ORERA BEEEEEEEEEEEEEE.....

1. besoiiin ( 17/09/2006 18:45)
hono hoa! mba efa nisy nahita MATOUTOU ANGATRA sy MPAMOSAVY ve nareo???? Mba tantarao hoe?
novalian'i besoiiin ny 24/09/2006 06:51
2. Fiffi ( 17/09/2006 20:04)
Mbola tsy nahita ka tsy mahafantatra eh!
3. vale ( 17/09/2006 21:02)
besoiiiin, efa nisy resaka momba an'io tao fa jereo, zà efa nahita asa na ireny ny hoe lolo fa labozia (lelan'afo fotsiny) mirehitra no hitako tanaty trano hantée izay!! ka tsy fantatro na lolo na angatra io na zvt nataon'ol koa fa nefa tena nahavariana le izy an!!
4. soanja ( 18/09/2006 04:09)
Zah efa niara niaina tamin'i Mpanmosavy ary efa nahita ny rehetra. Ny lolo indrya tena mbol tsy nahita alo aho. fa efa nahatazana afon-dolo alo ka tsy haiko na io no lolo na tsia.
5. Fiffi ( 18/09/2006 04:51)
soanja: de inona akia no nitranga ?
6. miranto ( 18/09/2006 07:13)
soanja:

Zah efa niara niaina tamin'i Mpanmosavy ary efa nahita ny rehetra. Ny lolo indrya tena mbol tsy nahita alo aho. fa efa nahatazana afon-dolo alo ka tsy haiko na io no lolo na tsia.



manao ahoana ankia ry soanja izany miara mihaina @ mpamosavy izany ? ,tsy ataony ninon'inona ve ndry ?
7. Fiffi ( 18/09/2006 07:18)
soanja:
Zah efa niara niaina tamin'i Mpanmosavy ary efa nahita ny rehetra.
soanja: nga akia tsy mampatahotra ny mpamosavy ? de fantatrin'ny olona rehetra ve hoe misy mpamosavy niaraka niaina t@ ndry de tsy handosiran'ny olona ve ?


8. TWINCAM ( 18/09/2006 12:52)
slt daolo e
Ra te hijery matoutou d mandeana any anjanahry d mitondra henondry d hahita nareo !! manana tantara bdb za fa marikoditra nareo ra zany no tantarainy eto!!! mbola ts nahita anizany dossier manidina fotsn zany nareo fa tonga d mitsipaka angamba , zava niseho betsaka e fa ts votantara eto daolo ,
9. sonwin ( 18/09/2006 13:06)
Mitadiava dia hahita :^)
10. mimich ( 18/09/2006 13:46)
bsoinnnnn> oh ela be zany tsy nahitana anao teto
ny rsakareo sy zakilinina tany am resak'olondehibe no tazako farany sa za koo no tara train hatrany???
11. besoiiin ( 18/09/2006 17:55)
mimich> marinzany tena ela tsy nandalo teto fa tany @ dezaka e! i zakilinina ary zao tsy hitako intsony, tena manimanina azy aho zany e! mbola any v izy????
12. besoiiin ( 18/09/2006 17:59)
TWINCAM> mba hitantarao patiny @ zany tantara bdb zany e! za lou tsy mbola nahita fa teny akaikinay no misy trano malaza ho misy matoutou! cité ilay izy ary nandritra ny fahazazako no efa nahalalako fa misy lolo io trano io! milako mintsy hono ilay izy! fa ny marina alou d izay mpanofa trano tonga ao dia tsy misy maharitra herinandro izany! ny sasany miditra androany d mody rapitso ny sasany mipetraka 3 andro raha b! fa hatramizao d tsisy sahy mipetraka ao!
13. Fiffi ( 18/09/2006 18:08)
zah aloha tsy te-hahita an'zany na te-ahalala an'zany an! :-D:-D
14. rabaradaka ( 19/09/2006 06:07)
Mankanesa eny amin'ny cimetière an'ny vazaha any Diégo dia hahita ianao sady ianao koa angamba borizano
15. mimich ( 19/09/2006 06:47)
besoiiin:

hono hoa! mba efa nisy nahita MATOUTOU ANGATRA sy MPAMOSAVY ve nareo???? Mba tantarao hoe?



