Portable ho an'ny ankizy (MADA)

1. soanja ( 23/09/2006 19:32)
Tokony ho firy taona eo ny zaza iray no izay vao azo omena portable any Dago. Ny ankamoaroany manko mangataka daholo satria efa manana ny namany any an-dakilasy any (CEG). Inona no fepetra azo raisina raha hanome azy an'iny ianao. Misaotra mialoha amin'ny hevitra.
novalian'i tisera ny 03/10/2006 08:07
2. Fiffi ( 23/09/2006 20:06)
ny any Dago aloha de tsy fantatro hoe firy taona fa ny aty ivelany zao de hita fa manana ny habetsahan'ny ankizy ! vao eny @ CM1 de efa misy manana . Misy zavatra mampalahelo ohatra hoe misy fianakaviana tsy de manana moyen loatra hividiana nefa dia tsy hita izay hatao fa ny ankizy mitaraina fa manana ny namany de voatery mividy na manao zay azony hatao ny RAD mba hitovizany @ namany koa ny zanany de mividy.
3. fasaly ( 23/09/2006 20:21)
soanja: tsy misy taonany aky ny fanomezana fone ho an'ni ankizy any madà rehefa mahay mi manipuler azy fotsiny izy defa afaka mampiasa zay.....:wink:
ny fepetra raisina fotsiny de lazao izy tsy hideradera an'iny eny andalana na amapahibe maso fa sao iny no hamonoan'ny oul azy any zay resaka gsm kely iny... ny any mantsy efa tsy matahotra mamono olona tsony am tsy fisiana e! indrisy mantsy:(
na koa azon'ny mpangaropaosy na sitomahery ka ho tratran'ny fangovitana eo lay zaza:wink:
4. vale ( 23/09/2006 22:55)
toa tsy misy fetra tokoa aloha raha ny fahalalàko azy e, fa ny mba hitako t@ fahitalavitra raha aty ivelany (france) dia eo @ 13ans hono, psy no nilza io fa nefa toa misy aza mbola kely dia efa omen'ny r&r, raha zà manokana aloha dia tsara ny hananan'ny ankizy an'io satria @zao efa bdb ny zaza very ka raha mba misy an'iny izy oh mba afaka miantso polisy mangingina, na koa mora hahafantaran'ny r&r hoe aiza izy(misy hanaraha-maso izany e:lol:):wink:
5. soanja ( 24/09/2006 04:57)
Misaotra betsaka anareo nanome hevitra.
Tsy izany mantsy fa tamin'izaho tany Dago de betsaka ny manana azy ny ankizy kely manomboka eo amin'ny 13 ans eo tokoa. De maneno foana le izy na misakafo aza dia miala eo ambony latabatra mihitsy de mamaly an'le izy eo aloha voa mamonjy misakafo indray. N'aiza n'aiza de tsy misy fetrany le izy fa de iny no lasa tena focus-ny amin'ny fiainany, nefa izy mety mandalo ilay crise. Hitako hoe tapaka ny filaminan'ny fianakaviana. Asa na mba misy discipline le izy rehefa any ampianarana, io mantsy no tena tiako ho fantatra.
Fa ny resaka securite indray de hitako hoe secondaire ihany le izy raha any Mada satria isika rehetra tsy nisy olana firy tsy nisy an'io tamin'izany, ny generation-ko no resahiko an. Zah somary efa bebe taona ihany.
Dia tiako ho fantatra hoe maharaka mividy credits an'iny ve ny RAD sahirana? Ahoana ny fomba hi-gerer-na azy tsy handanindany foana sns.
Nefa asa moa fa miova miaraka amin'ny generation ny filana miankina amin'ny vanimpotoana.
6. fasaly ( 24/09/2006 06:51)
tokony ho hisy discipline ny resaka fone any ampenarana, eto aminay alou de ilay fone miaraka am cam no tena interdit miditra ny sekoly :wink:
dia tsy maintsy vonoina mandrintra ny fotoana fianarana fa refa fankandrivotra vao velomina:°)

soanja kosa aky kou, ho an'ny ray amanadreny manakatao no mahavidy credit izany, fa ny tsy manana osa ara pivelomana na gsm iray ho an'ny fianakaviana aza efa tsy ho hisy aky! indrisy mantsy:cry:
7. sipagasy ( 24/09/2006 12:31)
mmhhh dia samy manana ny anabeazany azy tokoa isika tsirairay avy @ ankizy kannnn, izaho manokana aloha dia tsy hanaiky izany 13 taona dia manana portable iznay e!, rehefa afaka miasa izy miasa kely annn dia mety hahazo izay iriany any arakaraky ny volany fa tsy ho rehefa feno 18 taona koa izy mila ferrari mena dia iny koa za fa hihazakazaka hividy izay satria izay ny baiko na fangatahana avy amin-janaka.
8. fens ( 24/09/2006 15:15)
soanja:

Tokony ho firy taona eo ny zaza iray no izay vao azo omena portable any Dago.


