hiran'i mahaleo ilay miaraka @ franciailay hoe embona

1. mijajika ( 21/09/2006 17:14)
mba mila ny tonon'iny hira iny fa irery e!aty lavitra
2. cutie ( 21/09/2006 17:18)
Ito ve zany ?

Embona sy hanina, tsiahy maha-fahanginana
Ngoly ny fo mamelovelo, madisadisan'alahelo
Ny avĂ´na tazanina,tsy hita ho dinganina
Fa lavitra loatra ianao ka tsy tratra
Ny aina marary, ny fo maratra
Fa ny antsoko, ny ankony mitampody
Mba mihika mafy anie aho nefa tsy tody
Izay jereko manjavozavo
Tako-drahona sy vohitra avo
Fa mahery sy masiaka ny onja
Tsisy lakana mety afaka hitondra
Ny maso no alefa maminany
Mibanjina anao any ho any.

Alahelo sy toloko, raha vao injay tsaroako
Fa noho ny hasomparan'ny tany
Izaho aty, ianao lavitra any
Tsy azo hiadiana ny anjara
'Zay angamba no heveriny ho tsara
Izaho tsy kivy tsy ho ketraka
Na dia mangidy mavesatra
Fa ny ahy dia fitia tena marina
Na anaty honahona tsy ho tafarina
Na halevina mety handifitr'olona
Hiposaka amin'ny hamololona
Ny any hafatro dia ny hoe matokia
Fa izaho tsy hitsahatra ny hitia
Tsy ny halavitana, ny tsy hita maso
No hahasakana antsika tsy hihaona
3. hery ( 21/09/2006 18:29)
Mijajika...

Misy ao amin'ny site tononkira.serasera.org io.

http://tononkira.serasera.org/index.php?rub=tononkira/hira&id=98

4. cutie ( 21/09/2006 18:32)
tsss
io efa nalefako io e
hery koa tss
5. mandrindra ( 22/09/2006 08:20)
tamin'ilay che bel canto i francia no nihira an'io. i dadah sy fafa no nihira azy io hatramin'izay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0438