anjely

1. diamondra27 ( 28/09/2006 16:28)
tohin'ny dinika soanja:

lasa indray ny eritreritro rehefa namaly ny size an'i soanja, sao dia misy mahalala ny isan'ny anjely voateny ao @ baiboly?

Misy firy karazana ny anjely?

Inona no fantatrareo mikasika ny anjely?

:-*:-*
novalian'i prime ny 30/10/2006 07:48
2. diamondra27 ( 28/09/2006 16:30)
ny anjely fantako aloha : dia i gabriela

lahy sa vavy ny anjely?
misokatra ny ady hevitra

:-*:-*
3. Fiffi ( 28/09/2006 17:35)
tena nahaliana be ahy ity hitako ity an! http://www.info-bible.org/articles/anges.htm
4. hery ( 28/09/2006 19:23)
Tsara fitontona ilay resak'i diamondra27

Rahampitso 29 septambra tokoa mantsy, ho an'ny katolika, dia fety fankalazana an'ireo arkanjely Misely, Rafaely ary Gabriely.
Ireo, amin'ny maha arkanjely azy dia karazana mpitarika ny anjely. Misely dia hita ao amin'ny Ap 12, 7-12a (Izay vakiana amin'ny litorjia rahampitso). Rafaely dia hita ao amin'ny Bokin'i Tobia (baiboly katolika). Ary i Gabriely dia ao amin'ny Lioka 2.
HO an'izay liana kokoa dia afaka mamonjy lamesa rahampitso.
5. Fiffi ( 28/09/2006 21:20)
St Michel , St Gabriel io eh ? ary zay aho vao mba nahafantatra hoe misy lamesa @ io an!
6. Bibilava ( 28/09/2006 22:47)
ange=anti-homme.
Mba ajanony ny délire rey olona a!Nareo ve nandrapaka zava-mahadomelina ê!
7. hery ( 28/09/2006 23:08)
Fiffi> ny lamesa misy isanandro kah :-)

Bibilava> Tsy hoe rehefa tsy homme dia anti-homme :-)
dia ajanony koa ny insinuation fa tsy voatery hanao an'izany vao afaka miresaka tsara.
8. miangalyandria ( 29/09/2006 04:49)
Fiffi : tsy mandeha ilay rohy !
9. Fiffi ( 29/09/2006 06:02)
nefa misokatra tsara ny aty an!
Hery: misy lamesa isan'andro koa ny aty fa ny tiako lazaina de hoe lamesa natokana ho an'ireo St ireo ve ny androany ?
10. diamondra27 ( 29/09/2006 06:10)
bibilava: fa inona no maharatsy ny fahafantarana ny momban'ny anjely kay?

Ngah raha hoe: mba miteny hafa toy ny fisainanao dia hoe: nihinana zava-mahadomelina ilay olona e!

Izay ange le lazaiko hoe: mba hajao ihany le hevitry ny hafa fa aza avy hatrany de atao toy io fa manjary tsy misy le fifanakalozan-kevitra

hery: sendra mba nieritreritra fotsiny aho fa 'za aza tsy nahalala hoe: misy fetin'ny anges gabriely sy misely ary rafaely.

De bonne fête zany e!:-*:-*
11. diamondra27 ( 29/09/2006 06:19)
fiffi: tena mahaliana tokoa ilay site an!

zay vao fantako ny momba ny anjely.
Tena intéressant fa betsaka tokoa ny zavatra mbola tokony hianarana sy dinihina ...
12. Fiffi ( 29/09/2006 06:45)
tena betsaka marina.........
13. miangalyandria ( 29/09/2006 06:59)
tena tsy mety misokatra re ry Fiffi a, izay izany no tsinin'ity mipetraka aty amin'ity firenena ipetrahako ity k'no :-P andraso rehefa mody any amin'ny tanana aho izany mijery an'io :-o:-D
14. Achia ( 29/09/2006 08:58)
inona no hilazana ny anjely refa nalatsaka ety antany ? :-D:-D
15. pissoa ( 29/09/2006 10:37)
vehivavy manjakely :-P:-D:-D:-D
16. prime ( 29/09/2006 12:24)
fiffi> misaotra betsaka @ ilay liens fa feno tsara...:-*
17. diamondra27 ( 29/09/2006 13:41)
ngah koa prime mbola tsy nahalala tsara ny momba ny anjely? (feno)
:-*

18. Achia ( 29/09/2006 15:11)
pissoa:

vehivavy manjakely :-P:-D:-D:-D


Tena izany ve ry piso :-D:-D
19. Fiffi ( 30/09/2006 10:15)
miangalyandria; nefa dia misokatra tsara ny aty an!
20. prime ( 02/10/2006 11:08)
diams> efa mahafantatra aho fa manampy fanazavàna misy2 kokoa io adresse io... :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2459