Io ra araka ny hevitro de tsy misy fe-toana fa zao fotsiny we: fantatrao ve na fantatr'ilay ankizy hoe atao inona ny atao hoe "Finday"
fa izy io mantsy dia fananana mihinam-pananana raha toa ka tsy mampidi-bola ho azy ilay fitaovana .
zay aloha ny amin'ny androany fa de saino ihany hoe mitondra mankaiza hoan'ilay zaza ny mampiasa io
9. fasaly ( 24/09/2006 15:34)
tsy misy maharatsy am fanana azy fa mba ampiasaina am tena ilàna azy angamba:wink: iny mba misy ahalalana hoe aiza lay zaza zao na hoe refa misy mahazo anlay zaza de mba afaka miantso izy, fa io aloha mbola am tany mandroso no tena ahitàna ny ankizy manana fone, fa raha any dago kosa dia io lazain'i fens io , raha tsy hoe angaha tena aisé be lay RAD ka maharaka tsara ny caprice nlay zaza:°):
10. soanja ( 24/09/2006 15:42)
Raha tena hevitro mantsy dia tsy mahazo portable izy raha tsy efa feno 16 ans any. Amin'izay izy mba afaka manampy ahy mitady vola na mamorona asa kely hividianany azy sy ny credit hampiasainy aminy.
11. vale ( 24/09/2006 22:33)
fasaly: (misy halàlàny azy hoe sao de lasa nampiaraka ve?:oops::wink::wink:)
fa tena ilaina mintry mintry io raha misy ny fahafahana zany e:)
12. fasaly ( 25/09/2006 05:36)
vale tena ilaina io ka!: aty am tany mandroso alou ilaina tena manampy be mitsny am asa ratsin'ny sasany, de ny gsm no afaka hanarahan'ny police azy kou!:wink:
13. sipagasy ( 25/09/2006 08:23)
soanja:

Raha tena hevitro mantsy dia tsy mahazo portable izy raha tsy efa feno 16 ans any. Amin'izay izy mba afaka manampy ahy mitady vola na mamorona asa kely hividianany azy sy ny credit hampiasainy aminy.



ka izay koa ny ahy ny hevitro ry soanja fa tsy hoe manana i xxx de omena koa i yyy, io koa arakaraky ny fitaizan'ny ray aman-dreniny ny zanany e! fa raha araka ny teniko teo hoe vao 13 taona aza izy izany mitady finday, mmhhhh, rehefa tonga ny 18 taona indray dia inona fiara sa avion ???? hihihihii
14. fasaly ( 25/09/2006 11:49)
marina dool zany ry reto a! fa misy lay fitaizàna marina ange tena gravy be e!
amzao mantsy lasa tendance hoe ny zanaka no mibaiko ray amandreny:?:?:? de vao miteny an'itsy sy itsy de azo dool! mahita zanaka gasy toy izay mitsy aho fa tsy ny vazà ihany; fa nedala kosa alou ny fanarana de mande mitsy e!:?

ary io voalzan'ny sipagasy io mitsy fa efa lehibe 22 ans zao nedala de manana permis, fa ny fiarandray amandreniny de izy no mitondra azy dia miafy eo ny ray sy reniny ny week end....tsisy voiture!
15. sipagasy ( 25/09/2006 16:37)
fasaly:

marina dool zany ry reto a! fa misy lay fitaizàna marina ange tena gravy be e!
amzao mantsy lasa tendance hoe ny zanaka no mibaiko ray amandreny:?:?:? de vao miteny an'itsy sy itsy de azo dool! mahita zanaka gasy toy izay mitsy aho fa tsy ny vazà ihany; fa nedala kosa alou ny fanarana de mande mitsy e!:?

ary io voalzan'ny sipagasy io mitsy fa efa lehibe 22 ans zao nedala de manana permis, fa ny fiarandray amandreniny de izy no mitondra azy dia miafy eo ny ray sy reniny ny week end....tsisy voiture!





