Ozona
1. soanja
(
04/10/2006 09:00)
Mba tiako ho fantatra ny hevitrareo momba ity resaka Ozona ity. Misy an'zao mantsy hitako sady nahagaga ahy.
Nisy an'izay fianakaviana izay hoa tena niroborobo be mihitsy tamin'ny resaka harena sns ary niteraka be dia be izy mivady. Nifandray be tamin'ireo fianakaviana ireo aho. Indray mandeha izay dia nisy niteny amiko hoe "tandremo Soanja sao varimbariana amin'io fianakaviana io ka hoe hanambady ny iray amin'ireo zanany ireo na tahak'izay fa sahirana eo an. Tsy izany mantsy fa voaozona io fianakaviana io." Tena gaga be moa aho tamin'zay dia tsy nahita holazaina firy.
Taty aoriana tokoa dia maty nifanesy ny iray trano sy ny fianakaviana ary tena mampalahelo ahy mihitsy fa dia lasa nahantra be ilay fianakaviana sady tsy zarizary ny fiainana'ny velona raha resaka tokatrano sns. Zany hoe raha olona 15 ny tao an-trano dia maty tao anatin'ny 10 taona ny 10 tamin'izay ary ny ambiny mijaly be mihitsy.
Inona no mety hahatonga ny fanozonana azafady raha misy mahalala ary ahoana ny mampandaitra an'io tokoa sa ve mba fiainana nifanojo tamin'ny tsy nety rehetra. Misaotra mialoha.

novalian'i raryjaz ny 20/11/2006 14:01
2. soanja
(
04/10/2006 09:02)
Marihako fa samihafa daholo ny nahafaty ireo olona rehetra ireo ary 60% accidents daholo tamin'ny tsy nampoizina.
3. naritsimba
(
04/10/2006 09:14)
voalaza ao anatin'ny Baiboly ny ozona ry soanja ary matetika dia olona nanisy ratsy ny havany na ny manodidina azy no tratran'io.
Asa na efa henonao ny tantaran'izany Rabahaofotsy izany tany Fianarantsoa, ary sao dia taranany ireo voalazanao ireo?

4. soanja
(
04/10/2006 09:44)
Tsy fantatro aloha io fianakaviana resahinao io fa avy any Fianranatsoa ny tantarako. Ao fa jereko izay resaka ozona izay ao anaty baiboly.
5. elience
(
04/10/2006 11:51)
salut!sendra mba namaky ny fanontanianao aho de mba mamaly kely!ny ozona matetika de vokatry ny fialana t@ Andriamanitra ka nahatonga ny devoly hanana fahefana @olona iray na fianakaviana iray!na koa avy @ fankanesana any @ireny dadarabe ireny zay manome harena amboalohany!kanefa de alainy tsikelikely lay izy avy eo ary manaraka hatra@ aina mihintsy aza!
zany hoe misy ireo olona tsy te_hisasatra fa te hanankarena tampoka ka de mandeha maka fanafody any @ireny dadarabe ireny !ny tsy fantany anefa de misy contrat atao @devoly ao ambadika ao!ka na hoela na ho haingana de tsy maintsy hoavy izy haka zay nomeny !ary zay zavatra zay no maha_voaozona ny olona zay manao izany!
ny fanafodiny de ny mivavaka tsara aminAndriamanitra ary tsy mandehandeha any @ireny mba hangataka zaza na vola na harena!

6. booboo
(
04/10/2006 12:17)
Ny mahatonga ny fanozonana dia matetika noho ny raha ratsy natao'ny hafa t@ tena na t@ fianakaviana ohatra.
Zà klou efa nanozona e, fa tsy ozona ho faty kosa klou na izany aza. Dia tsy fantatro raha noho ny raha notenenin'ny vavako na suite logique-n'ny nataon'ireo olona ireo no mahatonga ny fiainany ho euh...araka ilay noteneniko t@ zany fotoana zany :oops: @ zao...
Na izany na tsy zany, zà mino fa manana hery ny teny e ! A:tra ara niteny fotsiny dia nisy aby ny noteneniny dônky....! Fa zà zao efa miezaka tsy manozona tsony kah :°):°)...mitsodrano sy teny mahavelona no ianarako tenenina zao fa sarotra beee klé .......