asa aloha na matoatoa na angatra no filaza izany fa tam za nanao voyages m/ga tana tam 2002 no niseho ny tantara. Fotoana tsy dia mampisy loatra ny voyageur moa tamin'izay , ka nalalaka ny fiara nisy anay.Noho io dia nijanonjanona nandray olona tapa-dalana foana .Tonga teo Andriba dia nahatazana lhl niakanjo menamena izahay ( ny chauffeur sy voyageurs vitsivitsy, (izaho anisan'ilay nahita) nanakana ilay fiara de nijanona, de hita izao ilay olona oh nandeha niditra elankelan-trano izay rehefa avy eo, dia nihevitra izahay hoe haka entana izy de nandrasana teo ,efa ho 10 mn , de teo vao nifanontany ny mpandeha fa inn no natao teto de hoe miandry ilay olona nanakana teo. dia gaga sy nifanontany fa ny sasany nahita , ny sasany tsy nahita ilay olona akory. dia nivoaka nitazana mihitsy ilay chauffeur , fa hay na ilay hita oh elakela-trano aza oh somary maizina kely zany fotsiny fa tsy elakelan-trano akory, zay vao niainga sady gaga , no nametraka fanontaniana we matoatoa ve ilay nanakana ilay fiara sa inn????????????????
16. besoiiin ( 19/09/2006 10:40)
brrrrrrr... orera kely zany an! mampitaintaina ihany zany ry mimich an
rabaradaka> f'angah kou hatramin'ny matoto aty diego manavakavabolokoditra? d mankahala borizano kou v? :-D:-D:-D za alou efa nandalo teny matetika fa mbola tsy tojo izany e..
17. vale ( 19/09/2006 12:10)
:-D:-D:-D:°)
18. soanja ( 20/09/2006 01:00)
miranto:

soanja:

Zah efa niara niaina tamin'i Mpanmosavy ary efa nahita ny rehetra. Ny lolo indrya tena mbol tsy nahita alo aho. fa efa nahatazana afon-dolo alo ka tsy haiko na io no lolo na tsia.



manao ahoana ankia ry soanja izany miara mihaina @ mpamosavy izany ? ,tsy ataony ninon'inona ve ndry ?



Miranto sy Fiffi> zah tsy nahafantatra tamin'ny voalohany hoe miara miaina amin'ny mpamosavy aho. Fa isaky ny alina fotsiny dia matory tsara iny aho dia misy zavatra manindry be eo amin'ny tendako sy tratrako nefa tsy hitako, mila ho kenda aho. Dia mivavaka haingana aho fa mila ho sempotra. Dia miafana ilay izy rehfa elaela dia manohy matory aho. Noresahiko tamin'izay ankizy namako izay le izy dia toran'ny homehy izy fa mpamosavy no miara miaina amiko hono. Tsy misy tsy mahalala n'izany ny eo antanana ary mino ry zareo fa efa nihinana sakafo mosavy aho. Zah anefa mbola tsy narary mihitsy na izany az. Indray atoandro izay dia natory atoandro aho fa reraka be avy niasa maraina be namadika bainga dia vao tonga tao antrano aho de nesoriko ny ankanjoko rehetra de nidabok aaho fa ny efitranoko mantsy misy varvarana vao tafiditra ao. Dia miara- lakozia sy toarana fisakafoana izahay. Tampoka teo henoko ilay fofona alohan'ny hahakenda ahy. Nitsangana tampoka, zah miboridana be, nodakako ilay varvarana, nisokatra ny varvarana fa tonga de notolomiko sady nanaovako teny mahery no nasiako ny totohondry mafy ny tarehiny.
"Miala any mpamosavy, hery ratsy. Jesus please save this person! Amin'ny anaran'i Jesoa. Ndana mandeha" Notondroiko mafy tsy nihetsika toe amin'ny orony zah teo akaikin'ny fandriana izy dia tsy nahahetsika nahita ahy fa nangovitra, tsy nampoiziny. Lasa nihazakazaka haingana nivoaka ny trano dia tsy niverina raha tsy maraina.
Hatramin'izay dia alohan'ny hatory aho dia nivavaka no sady ny baiboly eo akaikiko. Nasian'ny mpimasy hasina tao ambany fandrianako ary voanjobory eo akaikin'ny fandriako. Ny olona tao antanana no tsy nanaiky fa nampetraka ireo tao ambany fandriako. Isaky ny alina izy henoko rehefa lasa dia henoko rehefa miverina fa mitomany daholo ny alika. Fa raha vao mifanena izahya dia mitomany foana izy miankohoka amin'ny tany miboridana be. Dia miditra ny trano aho tsy manabataba azy. Indray andro izay dia nanoratako hoe "Matiko ianao raha mbola tratrako mamosavy ny sakafoko." Tsy niresaka momba n'io izahay fa dia lasa moa niala nifindra tanana afaka une semaine tafaran'io. 4 volana taty aorinan'io dia vohitsaky ny auto izy de maty.

19. besoiiin ( 20/09/2006 12:55)
grave iany zany ry soanja an! ny az tratrany iany... brrr
20. prime ( 20/09/2006 13:58)
Nanatona mpimasy izany ianao sa ahoana koa no anasiana hasina sy voanjobory izany tampoka teo?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1383