Nosy Maorisy: Be mpivarotena malagasy !

1. Fiffi ( 26/09/2006 10:14)

Mampalahelo ny toe-zavatra tahak'izao nefa atao ahoana moa ?

"Manao ahoana ?". Vao niditra ilay toeram-pandihizana iray ao Grand Baie (Maorisy) ireto andiana lehilahy Malagasy vitsivitsy, dia io teny fiarahabana io no nitsena azy ireo. Taitra ireto farany raha nahare izany, satria midika io fa Malagasy ihany koa iretsy niarahaba. Tovovavy malagasy izay mpivarotena ao Maorisy ao.

Tsy iray tsy roa, fa efa am-polony mihitsy. Mba faly koa hono izy ireo mahita Malagasy toa azy ireo any an-tany lavitra any. "Tsy dia tena hoe fidiny anay anie ny mandeha aty ê !", hoy ny iray tamin'izy ireo.
Fa inona tokoa no tena antony mahatonga ireto andriambavilanitra gasy ireto "manafika" any am-pitan-dranomasina any ? Nifandrombaka namaly izany izy ireo : "tsy misy Malagasy, na dia iray aza, atoro intsony ny fahasarotam-piainana ao Madagasikara ao. Lasa mahantra avokoa ny ankamaroan'ny olona, indrindra ireo lehilahy. Tsy… nandeha intsony ny asanay tany an-tanindrazana tany, koa voatery izahay nitady lalana nankaty". Ao Maorisy ao izay hita maso nivandravandra fa tena ifandrombahana ireto zatovovavin'ny alina avy aty Madagasikara ireto. "Tsy latasaky ny 1 500 roupies, na any amin'ny 450 000 Fmg any hoany, no vola azonay amin'ny lehilahy iray", hoy izy ireo namosaka tsy naka sarotra akory. "Tsy ny alina ihany izahay no miasa fa hatramin'ny atoandro ihany koa", hoy ihany izy ireo. Dia mba ahoana koa izany fomba "fiasa" amin'ny atoandro be nanahary izany ?". Omenay ireo lehilahy maorisianina na vazaha ny nomeraon'ny findainay, dia miantso izy ireo, ka anjaranay indray ny mandrindra ny fandaharam-potoananay mandritra ny indray andro", hoy ny fanazavana azo. Midika izany fa tsy lehilahy iray no mitady azy ireto ao anatin'ny iray andro.
Saika izy rehetra ihany koa dia nanambara fa "itambesaran'ny adidy any Madagasikara any". Ao ireo izay efa manan-janaka ka tsy maintsy mandefa vola aty an-tanindrazana mba hiveloman'ireto farany sy izay mitaiza azy ireo. Ao ihany koa ireo namboraka fa tena ny fianakaviana manontolo mihitsy no iantsorohany sy iantohany. Dia mba amin'ny fomba ahoana no ahafahan'izy ireo mijanona ela ao Maorisy ao ? "Tondroina ao anaty taratasim-panjakana fa haka rivotra no hatongavanay aty. Avy eo, atao izay fomba rehetra hahazoana fanalavana izany fahazoana mitoetra aty izany", hoy izy ireo. Tsy velabelarina etoana ilay "fomba rehetra" tondroin'izy ireo fa, araka ilay tonon-kira malaza iray izay, "ianao mahalala, izaho tsy atoro !".
Taiza ny vola nahafahan'izy ireo niondrana tao Maorisy tao ? "Misy agence de voyage mampindrana anay billet-na fiaramanidina, ka sandaina 100 euros izany rehefa tafaverina. Ary misy olona mpampanjana-bola aminay koa any an-tanindrazana any, ka 500 euros haverina 600 euros rehefa afaka iray volana ", hoy izy ireo. Mba ahoana indray ny fomba fiainan'izy ireo ao Grand Baie ao ? "Telo na efatra aminay no miaraka manofa trano, dia ifampizaranay araka izany koa ny vidin-tsakafo", hoy