serana

1. cmbolatiana ( 22/09/2006 11:15)
Mba mitady ny hiran'i Rija ramanantoanina hoe Serana izay manana o
novalian'i fiderana ny 26/10/2006 07:08
2. fiderana ( 22/09/2006 12:41)
Miarahaba anao,
ahoana ary no mety handefasako izany raha mahita aho, satria mbola tsy haiko tsara ny mampiasa ity serasera ity, manana repertoire an'i Rija maromaro aho fa mbola hokarohiko , ka raha misy dia mandefa aho, fa araka io lazaiko io ny handefasako azy no olana, efa mbananandrana nadefa ihany aho,t@ namana hafa fa tsy nety dia voatery nalefa @na email hafa.
dia mametraka veloma hoanao ary!:D
3. booboo ( 22/09/2006 15:57)
fiderana > ampidiro ary @ " Tononkira " zay hitanao fa mbola tsy ao ny an-Rija Ramanantoanina . misaotra mialoha ô
4. cmbolatiana ( 27/09/2006 05:53)
Fiderana a !
Miditra eo amin'ny tonokira fotsiny ianao dia eo amin'ilay hoe hampititra hira dia ampidirinao ao, na tsy maninona fa alefaso eto raha manahirana anao dia avy eo izaho no mandika azy ao amin'ny tononkira, ny tononkira eto mantsy be mpitady daholo ka tsaratsara ampidirina avy hatrany ao amin'ny tononkira.
Dia misaotra mialoha an !
5. cmbolatiana ( 05/10/2006 10:59)
Andray r'ireto, dia tsy nisy tohiny intosny ve, mba alefaso moa fiderana ilay tononkira an !
:-*
6. fiderana ( 06/10/2006 11:52)
Nieritreritra aho hoe efa mba novaliako ianao teo, fa iza moa afa tsy ianao no nangataka io, sao diso ary aho,izao ary cmbolatiana â!, mba homeo sopapa kely fotsiny aho na raha misy namana afaka dia avy eo mitady zah,ohatra tonony kely fotsiny, raha mba sitrakao, fa tena hiezaka hitady aho, efa mba voalazako tery ambony famanana Rija maromaro aho,dia manome toky anao aho fa hikaroka mihitsy, hataoko izay ahitako an'io fa mahatahora ianao, dia izao voaraiko ilay adiresy fa handefasako izay hilainao rehetra ianao, eny na dia izay tsy hilainao ary halefako,raha mbola misy namana ka mila dia vonona ny tenako hanome izay misy aty, izany mbolatiana an!.:D8)
7. hery ( 06/10/2006 12:55)
fiderana> Raha manana tononkira ianao dia afaka ampidirinao ao amin'ity takelaka ambany ity dia ho mora ho an'ny olona hafa any aoriana ihany koa.
Ity ilay takelaka

http://tononkira.serasera.org

Misotra
8. fiderana ( 06/10/2006 14:22)
Marina, fa aleo ary aloha ho jereko izay misy ao, dia izay hananako no halefako, sa tsy maninona raha efa mba misy fa hataoko ao ihany?
9. cmbolatiana ( 12/10/2006 11:25)
Misy n'izao ilay hira ry Fiderana an :
Nidify tsy hita taratra intsony
Nandalo vetivety toy ny tsy teo....
dia ny refrain ohatra ny hoe :
Tojo fitia nampifanantona ny fon-tsika roa
fitia nandalo nefa moa ny fo
Iza no tsy mahalala antsika roa misara-dia
dia izay sy izay no haiko

10. fiderana ( 26/10/2006 07:08)
andraso aloha ary fa hoatran'ny mba fan's i Rija ihany ny tenako fa toa mba vaovao amiko io, fa maninona moa raha hanotaniana azy raha mba nisy albuim nivoaka misy io hira io ê!, izaho no hanontany sa ianao?.Tsy maninoa fa ndao samy hanontany azy ê!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2149