Ny fitsipi-pifehezana eto @ forum

1. hery ( 08/09/2006 09:27)
Miarahaba ny rehetra.

Ity fitsipi-pifehezana eto amin'ny forum.serasera.org ity dia hitanao etsy amin'ilay hoe Fitsipi-pifehezana etsy amin'ny fanoroam-pejy http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/policy
Tsy hovoasako lava eto intsony fa hazavaiko kely fotsiny.

Isika rehetra ato dia samy manana ny fiainany manokana (vie privée) daholo. Na dia solonanarana aza no entina eto dia olona (fanahy sy vatana ary saina) no ao ambadika. Ka io resaka io no tena tiako singanina ao amin'ilay Fitsipi-pifehezana.

fitsipi-pifehezana:

Ny hafatra manohintohina ny fifandraisana amin'ny ompa, fanenjehana bontolo, fanaratsiana mivantana na ankolaka mihatra amin'ny namana mpikambana, na ny tomponandraikitra, na olona hafa ka handraisana fitarainana dia mety hiafara amin'ny fanesorana tsy ho namana ny mpikambana nanoratra azy


Izany hoe ny hafatra misy fanononana solonanarana mifono fanaratsiana na fanalam-baraka mivantana na ankolaka dia hofafaina... ary raha mitohy dia hiafara amin'ny fanesorana azy tsy ho namana.
Alohan'ny hitaraina hoe naninona no tsy ao intsony ny hafatra, dia jereo aloha sao nandika io fitsipika momba ny fiainana manokana io ilay mpandefa azy.

fitsipi-pifehezana:

Tomponandraikitra voalohany amin'ny dinika tsirairay iandraiketany ny mpandrindra sy ny mpamorona ny lohahevitra. Raha misy fitarainana momba ny lohahevitra, anatiny sy ivelany, dia any amin'ireo mpandrindra na mpamorona azy no alefa.


Tsy misy zavatra tsy vitan'ny fifampiraharahana (dialogue), koa raha misy olana dia resaho mangingina aloha ny mpandrindra isantsokajiny na rehefa tsy mahazo valiny avy any dia manoratra aty amiko.

Averiko ihany, natao indrindra ny fandefasana hafatra ao amin'ny namana mba hisian'ny fifandraisana manokana sy mivantana eo amin'ny mpikambana tsirairay. Tsy fitaovana hanaovana izany fifandraisana manokana izany ny forum.

Dia mirary soa hatrany.
novalian'i Simpona ny 11/09/2006 15:58
2. Fiffi ( 08/09/2006 11:54)
misaotra anao ry Hery nampatsiahy an'ireo fitsipika ireo! :)
3. Simpona ( 08/09/2006 12:26)
fanaratsiana mivantana na ankolaka mihatra amin'ny namana mpikambana,


Rehefa ahoana no heverina fa fanaratsiana an-kolaka, mieritreritra mantsy aho hoe mety hifangaro ami'ny tsikera mifono fananarana atao amin'ny namana io.

4. hery ( 08/09/2006 12:28)
Simpona> ohatra: "Io olona nanoratra teto amboniko io dia ..."

Tsy miteny ps aho amin'io :-)
5. Simpona ( 08/09/2006 12:38)
Tsy tokony hatao zany ny miteny ps rehefa manao tsikera amin'ny hevitra aroson'ny namana, sa ilay tsikera miits no tsy azo atao, ... de ahoana indray zany ny adi hevitra ??
6. pissoa ( 08/09/2006 12:41)
Simpona, ny mitsikera hevitra hafa mihitsy kosa e ... raha mitovy hevitra daholo dia tsy misy ady hevitra tsony. (Sa hofafana ve zah miteny hoe Simpona io :-D )
7. Simpona ( 08/09/2006 12:53)
:lol::lol:
8. Simpona ( 08/09/2006 12:57)
Ny mahatonga ahy manotany tsara mantsy nisy fotoana aho somary hentitra tam dinika sasany, ary nanonona ps ke mieritreritra aho hoe mety voakasik'io fampatsiahivan'i hery io.
Raha tsorina dia tiako tenenin'ny hery mazava we diso ve za tam'reny (mino aho fa fantatr'i hery ny dinika tiako ambara eto)?
9. hery ( 08/09/2006 13:28)
Simpona> raha tsy voafafa dia tsy diso... raha tsy nanaraka fitsipika mety ho tadidiko ihany :-)
10. papala ( 08/09/2006 13:30)
Hery : misaotra fa tokony manao ohatra misongadina be hianao, fa ny ahy matetika oh tsy mivoaka mihintsy, fa asa na za no tsy mahay mi-forum ?

11. Fiffi ( 08/09/2006 16:04)

fitsipi-pifehezana:

Ny hafatra manohintohina ny fifandraisana amin'ny ompa, fanenjehana bontolo, fanaratsiana mivantana na ankolaka mihatra amin'ny namana mpikambana, na ny tomponandraikitra, na olona hafa ka handraisana fitarainana dia mety hiafara amin'ny fanesorana tsy ho namana ny mpikambana nanoratra azy






12. hery ( 08/09/2006 16:37)
Papala> raha tsy mivoaka ny hafatra dia ilazao ny mpandrindra an'ilay dinika... araka ilay voalaza eo ambony io.
13. Simpona ( 11/09/2006 15:58)
Misaotra an'i hery amin'ny fanazavana, dia misaotra ny mpandrindra rehtra amin'ny fifampiseraserana, misaotra antsiaka tia serasera, ... :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0781