ihany izy ireo. Tsy afaka nitarina ela moa ilay resadresaka, satria iny fa lasa tsirairay, nisy mpaka, ireto tovovavy hafa loatra ireto. Iretsy Maorisianina vavy toa azy ireo anefa, toa nitanatana vava fotsiny ihany. "Sady ratsy tarehy no tsy mahay mihaingo sy mandihy", hoy ilay mpivarotena malagasy iray farany, tokelaky ny hehy talohan'ny nandehanany nanaraka ilay mpaka azy. Izay lasa anefa dia nametraka hafatra farany hoan'ireto andiana lehilahy gasy : "veloma daholo, ary any an-tanàna indray mifankahita rehefa vita ny asanay aty ê !"…
Rolly Mercia La Gazette de la Grande Ile
novalian'i prime ny 25/10/2006 15:01
2. mandrindra ( 26/09/2006 10:21)
tsy azoko ilay lohateny hoe "mampalahelo". raha mampalahelo an'ilay mpanoratra dia tokony homeny vahaolana hafa ireo vehivavy ireo. asa toy ny asa rehetra io ary safidindry zareo izany ka inona no mampalahelo?
3. Kamoufle ( 26/09/2006 10:45)
Halaelonkena io eeeeeeeeeee...rehefa tsy hihinana ialahy , tsy aleo zakan'ny maorisianina any izy.
sady mandio tanana koa letsy zany aa.
4. andry08 ( 26/09/2006 12:05)
Fa maninona no tsy mampalahelo, mampalahelo ny mihaino hoe misy vehivavy malagasy mivaro-tena. Tsotra anie e! Mampalahelo satria tsy nampoizina fa lasa very @ fivarotantena .
5. kally ( 26/09/2006 12:13)
Safidiny io ary tsy nitaraina ho ory mihitsy izy ao anatin'io resadresaka ioka izany ka ataoko hampalahelo ny foko, zavatra hafa ahay,raha tena te-hihoitra misy fomba hafa ankoatry ny fivarotan-tena. Fa gaga ihany aho fa lazainy fa ratsy tarehy sy tsy mahay mihaingo ny vehivavy maorisianina nefa toa betsaka ihany izay hitako fa tena tsara tarehy be, asa!!! samy nanana ny hitany:lol:
6. Samoana ( 26/09/2006 13:58)
Safidy ny an'ireto adala roupies ireto e ! Ny tena mampalahelo dia ireo "mpiasa" alaina an-keriny sy terena hivarotra ny entany !
( raha hitanareo le mpanao gazety dia mba hanontanio kely hoe raha nety nandray ny vola gasiny ireto naha-ontsa azy ireto ?:D)
7. lemenakely ( 26/09/2006 16:55)
tsy hitako izay antony mahagaga @ zavatra toy izao rehefa mahantra dia tsy maintsy miasa ny saina ! ...en plus tsy adàla ny vazaha nanao hoe c'est le plus vieux métier du monde!
8. Fiffi ( 26/09/2006 17:47)
mba mampalahelo kosa fa raha mba nisy ange ny asa hafa de mba tsy zao no hatao eh!
9. zandikely ( 26/09/2006 18:18)
Tsy hitako mihitsy hoe aiza ary ny olana. Ataoko fa anisan'ny business matanjaka mihitsy amin'izao ity zavatra io, ahitana azy daholo hatrany AFRICA, EUROPE, ASIA, AMERICA. Eny maro ny manao izany noho ny fahantrana nefa tsy voatery ho resaka fahantrana izany koa ny fanaovana an'io, ny pornostars ao rehetra dia heverina fa mahatra na olona tsy nahita asa daholo? Misy koa safidy io.
Fanontaniana mipetraka dia hoe moralement correcte ve ilay izy? Ny tsirairay mandinika, fa nefa tsy misy olona afaka mitsara na afaka miditra amin'ny fiainan'ny hafa izany, samy manana ny fiainanany ny olona tsirairay.
10. kally ( 26/09/2006 19:25)
Fiffi:

mba mampalahelo kosa fa raha mba nisy ange ny asa hafa de mba tsy zao no hatao eh!

