006 10:54)
Zina> marina ny lazainao... ny vavaka dia tokony hatao @ anaran'i Jesosy, raha mpino an'i Kristy ilay olona... fa ny fanamarihana nataoko dia mitarika fandinihina manokana araka ny fanamarihan'i isrine, satria hita taratra fa ny tian'i isrine isintonana ny saintsika mpino dia ireo nataon'ireo mpino silamo ohatra nivavaka handrava ny tsy mpino (les infidèles=chrétiens @ ankapobeny) sy ny asa fampihorohoroana ataony nefa valian'andriamanitra hoy izy... :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.054