Manimba ve ny maha-Kristianina

1. dolby ( 15/09/2006 15:08)
Mahagaga sy mahavariana fa raha vao misy resaka somary mivoana kely, na resaka tokony hiadiana hevitra malalaka dia tonga dia mivatravatra be (agressif) ny Kristianina manome valiny manampim-bava, satria mety hoe tsy mifanaraka amin'ny fitaizana Kristianina ilay resaka.

Rehefa ao anatiny ve dia tsy afaka hijery ny fomba fisainan'olona ety ivelany ? Hoe tsy malala-tsaina intsony ve ? Ny ankabeazan'ny Malagasy dia betsaka no Kristianina, fa raha any amin'ny tafa dia betsaka koa ireo tsy Kristianina.

Na eto amin'ny forum aza ny resaka sasany izay tokony hahazoana valiny rationnelle dia lasa mifarana ho azy tsy fidiny ny ady hevitra.

Ohatra raha olona ety ivelany no mijery :
- Maninona no tsy mety voasana ny paoma-ko
- Dia misy mamaly ao hoe : Aoka Andriamanitra irery ihany no hamaha ny paomanao ???

PS : Kristianina izaho manoratra fa mba te hiady hevitra madio sy mba mila olona maneho hevitra araka ny fiheverany azy.
novalian'i soanja ny 07/10/2006 11:58
2. mandrindra ( 15/09/2006 15:16)
liana te ahita ny valintenin'ireo kristiana aho
3. Fiffi ( 15/09/2006 15:39)
dolby:
tonga dia mivatravatra be (agressif) ny Kristianina manome valiny manampim-bava, satria mety hoe tsy mifanaraka amin'ny fitaizana Kristianina ilay resaka.

PS : Kristianina izaho manoratra fa mba te hiady hevitra madio sy mba mila olona maneho hevitra araka ny fiheverany azy.
hummmm ! sur @ zany ve ianao hoe tonga de mivatravatra ny Kristiana ? tsy ny contraire ve azo hilazana azy @ maha-Kristiana azy ?
Ady hevitra kosa no hatao fa ianao zany no mandray avy hatrany hoe agressif ny Kristiana ! ka handeha hitampim-bava kosa ary ve izy ireo ?
Fa ny hafa izay Kristiana tsy mitovy aminao ve zany dia tsy adi-hevitra madio no hataony ?


4. pissoa ( 15/09/2006 18:45)
# Misy Kristianina mivatravatra - na resaka Kristianisma na tsia no resahina. :-D:-D:-D

Misy Kristianina tsy hivatravatra aminao eo mihitsy, fa hihomehezany fotsiny izay teneninao - na dia manompa Kristianina aza. :-D:-D:-D

# Misy tsy Kristianina mivatravatra. Misy tsy sasatra mi-traiter ny Kristianina ho olona voasasa ati-doha. :-D:-D:-D

Misy tsy Kristianina tsy hivatravatra eo mihitsy, na New Testament aza no ataonao cadeau d'annif-ny. :-D:-D:-D

# Na tsy mivatravatra aza ilay Kristianina, dia ho raisin'ny miresaka aminy hoe mivatravatra ihany satria zavatra tsy misy ho azy no resahin'ilay Kristianina. Rehefa misy miteny hoe tsy misy hoa zany Andriamanitra izany ... na hoe fa taiza koa zany andriamanitra izany no niteny an'izany e - dia tadidio fa mivatravatra koa izany ho an'ny Kristianina (fa ry zareo tsy miteny). :-D:-D:-D

Iza no tena mivatravatra? :-D:-D:-D
5. pissoa ( 15/09/2006 18:46)
Valin'ny fanontaniana amin'izay:
Manimba ve ny maha-Kristianina
Tsia :wink:
6. lapino ( 15/09/2006 19:53)
Ilay olona raisina hoe Kristiana ve aloha:
- izay misalotra an\\\'ilay anarana hoe \\\"Kristiana\\\" rehetra
- izay manonona ny anaran\\\'Andriamanitra rehetra
- izay mitanisa andinin-tSoratra Masina rehetra
- izay katolika na protesta na avy amina fiangonana mitondra ny anarana \\\"Kristiana\\\" rehetra
... sns ... :?::!:

Ny Kristiana izay nandray ny Fanahy Masina, dia izay itarihan\\\'ny Fanahy azy no ataony. Ary TSY MANIMBA mihitsy ny maha-Kristiana amin\\\'izay.
7. cutie ( 15/09/2006 19:57)
Mpandefa : mandrindra [ Valio ] 15-09-2006 17:16:04
Lohateny : Re : Manimba ve ny maha-Kristianina
liana te ahita ny valintenin'ireo kristiana aho

za koa :wink::wink::wink::wink:
8. maditra ( 15/09/2006 20:15)
Aza fanatika fotsiny dia milay ny fiainana. Na Kristianina enao, na Silamo, na Boudist, na philosophe, fa rehefa tsy fanatika dia milay ny revinao!
Ilay mieritreritra ny hevitr'olona hafa tsy mitovy amin'ny tena ho hevitr'adala iny no tena olana amin'ny resaka finoana sy fomba fisainana ity!
9. kiadytsilaitra ( 15/09/2006 20:15)
Toy ny zavatra rehetra ohatra : sokola, nivaquine, asa, fatoriana, fandinihana, avendranana, blablabla etsetra etsetra, dia manimba ny maha-kristianina rehefa tafahoatra. :^)
Avy eo ny momba ny fahasimbana no mety tsy hitovizan-kevitra. ilay hoe "mi-paorina" mantsy misy karazany be de be, arakaraky ny saina mitsara.

