Zaza sary

1. madagasikara ( 13/09/2006 06:31)
Manao ahoana daholo,
Matetika ny zaza sary dia victime eo am fiarahamonina, indrindra any antsekoly rehefa mameno antontan-ttsy... satria tsy mba misy anarana eo am RAY.
Marina fa tsy misy olona tsy manana RAY izany, ary eo no mahalasa ny eritreritro hoe: raha toa moa ka soratana am copie ny zaza teraka ny anaran'ny RAY-ny na atao hoe voafitaka ilay sipa na nilefa ilay " RAY" na par accident... no nazahoana ilay zaza.
Sanatria ve dia ho arakarahin'ny lalana ilay vehivavy raha toa ka manao izany? Dia ho sanatria ve hitory ilay vehivavy ilay atao hoe " RAY n'ilay zaza" raha maheno fa izy no Rain'ilay zaza?
Tsy haiko na mazava ny tiako ambara na ahoana, fa mba ezaho takarina raha sanatria ka tsy dia mazava.
Matetika manko ny lehilahy araka ny tantaran'ireny sipa2 kely bevohoka ireny dia miala-pa hoe " tsy izy no rain'ny zaza" , ka am izay raha mahalala izy fa mipetraka am copie fa izy no rain'ilay zaza dia hanaporofo izy na marina tokoa na tsia am alalan'ny test.
Vehivavy no miteny ary tsy sanatria ka manenjika ny lehilahy akory raha mametraka ny resaka fa kosa mba te-hahalala hoe inona no mety hisorohana ny adintsain'ny ankizy e.
novalian'i Fiffi ny 16/09/2006 15:26
2. xxx ( 13/09/2006 08:07)
Toe_javatra mampalahelo tokoa io, fialan'ny lehilahy andraikitra ! tsy manenjika lehilahy aho fa tokony hi_assumer le zavatra fara_faha ratsiny mba hoe hitondra ny anarany lay zaza na tsy handray anjara @fanabeazana sns..aza le lehilahy ; victime tokoa ilay zaza na eo @fiaraha_monina eny na de eo @fiainany ho avy aza ; tokony ho dinihan'ny lalàna izany zavatra izany (tsy haiko aloha raha misy lalàna miankina io resaka io );Amiko aloha raha mineur le sipa ka tsy mety handray ny andraikiny le lehilahy de tsotra ihany ny zavatra atao de ny fitoriana satria matoa natao io zavatra io de nifanarahana , fa tsy misy zaza tonga ho azy.
Dia ny hany hanampiako zay ngamba de hoe miankina @olona tsirairay raha misoratra @le rainy nge le zaza tsy voatery hoe hamelona na hanambady le sipa foana eh! betsaka ny zavatra azo hifanarahana ;mila fahalalan_tsaina be dia be avy @an_daniny sy ny ankilany
3. pissoa ( 13/09/2006 08:30)
Tsy azo atao kosa angamba raha hoe tsy mahazo ny faneken'ilay akory no soratana ao ny anarany e. Ny voka-dratsiny dia na tsy rain'ilay zaza akory aza ny bandy kely dia hisy hanoratsoratra any ny anarany satria izy bandy bogosy na dolaka be :-D:-D:-D

Ny vahaolana tsotra sady azo antoka indrindra, dia ny tsy manao bevohoka raha tsy efa fantatra fa hisy rainy ara-taratasy ny zaza. Efa betsaka ny fikafika ialana amin'io bevohoka ry vehivavy, ka mba ataovy izay tsy hisian'ny "accident" e :) ... Dia aza omena ny lehilahy manontolo ny tsiny hoe noho ny lehilahy no naha-zaza sary ny zaza.

:-*:-*:-* doly
4. booboo ( 13/09/2006 09:01)
Masiaka koa ange ilay fiaraha-monina e !
Agamba ny tsara dia atao fotsiny izay hampivelatra an'ilay zaza @ lafiny rehetra ( ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy, ara-pietsem-po sns ). Izay manodidina azy voalohany indrindra no mampita an'ireo : ny ao an-trano, ny havana. Mandeha tsikelikely io avy eo.
5. simplex ( 13/09/2006 09:47)
pissoa: ^:^^:^^:^ ekena 100%

mety somary teorika fa lazaiko ihany:

Raha ohatra efa mandroso ilay firenena, mety hoe azo atao any @ farira sasany any Dago koa, de ilay reniny manao fangatahana hoe i Rakoto no dadan'io zaza io, de ny tribonaly na otran'izany no mi-convoquer an'i Rakoto hanao test ADN, de raha vao mifanakaiky ohatra hoe >92% hitovizana de afaka manome didy ny tribonaly hoe i Rakoto no dadan'ilay zaza. De izay vao soratana ny kopia "integrale" an'le zaza.