izany ve dia mbô tiako????? zanako nateraka nefa izaho injay no mijaly????? mmmhhhh asio fiheverana ihany ry isika ray aman-dreny ny fitaizana ny taranatsika annn
16. adidy ( 25/09/2006 16:48)
Za dia d'accord @ sipagasy mihintsy! Indrindra fa raha ankizy any Dago 13 ans mangataka portable izany dia efa mitady hanao caprice sahady, indrindra fa raha iny no tsy hisakafoanana avy eo fa mamaly resaka! Raha izaho dia 18 ans, ohatra na atao karoty hoe rehefa afaka bacc ianao!Mba asiana valeur ilay izy e!
Raha ilay hoe mandeha tsara ny fianarana hoy fasaly izay, dia hoy ny vadiko @ nièce rehefa manao argument @ izay"fahaizana tsy misy fahendrena tsy ilaina".
Fa henjana ny mitaiza ary mila apetraka mazava @ ankizy mihintsy ny fetra an!
17. fasaly ( 25/09/2006 17:44)
sdisipagasy: ié! tena marina io an! efa taizambazà mitsy ny azy! impissble mè vraie hihih! fangah tsy looooza
18. tovolahy007 ( 02/10/2006 02:44)
manahoana doly!
Raha ohatra ny aty @ misy ahy ndray zao de misy irony le cellphone ho any ankizy rony ,izany hoe tsy afaka hiantsona le izy fa mndray izay antso fotsiny zany ,fa afaka iantsona 911 sy ny urgent retra koa.Ka amiko de ataoko fa io no tsara raha mbola kely taona le ankizy .
Soanja ve de tsy mahita anireny aty bekintana aty e,efa bobaka be reny aty zao.
Dia izay ndray aloha ary
19. soanja ( 02/10/2006 03:39)
Misaotra an'ny tovolahy fa tsy ilay aty US no resahiko fa ny Mada. Rha aty mantsy ny zanako dia mila manana an'io tokoa izy na dia 14 ans aza satria mba milamina ny saiko ho aiza ho aiza izy sns ary izy ihany no asaiko mitady vola handovana ny sarany ohatra hoe mi-babysit na mivarotra lemonade sns

Fa ny any Mada no tena mampieritreritra hoe omena sa tsy omena. Tsy tiako alo volohany hizeszesta amin'iny izy sady handany credit nefa zah aza tsy mety tsy hahavoaloa ny ahy. Ka sao dia manaonao foana.
Fa ny tena maha stricte ahy momba n'io mantsy dia ny filaminan'ny mpinakavy tena hitako vokorontana mihitsy rehefa mahzao an'io zay ny ankizy.
20. tisera ( 03/10/2006 08:07)
arakaraky ny tontolo manodidina sy ny fari-piainan\'ilay fianakaviana angamaba io ry soanja a! fa raha ny hevitro aloha rehefa tena tsy maintsy omena portable ilay zaza 12/13 taona dia hatao izay hamerana ny antso na ny sms ataony ; ohatra hoe bloqué-na ny n° azony antsoina. Fa izaho aloha dia tena variana mihitsy @ ilay fahasamihafan\'ny fari-piainana é! ao anatin\'ny fianakaviana iray dia tena misy samihafa : mifampi-cousins germains fa ny zanaky ny sasany mianatra any @ lyfr na collège de france , mandeha 4x4 land cruiser na prado ; manana portable mazava ho azy ary manana jeux : game boy , ps2 sns..., mandeha vakansa aty eoropa : entina any @ eurodisney , ireo zaza ireo akory tsy hoe mieboebo na mihevitra azy ho tena favy fa aminy izany no fiainana normal ; etsy andaniny ilay cousins -ny variana ihany hoe nahoana no tsy afaka mividy hafa tsy kilalao vita sinoa ny ray aman-dreniny nefa samy miasa daholo na i dada na i neny ; fa izay ilay fiainana : samy manana ny laharam-pahamehiny : na ny ankizy aza dieny @ fahazazany dia ohatry ny efa hita taratra hoe : itsy te-hitovy @ namany @ fisehoana ety ivelany ; moa iry tsy dia mandraharaha izany fa rehefa mitafy akanjo madio sy afaka mianatra izy dia ampy azy , sa ahoana hy ianareo.:? dryyy ary toa lasa tena lava resaka be zah izany é!:P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1804