Amiko manokana, ny hitako milay @ io firehan-kevitra iray io dia ilay "message de tolerance" vimbininy. Ka rehefa olona milaza azy ho kristianina no mampiseho fihetsika "tsy tolerant" dia efa simba izy zay amiko.
10. cutie ( 15/09/2006 20:39)
Mpandefa : maditra [ Valio ] 15-09-2006 22:15:31
Lohateny : Re : Manimba ve ny maha-Kristianina
Aza fanatika fotsiny dia milay ny fiainana. Na Kristianina enao, na Silamo, na Boudist, na philosophe, fa rehefa tsy fanatika dia milay ny revinao!
Ilay mieritreritra ny hevitr'olona hafa tsy mitovy amin'ny tena ho hevitr'adala iny no tena olana amin'ny resaka finoana sy fomba fisainana ity!

=D=D=D=D=D=D
11. fijo ( 15/09/2006 21:09)
raha ny fomban'ny kristianina sasany aloha no jerena ,dia tena manimba tokoa le izy.
12. cutie ( 15/09/2006 21:11)
marina zany :lol:
13. fijo ( 15/09/2006 21:21)
sasany wa an,misy mantsy dia tena mahay mamaly ampanajana tokoa ary mahay manazava ampahatsorana.
14. cutie ( 15/09/2006 21:24)
eny wa :lol:
15. Fiffi ( 15/09/2006 22:04)
Raha olona milaza fa Kristiana nefa tsy mahay fandeferana dia tsy hitako zay maha-Kristiana azy.

Misy koa anefa olona tsy Kristiana nefa mahay mandefitra .

Io lazain'i kiadytsilaitra hoe misy ny message de tolerance fa tsy hasiana abus kosa.

Fijo: fa manimba an'iza ?
16. cutie ( 15/09/2006 22:10)
Fijo: fa manimba an'iza ?

ny fiaraha monina:lol:
17. fijo ( 15/09/2006 22:49)
io lazain'i cutie io ka
18. soanja ( 16/09/2006 03:50)
Sarotra ity resaka ity satria lalina tokoa.
Ny Jiosy aloha dia miteny hoe raha ny zavatra iray na dia tsara aza ka raha mihoatra loatra ny habetsany zany hoe mitobaka na mihoapefy dia lasa tsy tsara intsony fa manimba. Zany hoe lasa ratsy.
Ka ny finoana amiko dia toy izay daholo n'aiza n'aiza. Mila mahay mandanjalanja.
Raha mbola eto ambonin'ity tany ity anefa dia sarotra ny fahamasinana izay tsy hitondra amin'ny faharatsiana na fanimbana mihitsy. Ny fahotana dia manimba. Ny nofo anefa mitondra fahotana koa. Noho izany dia ny zava-drehetra ara-nofo ka tsy voalanjalanja dia manimba daholo. Matoa nanimba dia tsy voalanjalanja.
19. VIRGINIE ( 16/09/2006 04:47)
Ny kristiana amiko dia olona misalotra ny fanahy masina ,tokony hanana toetra tahaka an'i Kristy.Hanimba ahoana moa?Ny fianana Kristiana aza no mampilamina ny fiaraha-monina fa ny olona no manivaka amin'izay tiany atao.Raha mba Kristianina mino an'i Kristy daholo manko ny Malagasy ,angamba handroso ihany ty Malagasy mahantra kely ity...Ny tiako hambara dia tsara ny fiainana Kristianina e!
20. pissoa ( 16/09/2006 14:25)
Hono hoa - ahoana moa izany hoe Kristianina tafahoatra? Toa misy miteny hoe rehefa tafahoatra dia ratsy mantsy. Mety hoe lasa tsara Fanahy sy be Fitiavana mihoatra noho i Kristy ve? Zavatra tsy misy aloha io raha ny fahafantarako azy hatramin'zao :-D:-D:-D

Ny olombelona Kristianina tsirairay dia samy manana ny kilemany daholo (Avaho ny hoe Kristianina sy ny hoe Kristy). Iny toetra tsy dia Kristianina loatra iny no mety manimba ny "fiaraha-monina", fa tsy ilay maha-Kristianina azy tsy akory.

Ary misy olona eto amin'ny forum rehefa enjehina ny Kristianina dia tsy Kristianina no valinteniny, ary rehefa dokafana ny Kristianina dia Kristianina no valin-teniny. C'est bon mais ... c'est pas ca :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.744