lany andro

1. kajah ( 04/10/2006 18:35)
Tantara ry zareo no raketi'ny baiboly,nefa kosa hoy aho miendrika faminaniana avokoa izy ireo na dia izany aza, satria ny baiboly dia fiainana ary iainana .Ny vani-potoana no miova fa ny tantara mihodina eo foana
novalian'i prime ny 30/10/2006 08:19
2. Achia ( 04/10/2006 19:20)
:-D:-D
3. Fiffi ( 04/10/2006 19:27)
tantara hihainana ary tsy tsy misy fetrany fa mandrakizay !
4. caprio ( 04/10/2006 22:57)
Ny baiboly dia boky tsy mety lany andro satria rehefa tena mamaky baiboly enao ka mandinika tsara fa tsy ilay mamaky fahatany fotsiny ireny dia tena tsapanao fa tena hafa nohon,i boky rehetra ny baiboly.
Inty misy tantara kely iray:Indray andro hono raha nandeha tany anaty ala ity mpizahan-tany iray dia nifanena tamin,ny olon-dia iray izay mitana boky iray eny an-tanany,ary nanontany azy io ilay mpizahan-tany we boky inona iny an-tananao iny?dia namaly ilay olon-dia we baiboly ity ka!dia nihomehy hono ilay mpizahantany sady niteny we:tena olon-dia marina hianao sady tsy mahalala na inona na inona fa iny boky vakianao iny anie sady efa tranainy be no efa lany andro ka tsy misy tokony amakianao an,iny fintsony e.Dia namaly hono ilay olon-dia we andao fa misy zavatra kely atoroko anao atsy,dia lasa hono izy ireo ka indro fa zava-doza no natoron,ity olon-dia ity ilay mpizahan-tany fa taola-paty betsaka tao anaty lavaka,ary teo vao toran-kovitra ity mpizahan-tany no sady nanontany we fa ahoana daholo ireo?dia namaly ity olon-dia we raha tsy ity boky lazainao fa lany andro sy tsy tokony ho vakiana ity intsony dia efa anisanireo taolam-paty ireo koa hianao.
5. dailynews ( 04/10/2006 23:15)
ny baibloly dia lany andro ho an ny olona tsy mahita ny herin 'Atra amin ny fiainany, fa tsoriko aminao fa ilay Atra nanoratra na nampanoratra io baiboly io dia Atra velona ary Atra tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. ary ny hery izay nampiasainy aman'arivo ny taona lasa izay dia mbola afaka ataony androany.
raha ny hoe resaka tantara ao indray kosa no lazaina dia io ary no boky tena ara potoana indrindra.
raha bangoina amin ny teny tokana dia ny tantaran'i israely no azo atao hoe famataranadron izao tontolo izao. ...
ny fiverenan i israley ho firenena indray 58 taona lasa izay dia hahitana mazava fa marina ny faminaniana izay voalaza tao....fa hiverina amin ny taniny israely rehefa avy niparitaka tany amin izao tontolo izao nadritra ny anjato taonany maro ary rehefa tonga izany fotoana izany dia efa akaiky ny farany..
..reraka ny masoko fa ny tiako lazaina fotsiny dia tsy lany andro izany ny baiboly, izaho manokana kajah dia tahaka ny fahitako ity pc ampiasaiko ity ny fahitako an Atra miasa eo amin ny fiainako amin ny antsipirihany...
6. papala ( 05/10/2006 06:48)
tsy misy baiboly lany andro zany an ! fa matetika ny olona mamaky azy no lany andro:twisted:, satria tsy takatry ny sainy ny tian'ilay baiboly lazaina ! d avy eo raisiny ara-keviny daholo!!!!zany no mahatonga an'ireny secte bdb reny !8O8O8O.
7. jentilisa ( 05/10/2006 07:40)
Ary mahafinaritra mihitsy ny famoahan-kevitra tao ho ao izay an!
8. Ilo ( 05/10/2006 08:05)
Ny miaina araka ny baiboly ihany no tena fiainana, tsy mety lany andro, maharitra mandrakizay. Manana fanantenana @ fiainana mandrakizay
fa tsy miaina fotsiny amin'ity fiainana eto an-tany misy farany ity sady feno faharatsiana.
Asakasak'ireo izay tsy hino azy fa dia efa ny afobe sy ny devoly no miandry azy
:twisted::twisted:
9. isrine ( 05/10/2006 10:29)
Izay mivavaka sy manaraka ny tenin'ny baiboly zany de tsy ho any @ afobe mihitsy? Sarotra inoana ny @ izany.
Rehefa maty ny vatanao, de inona koa no zavatra antenainao @ izay ho avy tsy hita maso any?
Aza de diso manara-bakiteny fa izay no tena mahavery ny olona lazaina fa mpivavaka.
10. Ilo ( 05/10/2006 10:57)
Ka ianao tsy miaina izany dia tsy fantatrao hoe ohatran'ny ahoana izany fiainana miaraka amin'Andriamanitra izany.
ary tsy niteny aho hoe izay mivavaka sy manaraka ny tenin'ny baiboly dia tsy ho any amin'ny afobe, izay mino an'i Jesosy Kristy no manana ny fiainana mandrakizay.
Ary rehefa maty ny vatana dia mankaiza ny fanahinao? sa tsy manam-panahy ianao fa rehefa vita ny eto dia izay no farany?
Ny eto anie vetivety ihany e! raha ela indrindra dia eo @ 100 ans, ary ilay mandrakizay? mankaiza?
11. prime ( 06/10/2006 13:02)
:wink:
12. flinde ( 06/10/2006 14:00)
Ny tenin'Atra na ny baiboly dia fototr'iray iorenan'ny finoana. Mila vakiana ny baiboly ary vakiana tsy hoatran'ny mamaky roman, fa mila mangataka ny fanahy masina hanazava izay tian'ny ambara. Mila mivavaka aloha alohan'ny hamakiana azy. Ao anatin'io baiboly io dia mampanatena ny olona Atra, fa mbola misy ny fiainana ao aoriana'izao fiainana izao.Fahafatesana ny nofo dia fahafatesana voalohany fa mbola hisy ny fahafatesana faharoa dia ny fahafatesana fanahy (any amin'ny farihy mirehatra afo)ho an'izay tsy mino sy tsy manao ny sitrapon'Atra.
Hoy ny soratra masina hoe " Raha ety amin'izao fiainan'izao ihany no anatenanao an'i kristy dia mahantra indrindra ianao"
Fehiny = tsy lany andro ny baiboly
13. prime ( 06/10/2006 14:27)
papala> tandremo ihany fa il y a "secte" et "secte"...
Tsy izay tondroina hoe secte akory dia ratsy daholo fa na i Jesosy sy Jaona mpanao batisa aza dia nantsoina hoe "nazareana"... ny nazareana anefa dia anisan'ireo secte t@ izany fotoana izany...
14. Zina ( 06/10/2006 16:52)
satria tsy takatry ny sainy ny tian'ilay baiboly lazaina ! d avy eo raisiny ara-keviny daholo!!!!zany no mahatonga an'ireny secte bdb reny !.