:-*:-*
6. vale ( 13/09/2006 12:23)
Vehivavy za fa ny renin'ilay zaza indray amiko no responsable voalohany satria, tsy no-violer-na akory izy, ary azony natao tsara ny mandà, fa izy ihany no mahalala ny toe-batany, ary raha hita fa tsy teny hierana ilay zaza dia tokony tsy atao satria manjary fitiavan-tena:x
7. haridera ( 13/09/2006 12:51)
marina ny an'i Vale hoe tokony teny ierana ny zavatra ôtran'izany arytsy ataotao fôna, ka rehefa vita moa ilay izy dia mizaka ny andraikitrao ianao vehivavy raha bandy tsy milay sy mpiala andraikitra no niarahanao, ary dia anjaranao avy eo no mitaiza ny sain'ilay zaza sy manabe azy araka ny tokony ho izy tsy ho tojo ilay olana mety hitranga refa mameno taratasy any ampianarana na amin'izay trtsy rehetra mbola hataony.
8. cutie ( 13/09/2006 12:56)
Mpandefa : booboo [ Valio ] 13-09-2006 11:01:43
Lohateny : Re : Zaza sary
Masiaka koa ange ilay fiaraha-monina e !
Agamba ny tsara dia atao fotsiny izay hampivelatra an'ilay zaza @ lafiny rehetra ( ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy, ara-pietsem-po sns ). Izay manodidina azy voalohany indrindra no mampita an'ireo : ny ao an-trano, ny havana. Mandeha tsikelikely io avy eo.

miobon-kevitra
9. ramoul ( 13/09/2006 14:54)
ny soluiton dia tsotra fotsiny!mampiasa kapaoty rehefa tonga ny filana dia "sur" fa tsy ho bevohoka am'tsy ilavana azy nareo vehivavy!fa rehefa vita kosa ny mariazy de tsy afaka miala tsony zahay lehilahy avy eo rehefa bevohoka nareo.
Na ko rehfa tsy sur nareo vehivavy dia aza atao fa ho zaza-sary izay mivoaka eo ra toa ka mitsipaka ny "RAY"ny
10. booboo ( 13/09/2006 15:22)
ramoul > tonga soa ndray klou tsy mon coeur :-*:-*. Ela zany lé !
11. cutie ( 13/09/2006 15:24)
za koa vo saika hanao we ela ela tsy hita i ramoul :-D:-D:-D
12. pissoa ( 13/09/2006 15:29)
simplex, vale, haridera sy ramoul :wink:

madagasikara sy booboo, tsy mila ny fiaraha-monina hanao na inona na inona dia efa tsy mitovy ny fiainan'ny zaza sary sy ny tsy zaza sary ka. Na tsy misy miteny aza ny mpiara-monina rehetra, na tsy asiana intsony aza ny kopia nahaterahana (izany moa ny anarany am'teny gasy? :roll: ) sy ny carnet de correspondance any ampianarana sns; dia mahita sy mahafantatra ny zaza fa ny manany manan-dray nefa izy tsia ... dia any izy dia efa victime. Fa mitohy amin'ny tenenin'i booboo sy ny namana hafa hoe atao fotsiny izay hampivelatra azy amin'ny lafiny rehetra.