7. adidy
(
04/10/2006 12:31)
Zà dia mitovitovy toetra @ booboo satria aho mino hoe "Atra tsy andrin'ny hafa , andriko ihany", na koa ny fitenenan'ny gasy hoe"ny adala no tsy ambakaina, Atra no atahorana",na hoe "aza ny lohasaha mangina no jerena fa Atra ao an-tampon'ny loha". Raha dinihana izany dia isan'ny finoana raiki-tapisaka maha-gasy ny gasy ny tsiny, tso-drano , ozona. Dia avy eo misy ny fiainana maha-kristianina hoe "ahy ny famaliana hoy Jehovah".
Fa ny hitako fotsiny @ ireo olona ifaneraserana @ izao, izay manao ratsy dia mahagaga fa dia hitako misy fahavoazana mahazo azy! Ny tena hoe tsy manozona azy fa kosa manana alahelo noho ny ratsy nataony!! Sa izay ilay lazain'ny gasy hoe "ananan'ny olona alahelo???":roll:

8. caprio
(
04/10/2006 13:52)
Rehefa io ozona ao anaty baiboly io no mahazo anao dia tsarovy fa tsy afa-maina enao zay fa raha we ozona atao,ny olona dia tsy mandaitra ireny fa finoanoam-poana
9. xxx
(
04/10/2006 14:41)
ary hono hoa ry reto , ra ny vady ao antrano non manozona anao dia mba ahoana ny hevitrareo , miady zany an , dia izy be vava be , dia mitata eo farany manozona
11. dailynews
(
04/10/2006 18:16)
eny, misy tokoa ny ozona ry soanja. andraso fa handefasako kasety miresaka lava be momba io ndry rahampitso fa efa manao eregistrement aho izao. jereo ihany koa ny boky izay navoakan\'i Derek Prince: \"blessing or curse\" sy ilay hoe \" does your tongue need healing?\"
resahiko vetivety be eto mihitsy fa noho ny fotoana dia tsy afaka ny higalabona aho.
ny ozona dia azo avy amin ny fanompoantsampy, fandehanana any amin ny mpanao sikidy, mpanandro mpanontany amin ny maty, magie noire, famosaviana, olona manao azy ho tsindrianjavatra sns....
zavatra halan Atra mihitsy ireo satria hoy izy fahavetavetana eto imasoko jereo Deo 18:10-12.
ny fankanesana any amin\'ireo dia fanokafana varavarana midanadana be ho an\'ny fanahy ratsy izay avelako hilalao ny fiainako sy ny fiainampianakaviako. misy tenin\'Atratra izay milaza ao amin\'ny Deo fa ny fanaovana ireo dia hiteraka ozona amiko ka hatrany amin ny zafindohaliko izany hoe hatrany @ 4 e generation. rehefa tafiditra io fanahy ratsy io dia mino aho fa tsy tonga hanafosafo izy fa tonga hamono sy handringana (jaona 10:10)
ny heloky ny ray tsy heloky ny zanaka..raha toa ka nangalatra na namono olona i dada dia tsy heloko izany fa ny resaka fanompoantsampy sy ireo voalaza eo ambony ireo kosa dia misy fiantraikany hatrany ami ny zafindohalika.
ny fomba hahafantarana ilay ozona azo avy amin\'ireo zavatra eo ambony ireo dia ny tragedie na zavatra hafahafa miverimberina amin ny fiainako na ny fianan ny fianakaviako.
ohatra: aretina hafahafa miverimberina foana, na isaky ny tonga amin ny faha 13 taona ny zaza iray eo amin ny fianakaviana iray ohatra dia maty, na ohatra misy olona adala telo be izao anaty fianakaviana iray, fianakaviana iray tontolo tsy mety tafita mihitsy sns..... miseho amin ny endrika isanakarazany.
ny fiadohan ny ozona manaraka dia ny fanozonana tena na fianakaviana akaiky ahy tsotra fotsiny izao.
Ohabolana 18:21 Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain\'ny lela, Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany
ary ihany koa ho tongava aminao araka izay hinoanao..(tsy mety tadidiko hoe aiza moa no misy io verset io)
io dia mitranga tahaka izao:
ozona amin\'ny tenako: izaho ity koa dia tena tsy ho tafita mihitsy kah..
ozona amin ny zanaka: zaza tsy aninontsianinona mihitsy, zaza tsy misy ilana azy, zaza dondrona sns....dia aza gaga raha miantraika aminy tokoa izany teny izany. mahafaty sy mahavelona ny lela
ozona amin ny vady: ianao ity koa tena lehilahy adala sady tsy mety mahavelombady amanjanaka mihitsy.... sns..dia iny fona no miverimberina
ireny teny rehetra ireny araka ny voalaza dia hahafaty sy hahavelona avokoa, koa raha hiteny zavatra ihany dia aleo teny misy fitahiana sy mahomby no atsodrano ny tena sy ny fianakaviana....
fantaro fa haingana be ilay resaka dia mety tsy tena hazava saingy tsy afaka migalabona eto aho fa mbola misy atao.
mety tsy mampino saingy ny fiantraikany dia tsy azo sakanana.
ny vahaolana noho io resaka io resaka ara panahy dia ny fitondrana azy eo ami ni Jesoa(fanatro fa valy boraingina be izany fa tena tsy afaka ny higalabona eto hoa zah)
manomboka izao fotsiny ihany koa dia ny fitenenana zavatra mahomby amin ny tenako sy ny fianakaviako. izay teny rehetra efa nalefa dia hifonana sy soloina zavatra mahomby mifanohitra amin ilay nalefa sns....

