Hasina A.

1. metisy ( 02/10/2006 09:03)
Za mahita fa i Hasina Andriamanjato no azo lazaina fa mendrika ny ho lany filoham-pirenena amin'ireo izay nilaza hilatsaka, saingy toa voaloton'ilay hoe Andriamanjato izy am ankapobeany. Ahoana ny hevitrareo ?
novalian'i fijo ny 05/10/2006 21:57
2. lapino ( 02/10/2006 10:14)
Manana ny maha-izy azy aloha izy e!
3. prime ( 02/10/2006 10:23)
Ny hevitro dia tsotra raha izaho... efa nahavita izy ary efa nanao koa, ka anisan'ny mendrika izany...
Tsy ny anarana no mampaloto na mampadio fa ny atao...
4. Rainivao ( 02/10/2006 11:42)
Tandremo fa manao resaka "intellect" isika izany raha milaza hoe i Anona na i Anona no mendrika ho lany. 'Zay ilay hrvitra nampidiriko we ny gasy ange ka ny fony no manao politika e ? Tsy mbola hadinon'ny Gasy (du moins ny avy ao Vohitsara) we nanohana an'i Deba i Hasina t@ 2001 ary i Lila
5. Rainivao ( 02/10/2006 12:09)
Tandremo fa manao resaka "intellect" isika izany raha milaza hoe i Anona na i Anona no mendrika ho lany. 'Zay ilay hevitra nampidiriko we ny gasy ange ka ny fony no manao politika e ? Tsy mbola hadinon'ny Gasy (du moins ny avy ao Vohitsara) we nanohana an'i Deba i Hasina t@ 2001 ary i Lila no nanaraka an-dRa8.
Rehefa ny fo no manao politika dia tsy miasa intsony ny saina handinika hoe tetika politikan'iza no mety ahatafavoaka amin'izao toetr'andro izao fa tonga dia ny we, zanak'i savonivava io ! io ve tsy hanahaka an-drainy ?
6. prime ( 02/10/2006 12:11)
rainivao> ie i Hasina nanohana an'i deba, d i Lila nanohana an-dRa8 t@ 2002... safidy politika izany ka misy mahadiso v?
Ny voalazako, raha ny hevitro dia nanao izy satria tafiditra tao @ tontolo fampandrosoana tanteraka i dago hatr@ nitondrany ny paositra t@ fotoan'androny... tsy nijery faritra izy fa na ny faritra nanjakan'ny mpanohitra t@ izany aza dia voakarakara avokoa... izay no atao hoe tena manao... manana drafitr'asa dia manatanteraka izay noresahina... tsarovy fa izy irery no ministra nandalo fitondràna sy repoblika lava indrindra ary izy irery koa no ministra tokana nahazo fankasitrahana tanteraka teo anivon'ny antenimiera (na avy t@ fitondràna t@ izany na avy t@ ny mpanohitra)... Ary izany amiko no taratra iray tena ahitàna ny olona iray hoe vonona ny hanao... ka izay no mahaanisany azy... izaho tsy miteny hoe izy irery fa hoe anisany...
7. rakaroka ( 02/10/2006 12:31)
Ié nahavita izay vitany 'ngamba izy fa TSY NAHAVITA izay tsy vitany koa mitaha ny pouvoir nananany, quand on pense hoe 3 mandats teo amin'ny pouvoir, même pas raha refesina amin'ny naha teo ny ray aman-dreniny!...: Soyons dupe et aveugle!...
8. rakaroka ( 02/10/2006 12:39)
Diso fantatra 'reo efa teo teo aloha!...Donc inutile hoe ampahafantarina indray!... fantatra hatramin'ny vola niodina, ny "chateau, ny halatra
idée isan-karazany.... Tsy zoviana izany ny aty e!
Ary rehefa milaza zavatra mba lazaina mazava fa tsy tahaka ilay vola notakian'ny poste tamin'ny dépense tsy natao akory faha teo azy!...
Olona VAOVAO no iandrandran'ny firenena!
9. lapino ( 02/10/2006 12:40)
rakaroka, fa iza moa no olona nahavita izay tsy vitany, iza koa no tsy nahavita izay vitany? :wink:
Fa izany hoe ny sorabaventy sy sora-matevina no toa tena hitako eto :wink:

Hono hoà, mba fanontaniana, iza moa no zokiny amin'izy sy Ravalo ?
10. prime ( 02/10/2006 12:54)
ka he izany izy hoe Ray aman-dReniny koa... olona samy hafa izany...
11. prime ( 02/10/2006 12:55)
:wink::-D:-D:-D
12. raygasy ( 02/10/2006 13:30)
Tadidio fotsiny ny Ohabolana Malagasy hoe "taranam-boajo fotom-baonemba" dia inona zany no Tohiny???ary ny vazaha ary manamafy koa hoe "Tel pere tel flis" dia mahaiza mandinika ny lasa ary ?
13. prime ( 02/10/2006 13:37)
raygasy> marina anie izany e... fa misy koa teny hoe ny heloky ny ray tsy heloky ny zanaka... ka rehefa mandinika dia asa sy zava-bita aloha no tokony hojerena izay vao ny firazanan'ilay olona sy ny fianakaviany... raha hiresaka an'i rolland ratsiraka izao v d i deba no hatao références? tsia kosa e, i toamasina no jerena d efa afaka mandanjalanja hoe mety sa tsy mety...
14. Rainivao ( 02/10/2006 13:42)
Za ange tsy manome tsiny azy @ firehana noraisiny e ? (D'ailleurs, very fotsiny ny tsiniko raha omeko azy :lol:)
Ny hevitra tiako vohizina dia hoe tsaraina @ "projet de société" kasainy hatsangana ny mpanao politika fa tsy we ny hatsaratarehany na ny herenany na sanatria ny fihaviany.
15. raygasy ( 02/10/2006 13:45)
prime>ok ary e!marina izany fa zao kosa no tsy azo lavina ary tadidio fa ny Dadany anie raha maharaka tantara ny firenena Malagasy marina isika dia Izy no mpanohana @fananganana izay olona ho eo @ fitondrana nefa kosa izy koa no nb1 @mandrodanana asa raha mahavaly ny tenonao io?dinio kosa ary e!....
16. Simpona ( 02/10/2006 14:41)
Ié nahavita izay vitany 'ngamba izy fa TSY NAHAVITA izay tsy vitany koa mitaha ny pouvoir nananany, quand on pense hoe 3 mandats teo amin'ny pouvoir, même pas raha refesina amin'ny naha teo ny ray aman-dreniny!...: Soyons dupe et aveugle!...


Tsy azoko tsara ny tian'ni rakaroka lazaina eto.

Ataoko fa nahavita zavatra ihany i Ny Hasina teo amin'ny mandat-ny rehetra. Azo lazaina ho nandeha ihany ny ministera notanany mihoatra ny sasany.

Ny ahy ny atahorako aminy dia ny rainy ihany. Mety hanana influence lehibe aminy mantsy ny rainy raha Araka ny henoko dia olona expert en communication Andriamanjato Richard ary manana pouvoir de persuasion matanjaka (hainy ny mampiasa ny vavany) indrindra amin'ny olona akaiky azy.
Izany no nahaizany nilomano tamin'ny pôlitika nifanesy hatram'zay.
Ka amin'ny maha rain'i Ny hasina azy dia mety hitana toerana lehibe eo amin'ny fomba fitondran'i Ny hasina izy raha ity farany no mpitondra eo (mety miseho mivantana izy na ambadika) ary izay no hanimba zavatra betsaka
17. mandrindra ( 02/10/2006 15:30)
manipy toro-hevitra ho an'i ny hasina i richard, fa tsy mino kosa aho fa i richard no hitantana ny baolina sy hanindry. ataoko fa raha nanaraka ny toro-hevitr'i richard i ny hasina dia tsy ahavita an'ireny asa ireny tamin'izy minisitra. amiko efa hainy ny nihataka tamin'ny rainy.
ny ho amin'ny fifaninana amin'ny 3 desambra indray aloha dia aleo hiandry ny fametrahany amin'ny fomba ofisialy ny fandraisany anjara.
18. xxx ( 02/10/2006 19:36)
[quote=metisy]
Za mahita fa i Hasina Andriamanjato no azo lazaina fa mendrika ny ho lany filoham-pirenena amin'ireo izay nilaza hilatsaka,

Saika nitovy hevitra aminao aho saingy izao
Mendrika ny ho lany tokoa izy raha ny fahaizany mamadika palitao ......

19. rakaroka ( 02/10/2006 20:46)
hoy i lapino :.
Misy tohiny ny fehezan-teniko fa notapahinao dia lasa tsy miteny mazava ho azy!...
Mitaha tamin'ny promesse nataony tadidiko tsara fony
mbola tsy minisitra izy fa raha izy no eo dia ho foana ny olana nandreraka Bbbe tamin'ny poste gasy izay! Andraekaky ô vao niha nisy izany notakiana vola
efa amina million mahery izany ny olona tsy nahatafiditra téléfona akory lazaina fa saran'ny lany tamina "communication" hono!
Santionany io: hino ianao na tsia: cela reste vrai!
Fa maro koa ny nahita faisana ny olona faha teo azy,
raha tsy lazaina akory ny fidangan'ny téléfona!
Tsikaritra Bbbe hoe "tsy compétence-ny" velively. O ry Prime a reniny anie no nanao "communication" fa tsy izy e. Ary raha resaka "communication" maro anie ny gasy nandalina izany mihitsy... Je vois mal,afa tsy hoe dans leur propre "intérêt" ny tel "emplacement"! Sady tsy nianarany no tsy nandeha araka izay tokony ho izy akory ny nitantanany azy dia tediavinreo omena 21 sur 20 izy?Misy tombontsoa manokana ambadika 'ngamba fa tsy fahita hatraiza hatraiza aloha ny toa izany e!


20. lagoon ( 02/10/2006 21:10)
NY AHY DIA TSOTRA FONTSINY:AIZA NY VOLA SAIKA HANAMBOARANA NY ROVA T@ 1996-1997 IRENY?
NIARA NIOSINA TAO I NDREMA,NY HASINA,RAZANAMASY!!!
VOLA BE EFA @ MILIARA AVY @ MALGASY SY COMMUNAUTE INTERNATIONALE NO NANJAVONA!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3182