:-* daolo nareo de :-*:-*:-* ho an'i simp :-D:-D:-D
13. madagasikara ( 13/09/2006 16:58)
marina fa tsy cas-n'ny reehtra ny toa an'io lazaiko io. Ary misy koa ny nilaza teo hoe: atao izay tsy hahabevohoka, izany dia midika fa ianareo vehivavy no misahirana fa izahay lehilahy alao hanao izay tianay atao (inoako fa lehilahy no nilaza an'io an).
Firifiry anefa ny lehilahy no tonga dia mitsipaka raha ilazan'ny vehivavy fa hoe bevohoka izy. Ny vehivavy ihany ve zany no tokony hieritreritra hanisy kapoty? Misy anie ka tsy tonga ao antsaina izany kapoty izany rehefa tonga ny fotoana iraisana e.
Ohatra ary e, manao mokondoha fotsiny ilay sipa hoe: soratany eo am anaran'ny RAY eo ny anaran'ilay bandy nefa tsy niera t@ ilay bandy izy, satria sur izy fa iny no rainjanany. Dia inona no mety ho tohin'ny zavatra toy izany? Dia hahasahy hitory ve ilay bandy? Raha toa ilay sipa tsy milaza na am iza na am iza, inoako fa tsy hisy ny olana, sa?
14. cutie ( 13/09/2006 17:00)
de misy koa ny lhl tsy mety manaiky raha vao manao kapoty ny vhv :roll:
15. madagasikara ( 13/09/2006 17:06)
Dia hitanareo am izany, fa voa foana ny vehivavy, satria ny an'ny lehilahy dia ny fahafinaretana no tanjona fa ianao vehivavy no misahirana avy eo.
Ka izay indrindra no tokony anaovan'ny vehivavy mokondoha, dia ho hita eo izay paikan'ilay bandy rehefa mahalala fa izy no misoratra rain'ny zaza am copie. am izay fotoana izay izy na manaiky avy hatrany na manao test dia vao maika afa-baraka fa hoe olona tena te-hialangalana.
Dia izay angamba no mahatonga ny lehilahy sasany hilaza hoe: ny lehilahy anie ka lehilahy foana e, satria kapaina tsy hita fery lava. fa rehefa sendra ny vehivavy voakapa hita fery izy dia mba hisaina sy hiova ary hananatra ny namany.
16. zoanmi ( 13/09/2006 18:03)
zao bandy zao angamba no isan'ny olona mireconnaitre na eo anatrehan'ny lalana io na eo anatrehan'ny fiaraha-monina fa père célibataire. Ny nahatonga an'io dia tsotra, ny tena efa nitandrina, mikapôty tsara mihitsy fa sady nanisa andro koa dia ny kapôty natao ho andraikitro, ny andro natao ho an-dramatoa dia nentin'ny fahatokisana dia lazainy fa tsy nisy risika dia tsy nisakotra ny donto lahy kay izy ty te-hanambady hono. Izaho aloha tsy nanaiky ny hanambady azy e, efa fantany fa tsy mbola vonona ny hanambady aho, efa nolazaiko azy koa io fa dia nieritreritra ramatoa fa raha misy zaza dia hanaiky hilefitra ihany aho. Nipoitra ny kibo, izaho tsy nety nanambady saingy sur kosa aho fa ny zaza ahy dia nosoratako tsara tamin'ny anarako ny zaza, nomeko ny anarako, lasanay mianakavy fa ny mariazy, tsy hisy any io.

Isaky ny mameno documents zany zao razoky dia Nombre des enfants : 1, Situation de famille : célibataire.

Raha sendra ny bandy toa ahy aloha ireny sipa mpanao an'ireny dia asa angaha, himenomenona ve ? Izaho anie efa nikôzy fa tsy hanambady e !

Ho an'ny bandy indray, tandremo fa menarana ny vehivavy lesy ry tsamy, ny satroka izao tsy avela izany intsony na hisy ady alika aza.

Dia mbola hiteny ve nareo fa tia tena aho ? Miditra en connaissance de cause ny sipa an tadidio tsara izay, tsy noterena izy nanao koa, izaho koa tsy noterena fa ilay manao zaza derrière mon dos kosa fa te-hamatotra ahy : NIET !!!
17. cutie ( 13/09/2006 18:24)
ka i Zoanmi ange zany nandray andraikitra e, fa ny sasany mitsoaka fotsiny no mampalahelo.
18. pissoa ( 13/09/2006 20:30)
http://jentilisa.blaogy.com/post/122/1763 dia aza gaga raha tsy manaikinaiky mora ny lehilahy :roll:
19. vale ( 13/09/2006 21:23)
cutie& madagasikara>:) dia izay indrindra no tsy tokony hiterahana @ (hanekena hatory@) satria raha olona tena tia an'le vhv izy dia mi-comprendre koh:roll:
20. cutie ( 13/09/2006 21:24)
vale, ka misy koa ange ny accident e, jereo io lazain;i zoanmi io :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8885