mba ampianaro!!

1. Aino ( 04/10/2006 10:46)
mba tiako ny mamorona tonokalo indraindray na dia tsy mahay mamorona aza aho, ka mba ampianaro na homeo hevitra momba ny tonokalo @ anarana aho aza fady, hoatra izao hoe!!

FANJA
Bold Fanomezana feno avy ao ampo
Ande ho diavitsika roa
Na ho mamy na mangidy, tsy hatao ahankivy
Jejo jero mpitia sy faly miaradia
Anjarako ianao anjaranao aho ka tsy hifandaotext


hoatra fotsony io ah!! tsy voatery ho resampitia. fa tahaka ny mafinaritra ahy manko ilay izy!!
novalian'i Aino ny 26/10/2006 09:07
2. voromailala ( 04/10/2006 12:47)
izay tsy hoe mahay tononkalo be, fa efa nanao tononkalo dia zaraiko aminao hoe ahoana ny fanaoko.

Eo ilay hoe mampiady rima fa indrindra ilay sarin-teny entin'ilay tononkalo no tena karohiko.

Ohatra:

Any aminao anie ny fanalahy
Ny varavarampitiavana
Tsy hasiana tery na koa didy
Omeo re hihavanana

raisina ohatra hoe misy varavarana izany ny fitiavana
dia mila lakile ahamoahana azy.

Izaho koa indraindray milaza zavatra sarotra hatao mba tsy hitenena hoe tsy afaka hatao mihintsy.
Ohatra ilay hira hoe alaiko iny volana iny hataonao kilalao,sns

Raha mibanjina iny lanitra iny aho
Dia lasa fisainana lava any aminao
Raha mba azoko hatao mantsy ny manoratra eny
Hamoahako ilay ato ampoko tsy voateny.....

izaho tamin'ny vao nanomboka dia mangalatahaka an'ireny poety malagasy malaza ireny,toy Rado,sns.....

Farany, resaka aingampanahy, io no tena fototry ny tononkalo, matetika rehefa feno emotion iny ianao no manana aingampahy ambony indrindra.

izay aloha no azo nozaraina , ireto misy resaka momba ny tononkalo nosoratrako raha hijery ianao.




3. ninih ( 04/10/2006 13:46)
nahafinaritra kosa ko! =D
4. Fiffi ( 04/10/2006 15:18)
zah aloha mba nanao tononkalo hiany saingy tsy de aiko ny mampianatra satria toa ohatran'ny tona ho azy le haigam-panahy de lasa !
5. raygasy ( 04/10/2006 17:26)
Tsy mahay fa mafinaritra mahita ireo efa mahay e!
6. ninih ( 05/10/2006 07:22)
mahafinaritra marina ny mamaky ny telntan'ireo izay mahay an! fa misy ve ny fianarana izany?
7. mandrindra ( 05/10/2006 08:35)
izaho aloha dia tsy mahay manoratra tononkalo. fa ny mandefa rediredy sy mampiady rima no vitako tsindraindray
8. ANARIM ( 05/10/2006 10:37)
voromailala:

Farany, resaka aingampanahy, io no tena fototry ny tononkalo, matetika rehefa feno emotion iny ianao no manana aingampahy ambony indrindra.


zà Aino tena tsy mbola eo @ le afaka mampianatra sy manoro fa refa tena miainga iny marina kosa nefa d mahavita manoratsoratra eny,
sombiny : http://serasera.org/vetso/index.php?rub=vetso/vetso&pid=4090c6d7de2ef

misy ny fampianarana mikabary etsy sy eroa fa asa ny fanoratana tononkalo raha misy, ny fampianarana manoratra tantara koa zao azo heverina ihany oe mety misy

9. naritsimba ( 05/10/2006 12:31)
Aino> izaho tsy mahay mampianatra manoratra tononkalo.
10. naritsimba ( 05/10/2006 12:38)
Aino> tsy mahay mapianatra e
11. fiderana ( 17/10/2006 11:31)
AINO..!


Anjara toetranao no be indrafo,
Indrindra ny hoe: tsiky dia ampy,
Na inona ahazo na inona hanjo,
Onjan'ny molotrao tsiky mpiantsy....!
12. Aino ( 26/10/2006 09:07)
Mpandefa : fiderana [ Valio ] 17-10-2006 13:31:06
Lohateny : Re : mba ampianaro!!
AINO..!


Anjara toetranao no be indrafo,
Indrindra ny hoe: tsiky dia ampy,
Na inona ahazo na inona hanjo,
Onjan'ny molotrao tsiky mpiantsy....!

oi mitraotra!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3103