angoisse, anxiété ?

1. booboo ( 20/09/2006 11:26)
Misaotra mialoha ho an'izay afaka manazava ny maha-samy hafa an'ireto. Dia akory fitrangan-dreo sy ny fomba fiadiana aminy ? Ay, dia ny mahatonga an-dreo ?




2. mimich ( 20/09/2006 11:31)
za koa miandry fanazavana oh booboo
3. cutie ( 20/09/2006 13:41)
ndraso hianjy an'i watafon:lol:
4. Zina ( 20/09/2006 16:01)
l'anxiété est un état d'alerte, de tension psychologique et somatique, en rapport avec un sentiment désagréable de peurs, d'inquiétude, le plus souvent sans objet, ou disproportionné par rapport à son objet. On la distingue des troubles anxieux qui sont un état pathologique dans lequel un individu ne parvient plus à maitriser son anxiété.

ity to lasa adala mihitsy raha tsy mahay ko...

L'angoisse peut être définie comme émotion, en tant que sentiment durable de peur, s'adressant à un objet, à la différence de l'anxiété. L'angoisse est souvent de nature irrationnelle, contrairement à la peur
5. andry08 ( 20/09/2006 17:41)
Ilay taitaibaombina ireny e!
6. booboo ( 20/09/2006 18:25)
no maninona ?
7. Vaika ( 20/09/2006 19:28)
Araka ny hevitro indray dia ilay sentiment d'insécurité en face d'un danger plutôt indéterminé no hifandraisan'ireo notions roa ireo. Fa kosa eo amin'ny fotoana (durée) no tsy hitovizany. Tsy mitovy koa ny fomba fipotrany raha eo amin'ilay dualité esprit (sentiment)-corps (émotion) no jerena.
Izany hoe : ny angoisse (plutôt crise d'angoisse) no hitako mety kokoa dia ilay mitebiteby anaty fotoana fohy (na tsy fantatra aza ny mampitebiteby) dia ny fitrangany dia purement émotionnel. ny olona angoissé matetika (amin'ilay fotoana) dia maina ny rora, mibaribary ny maso (matahotra), mihenjana ny hoza-kibo, mangovitra, tsemboka, maina ny tenda, midobodoka ny fo...
Ny anxieux kosa dia misy notion d'angoisse ihany fa lavalava kokoa ilay fotona hisehony. Sentiment d'insécurité ilay izy (manana sentiment d'insécurité koa ny angoissé !). Ny olona lasa saina be sady mandrevy sady miketrona... no matetika anxieux. Na dia hainy aza ny olana tokony vahana dia mbola ao ihany ilay tahotra fa misy mbola ohatran'ny misy danger hafa tsy maîtriser tsara. Ny anxiété dia sentiment 'an'eritreritra)!
Na dia catégorique be aza ilay valin-teny dia azo atao hoe mifangaro ny sentiment sy ny émtion amin'ny angoisse sy anxiété nefa kosa tsy mitovy ny lanjan'izy ireo.
Raha alahatra izany dia toy izao :
stress>angoisse>anxiété>dépression>folie Tsy milahatra be ohatr'izao akory fa azo atao hoe mitovy amin'izao fa araky ny olona sy ny prôblema ihany koa io. (Miala tsiny amin'ilay vary amin'anana)
8. cutie ( 20/09/2006 19:35)
ty njay no hitako
http://www.redpsy.com/guide/angoisse.html
http://www.redpsy.com/guide/anxiete.html
9. fasaly ( 20/09/2006 20:27)
hummm: booboo: biz be njy a! tsara ny fametrahn'ny anlay dinika :-*
10. Vaika ( 20/09/2006 21:08)
Fanampiny kely :
Ny mahatonga ny anxiété sy ny angoisse dia problème de stress mal négocié. Indrindra fa raha olona manao am-po dia sahirana mihintsy.
Ny hialàna indray dia efa misy hevitra natsipy ao amin'ny "stress" atsy ambadika. Somary henjakenjana ihany ilay size fa misy azo raisina tsara izay natolotry ny namana rehetra ao. Fa raha somary fintinina dia (surtout ny hevitra mba natsipiko ao) :
- kojakojaina tsara ny vatana : ny saina sy ny vatana mantsy iray ihany. Sady maro koa anie ireo manifestations mentales d'un problème physique azo ialana tsara : tristesse, perte de l'estime de soi, le sentiment de faute, abscence de plaisir....
- une vie sociale équilibrée : sarotra kokoa ho an'olona tokana sy irery ny miady amin'ny fiainana, aleo tsara tohana ara-pitiavana (amin'ny lafiny rehetra).
11. fijo ( 21/09/2006 21:09)
angoisse=tahotra misy loza mananontanona.
anxiété=ahiahy.misy tahotra ihany fa somary kelikely.
12. mandrindra ( 22/09/2006 15:14)
booboo, izaho aloha dia tsy haiko ny manavaka an'ireo. fa ny fahafantatrako azy dia ny saina ihany no mahatonga an'ireo. rehefa hay ny mitantana sy mibaiko ny atidoha dia tsy tokony hisy ireo.
13. booboo ( 22/09/2006 15:42)
Misaotra aby klou ô. Na zany zany, naveriko novakiana in-jato kely aby ny nosoratanareo dia azoazo ratsiratsy eo ny famaritana fa mba afaka manome ohatra tranga iraika ahitana tsara ny mampiavaka n-dreo ve azafady ?


rehefa hay ny mitantana sy mibaiko ny atidoha dia tsy tokony hisy ireo.

ahoana ny fanaovana an'ireo ho an'ny oul manana io angoisse na anxiété io ? any ho any zany, tsy matanjaka tsara ny ati-dohany sa dia forcer-na fotsiny hoe " matanjàha " ?

Re- misaotra.
14. mandrindra ( 22/09/2006 15:46)
an3, tsy misy azo terena fotsiny hoe matanjaha ka. mila fivoarana tsikelikely. fantarina aloha hoe inn no atahorany, inn no antony mampatahotra azy, ny sainy mihitsy ve no matahotra sa santimaka ilay izy, ... dia arakaraka ny valin 'ireo fanontaniana ireo no hanazavana aminy tsikelikely fa tsy misy antony manokana tokony hatahorany
15. watafon ( 22/09/2006 15:55)
angoisse = tahotra tsy mety misava !
anxiété = fanahiana tsy mari-pototra ! mitarika fahatahorana raha tsy ahitàna vahaolana !
16. fijo ( 22/09/2006 21:16)
io fa mazava tsara
17. vale ( 23/09/2006 00:10)
marina koa ve fa indray2 ireny lovaina avy @ ray na ny reny niteraka?
18. andry08 ( 23/09/2006 11:04)
Ny hany fantatro dia olona taitaitra @ zavatra hitany fa tsy azony . Toa ny olona stressé lava ary indraindray manao "cauchemard" @ tsy misy antony fa miasa be loatra ny loha. Taitai-baombina e!Izay no fahitako azy. Olona niara-niaina t@-ko no nahitako an'io. Taitra ny olona tsy taitra fa taitra vao mamaky takotra hoy aho:)
19. fijo ( 26/09/2006 21:37)
voa kely ny sainy
20. mimich ( 27/09/2006 06:07)
fijo:

voa kely ny sainy



de efa tsy angoisse sy anxieté tsony zany fa efa depression sa folie
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4265