12. soanja
(
05/10/2006 00:06)
Misaotra betsaka antsika rehetra fa tena mazava tsara daholo. Rha mbola misy moa any dia lazao ihany. Mitombina mihitsy alo le hoe nanao zava-dratsy na hoe nanao izay nampanankarena amin'ny alalan'ny sampy na ody sns ary ny hetraketraka satria tena hitako tokoa izany nataon'ireto olona ireto.
13. mananasy
(
06/10/2006 15:47)
Koa tsy dia efa voaozona daholo ve ny olona rehetra raha ny filazanareo azy. ny hevitro dia ny hoe, ny ataonao no mivaly aminao. Aiz no hanekeko hoe ny nataon'ny RAD-ko hivaly amiko , na izay ataoko hivaly @ zanako. Aleo responsable amin'zay zavatra ataony e. Ary ny zavatra tsy tonga ho azy fa misy dikany daholo ny zava-drehetra, ny determinisma no manazava izany. Ny finoanom-poana no hahafaty antsika amin'ny farany raha ho heverina daholo ny zava-drehetra
manaova ny tsara dia zay no izy.
manaova ny tsara dia zay no izy.
14. soanja
(
07/10/2006 05:54)
Ny tian'ny mananasy resahina izany dia hoe tsy misy ny ozona fa isika Malagasy na isika eto no minomino foana?
15. dailynews
(
07/10/2006 14:06)
raha tian'i mananasy ny hahafantatra betsaka kokoa dia afaka ny mandefa kasety momba io any aminao ihany koa aho saingy omeo ahy any amin'ny hafatra ny adiresinao manokana. araka ny nolazaiko dia maika be ireo valinteny ireo koa raha te hahalala bebe kokoa ianao dia handefasako izany. ary raha any makara ianao dia holazaiko kosa anefa ny toerana hividianano izany kasety izany satria eny antoerana ianao.
raha toerana miteny anglisy anefa no toerana hipetrahanao dia tiako ihany koa ianao hamaky ireo boky voalazako etsy ambony ireo.