misy marina io teny io kanefa Andriamanitra dia fitiavana ary betsaka ny olona manaraka secte tena am-po mihitsy mbola tsy tena mahalala ny marina dia tian-Andriamanitra foana.
15. soanja ( 07/10/2006 06:03)
kajah:

Tantara ry zareo no raketi'ny baiboly,nefa kosa hoy aho miendrika faminaniana avokoa izy ireo na dia izany aza, satria ny baiboly dia fiainana ary iainana .Ny vani-potoana no miova fa ny tantara mihodina eo foana


Amiko ny baiboly dia boky manana ny mahaizy azy tokoa. Tena tantara izy ary nanana ny vanim-potoanany avy ao anatiny. Teny faminaniana ary mitondra fanantenana ny ho avintsika koa izy dia samy manantena izany daholo saingy ny zavadehibe amiko dia ny filazana an'Andriamanitra velona ao anatintsika rah tiantsika ny ho zanak'Andriamanitra. Ahoana ny fomba hitondrako an'io amin'ny fiainako? inona ny atao hoe zanak'Andriamanitra sns Inona no takian'i Kristy amiko tsy maintsy ataoko mba ho tanteraka io. Mety ao anatin'i Baiboly ny lalana momba an'io ary ny sasany kosa dia fandanjalanjana avy amin'ny saiko, mila miasa sy mikaroka ny momba an'izany fa tsy hijanona eo fotsiny. Fa tsy arahina bontolo be fahatany ny baiboly.


16. Achia ( 07/10/2006 06:19)
Zina:

satria tsy takatry ny sainy ny tian'ilay baiboly lazaina ! d avy eo raisiny ara-keviny daholo!!!!zany no mahatonga an'ireny secte bdb reny !.

misy marina io teny io kanefa Andriamanitra dia fitiavana ary betsaka ny olona manaraka secte tena am-po mihitsy mbola tsy tena mahalala ny marina dia tian-Andriamanitra foana.


Betsaka koa ny ol izay miny mikipy tsy te ahalala izay voalaza ny tenin'ATRA de rehefa avoakan'ny secte ny teny dia dia lazaina fa eritreny ihany zany na hoe tsy mahafe ny baiboly ilay ol
17. isrine ( 07/10/2006 16:50)
Ilo: ka efa nisy nilaza ary ve hono hoe mankaiza ny fanahy rehefa maty ny olona iray?
Flinde: hafiriana aorian'ny fahafatesan'ny nofo hono ny fahafatesan'ny fahahy?
Zany hoe mety maty ihany zany ny fanahy fa tsy hoe ny vatana ihany no maty. Ka inona no tena marina ry mpino isany o?
18. prime ( 09/10/2006 11:32)
Ny famakiana baiboly mitaky finoana sy vavaka... raha tsy izany dia tsy tsara ny miresaka azy...
19. Ilo ( 09/10/2006 11:36)
Isrine:vakio ny tantaran'i Lazarosy sy ilay mpanankarena ohatra
20. prime ( 09/10/2006 13:38)
Ilo> ka i isrine anie efa miteny hoe tsy mino izay baiboly izy ka no mbola baiboly ihany no asainao vakiany?:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4051