Ireo artista malàza sy ny zava-mahadomelina!

1. lemenakely ( 19/09/2006 10:06)
Tsy resaka honohono fa dia resaka marina izy ity ,tsy hita ihany ny momba and-raolombelona ity fa dia tadiavina ny vola nefa rehefa azo ka be loatra dia tsy hita intsony fa dia lasa manaonao foana.

Maro ireo artista malàza no lasa mivarilavo @ fisotroan-toaka sy ny fandraisana zava-mahadomelina rehefa avy eo: ao ohatra ry ELVIS PRESLEY maty mihintsy noho ny overdose , ry IKE TURNER vadin'i TINA TURNER , FRANCK ZAPPA ,ry JOE COOCKER izay nanao désintoxication soa ihany...hatramin'ny andriambavilanitra toa andry WHITNEY HOUSTON izay azo lazaina hoe vita hatramin'ny carriére satria dia tsy misy maison de production manao fifanekena aminy intsony eny fa na interview aza tsy misy intsony mbà ahazoany vola.

Ankoatran'izany moa dia ao koa ireo raharaha hafahafa toa ny resaka pédophilie izay mahazo an'i MICHAEL JACKSON .
Ka ny amehezana azy izany dia be siasia ihany ny olombelona fa raha mahantra loatra dia manaonao foana raha diso manana koa dia manaonao foana ihany koa ka dia aleo @ antonony ihany e! tsy tokony enjehina izany ny gasy @ ilay hoe MORAMORA !!!:-D
novalian'i lapino ny 23/09/2006 22:24
2. nanourand ( 19/09/2006 13:45)
de ouzy ny snou ou MOLAMOLA

=))=))
3. fiderana ( 23/09/2006 12:28)
Azo hatao tsara ny manao artista tsy miaraka @ zava-mahadomelina, fa miaraka @ zava-mahavelona, toy ny ronono,gateaux, ranomboan-kazo natoraly, sns.....ka rariny loatra raha zavatra ratsy toy izany no hiafarana ,satria miadondrona ka rehefa dondrona tsy misy mpitia ka inona indray hoy ianareo?.
4. lapino ( 23/09/2006 22:24)
Tsy ny manana rehetra kosa e! Ao anatin'ny lisitry ny mpanana indrindra izao, http://www.forbes.com/lists/2006/10/Rank_1.html , toa mba olona manana ny mahaizy azy daholo ihany.

Ny tontolon'ny mpanana angamba, mety ho ohatra ny tontolon'ny rehetra ihany. Saingy ny an-dry zareo raha misy manondrana dia lasa malaza sy lasa spektakla be, fa raha olon-tsotra na manondrana lavitra noho ry zareo aza dia tsy mahazo an'izay laza izay.

Raha ny momba ny artista ireny, mba meteza ange amin'ny toerany: mila mamokatra zavatra avy amin'ny aingam-panahy, mila manodina mafy ny imagination-ny sns ... kanefa miaina anaty pression mafy be fehizay: avy amin'ny public, avy amin'ny manager, avy amin'ny mpanao gazety, ... Ny aingam-panahy tsy ho tonga manko tsy andrasan'ny fotoana eo, nefa raha tsy tonga izy dia tsy hisy n'inon'inona. Tsy ampy hahatantesana an'izany ny qualité maha-artista fotsiny. Dia tsy ny fananany harena koa no mampivika azy ohatr'ireny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4528