16. xxx
(
10/10/2006 05:32)
Izaho ry reto efa nanozona fa nisy zavatra nataon'olona ahy tsy zakako mihitsy, telo volana naninjitra aho nitomany foana andro sy alina nanaovany farateny sy ny sisa:cry:. Ny lalina koa dia izaho nieritreritra foana hoe izaho no diso fa tsy izy :oops:!Nitaraina tamin'ny namako sy ny toy izany aho fa dia inona moa no azony natao. Farany dia niteny aho hoe raha izaho no diso Andriamanitra dia aleo hihantra amiko izay hihantra fa raha izaho no diso dia enga anie ianao ho voan'ny accident, hotafatsofoka ao ambany camion ianao sy iny fiaranao iny dia ho henonao tsara izany hoe mijaly sy matahotra ny ho faty izany :-P:-P! Enim-bolana tao aorianan'io voan'ny accident izy sy ny namany, samy nitondra fiara roa, ilay iray teo aloha tsy naninona fa izy tafatsofoka tao ambany camion izay, nikaperotra tao, amam-bolana toy ny nampijaliany ahy koa vao afaka ny traumatisme !:°)!!! Izay no nanozonako voalohany, nisy iray fanindroany fa efa an-taona maro taty aoriana, tsy haiko izay niafarany any ! Ny namako no lasa matahotra fa hoe sao hanozona aho, izaho koa lasa matahotra :-o:oops:! fa izany hoe ilay faharoa koa aloha dia tena mafy e, ny hitako dia ireo olona ireo nanao tortures psychologiques ahy no tena tsy tantiko, raha zavatra hafa tsy manozona izany aho, ohatra hoe vola sy harena sy ny sisa satria ireny azo soloina ! Ny fo sy ny saina ary ny fitiavana zavatra rares ka tsy natao ho simbasimbaina foana !
17. fasaly
(
10/10/2006 06:02)
soanja:
Mba tiako ho fantatra ny hevitrareo momba ity resaka Ozona ity. Misy an'zao mantsy hitako sady nahagaga ahy.
Nisy an'izay fianakaviana izay hoa tena niroborobo be mihitsy tamin'ny resaka harena sns ary niteraka be dia be izy mivady. Nifandray be tamin'ireo fianakaviana ireo aho. Indray mandeha izay dia nisy niteny amiko hoe "tandremo Soanja sao varimbariana amin'io fianakaviana io ka hoe hanambady ny iray amin'ireo zanany ireo na tahak'izay fa sahirana eo an. Tsy izany mantsy fa voaozona io fianakaviana io." Tena gaga be moa aho tamin'zay dia tsy nahita holazaina firy.
Taty aoriana tokoa dia maty nifanesy ny iray trano sy ny fianakaviana ary tena mampalahelo ahy mihitsy fa dia lasa nahantra be ilay fianakaviana sady tsy zarizary ny fiainana'ny velona raha resaka tokatrano sns. Zany hoe raha olona 15 ny tao an-trano dia maty tao anatin'ny 10 taona ny 10 tamin'izay ary ny ambiny mijaly be mihitsy.
Inona no mety hahatonga ny fanozonana azafady raha misy mahalala ary ahoana ny mampandaitra an'io tokoa sa ve mba fiainana nifanojo tamin'ny tsy nety rehetra. Misaotra mialoha.
tena tsy haiko aky raha marina io ry soanja fa zà tam mbola kely misy oul masika be tamiko zay de rangitra be zà de ataoko any ampoko foana hoe matesa faingana ity de maty tanora lay oul:cry::cry:
18. soanja
(
11/10/2006 00:11)
Nanozona zany indry tamin'io. Miasa zany le izy e. Fa be fotsiny ny tsy mino.
19. soanja
(
16/10/2006 14:17)
Dailynews, misaotra aky amle kasety 3 momba ny ozona fa voaraiko somatsara saingy zah tsy manana handefasana azy fa ny anay ato cd player daholo. Aloe fa ataoko zay fomba hahenoana azy an. Bizz mamy be njy. Soanja