Mba manandrama ary hoe Fiffi manatona mpivaro-tena amin'ireny dia ilazao izy hoe mampalahelo ahy akia ianareo fa ompa no havaliny an'i Fiffi.Na farafahatsarany hoy izy hoe ianareo angaha mihevitra ho miadana noho izahay?


11. Papoose ( 26/09/2006 21:39)
lol
12. VIRGINIE ( 27/09/2006 11:08)
c'est le plus vieux métier du monde:marin'izany nefa nahalana kosa io teto @ fiaraha-monina malagasy e!,mampalahelo kosa e! tsy mahatsapa ve nareo fa nivari-lavo ny tanora Malagasy ?
13. Fiffi ( 27/09/2006 21:11)
de tsy aiko ry zareo hoe nahoana no tsy mampalahelo ny toe-javatra tahak'izao an! Hoy aho hoe raha mba nisy asa hafa hoa de mba tsy nanao an'zany ireo vhv ireo.
14. mandrindra ( 28/09/2006 09:08)
siora ve ianareo fa ny tsy fisian'ny asa no nahtonga an'ireo vhv ireo nivaro-tena?
betsaka ny vehivavy nisafidy nivaro-tena satrio no hitany famety amin'ny fiainany, mahazo vola bebe kokoa izy, izy ihany no mitantana ny lerany fa tsy hoe tsy maintsy miditra amin'ny 8 ora isa-maraina...
ka tsy azoko mihitsy hoe inona no mampalahelo amin'izany. tsy nitaraina anie ireo olona ireo e. fa maninona no ianareo no tonga dia manavy eo amin'ny toerany?
15. xxx ( 28/09/2006 09:31)
Taloha izaho no nieritreritra fa safidy io fa @ izao fotoana ohatry ny miverina mandinika indray dia mahita hoe mety tsy ho tena safidy ihany ilay izy fa tsy misy fika hafa :

ekeko aloha fa anisan'ny antony hifidianana io asa io ilay hoe "vola haingana tsy dia misahirana e" fa
jereo ange , firy isan-jaton'ny nahavita fianarana @ izao fotoana no mahita asa sy velon'ny asany (eto M/car io)? Mahita fianakaviana betsaka aho nianatra nefa ao ny tsy mahita asa , ao ny miasa fa tsy mahavelona ilay karama.

Dia hitako hoe lasa mirona any fivarota-tena ny betsaka (soa aloha fa tsy mbola misy havana akaiky) satria na hiasa mafy aza toa tsy ho velona akory
16. mandrindra ( 28/09/2006 15:34)
ka tsy hitako izay olana raha mirona any amin'io ny vehivavy e. matoa mandeha io dia misy mpividy koa fa aza adino, fa tsy mandeha irery io kandra io. izay no lalan'ny tolotra sy ny tinady. rehefa hanangana orinasa dia izay entana misy mpividy ihany aloha varotana.
17. Fiffi ( 28/09/2006 17:33)
mandrindra: tsy hoe tonga de manavy @ toerany kah! fa ny zavatra hitako ohatra hoe mba mampalahelo de ny fisian'ny ankizy na ny zaza ! ny ho avin'ireo ankizy no hitako hoe mampalahelo.
18. mandrindra ( 29/09/2006 08:01)
n y zaza indray resaka hafa iny. fa ny resahan'ny gazety aloha dia vehivay lehibe efa tonga saina tsara ary mahafantatra ny ataony. ary ny ho avin'izy ireo koa dia izy ihany no mandamina an'izany toy ny olondrehetra, samy miary daholo
19. Fiffi ( 29/09/2006 17:39)
marina ny anao ry mandrindra an!
20. prime ( 02/10/2006 08:47)
Ny fahitako azy aloha dia tsy mampalahelo ireo satria safidy ny azy... mahita tombontsoa maro @ izany koa izy ireo matoa manaiky izany asa izany...
Fa ny mampalahelo amin'ilay toejavatra dia ny zanaky firenena mivelona @ zavatra mamoafady toy izany... ka simba2 @ zavatra hita fa tsy hampiadana akory...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0391