Mahatsiaro tsy tiana

1. diamondra27 ( 05/09/2006 08:07)
Indraindray dia mahatsiaro tsy tian'ny olona ny tena na ny marimarina kokoa "tsy misy tia ahy". Izany no hita eo @ adoletsanta=tanora kely , na koa olondehibe azA;

Lasa ny eritreritro hoe: inona no mahatonga ny olona hiteny an'io? Ilay olona ve no misy olana sa tena tsy misy tia azy tokoa
novalian'i ninih ny 11/09/2006 11:39
2. kala ( 05/09/2006 08:41)
tsy misy olona tsy tiana zany ry diamondra27 fa ny tsy fahaizana mandray ny fitiavana asehon'ilay olona iray hafa no mahatonga ilay sentiment hoe "tsy tian'ny olona" izy.Mila mahay mandray sy manome fa tsy miandry mahazo eo fotsiny. Amin'ny fomba fijeriko io an!:wink:

Asa aloha na izaho no tsy mba nandalo izany adoletsanta zany. :D de ampy
3. xxx ( 05/09/2006 08:52)
Tsy misy zany; ny marina de zao refa tsy hizara fitiavana enao de sarotra be ko ny andraisanao le izy ;ny zava_dehibe de ny manome fitiavana fona na inona na inona zavatra mitranga :lol:
4. boubounezy ( 05/09/2006 09:43)
ra misy ty anah dé tena tiaviko @(l)madio, refa tsy ty anah dé tsy itako zé ifandraisana azy.
misy kou nefa mila fantarinao lé oull vô afaka mity azy enao, misy kou ny tsy tianao com ça wé tonga dé tsy tiny fotsiny zao enao, dé nefa kou reny lé itanao fa tsy tianao reny ra miezaka enao ny ahafantatra sy ho ty azy, dé mety tena fiavanana na fitiavana mafinaritra be no ho vokany avy eo. anotanio azy wé inn ny tsy itiavany anao ra azonao atao si non jereo lavitra ny toetrany ra tinao izy sy azonao tiavina. ny fitiavana tsy vôtery na ny andann na ny ankilany.;-)
5. diamondra27 ( 05/09/2006 09:44)
misaotra an'i kala sy bbnz fa marina aloha io lazainareo io saingy eo @ilay olona misy olana dia sarotra aminy ny hilaza hoe: tian'olona izy

ka ohatra ary hoe: ilay olona na any antsekoly io na any @ club dia mitaraina hoe: 'za tsy tian'ny namako dia ahoana ny toro hevitra omena izany olona izany?
6. andry08 ( 05/09/2006 11:11)
Ka ny tsy tia anie betaska noho ny tia e! Rehefa tsy tia izy dia avelao ho eo fa ao ambadika ao dia mety misy olona tia. Ny fitiavana anie tsy mba misisika .
Ny hatao no hatao dia izay!
7. prime ( 05/09/2006 11:34)
Misy tokoa aloha tena tsy vitan'ny hoe tsy tia anao izy... ka raha samy mijanona @ toerany dia tsy maninona, fa misy tena "harcèlement et menaces" mihitsy no ataony anao... betsaka no tratran'io na any @ toeram-piasana na any am-pianarana na eny @ fiaraha-monina tsotra eny aza...
8. dolby ( 05/09/2006 12:00)
diamondra27:

Indraindray dia mahatsiaro tsy tian'ny olona ny tena na ny marimarina kokoa "tsy misy tia ahy". Izany no hita eo @ adoletsanta=tanora kely , na koa olondehibe azA;

Lasa ny eritreritro hoe: inona no mahatonga ny olona hiteny an'io? Ilay olona ve no misy olana sa tena tsy misy tia azy tokoa


Tsy hoe tsy misy tia azy fa ireo olona eritreretiny sy tiany hitia azy tsy mitovy fijery aminy na tsy miraika mihitsy.


9. prime ( 05/09/2006 12:23)
Misy karazan'olona, jereny indray mandeha ianao, ambony ambany, dia mihodina tanteraka izy tsy fantatrao hoe inona no antony, ka mba rehefa tsy maintsy manatona ianao, noho ny antony isankarazany dia asehony anao @ izay ilay fankahalàny... zava-misy ho'aho io fa tsy simple hoe avelao @ izao izany... Rehefa lehibe ilay ankizy d indray2 mitondra complexes ho azy na aretina ho azy ilay izy...
10. xxx ( 05/09/2006 12:41)
fa maninona i diamondra27 no tsy misy mpitia??
11. prime ( 05/09/2006 13:34)
:lol:
12. bobone ( 05/09/2006 13:51)
:D
marina ny tenin'i kala aloha e! de hiandry omena fona kosa ve fa tsy hanome mihitsy e!!!
mazava hoazy fa mivoraka ilay fitiavana ka tsy mande @ toerana tokony ilana azy !
dia lasa miseho ho azy ny fankahalana! ...
ny vokany de lasa mihafihafy ! mihatakataka!!! mahatsiaro fa voageja e!
tokony hiezaka hampitovizina ny tadin-dokanga
13. diamondra27 ( 05/09/2006 13:58)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 05-09-2006 14:41:35
Lohateny : Re : Mahatsiaro tsy tiana
fa maninona i diamondra27 no tsy misy mpitia??


xxx: tsy izaho no tsy misy mpitia ka!
fa jereo tsara ilay size: ny zatovo ho'aho no manana io sentiment io matetika...

Prime: maninona no :lol:;-):-$:-$

bobone sy kala:ka le ados mbola tsy mahay manome tsara le fitiavana ange e!
14. jentilisa ( 05/09/2006 14:35)
ilay tontolo koa mety ho nanadino ny haneho fitiavana an!
15. diamondra27 ( 05/09/2006 14:37)
jentilisa : hazavao bebe kokoa hoe
16. kala ( 05/09/2006 15:50)
diamondra27 > tsy haiko fa raha any amin'ny club na groupe kosa aloha no misy ilay olona mahatsapa tsy tiana dia mety mila ezaka koa ange avy any aminy ê!Tsy haiko ilay olona na karazan'ireny le miseho snob ireny "snobinard" zany ê! ka logique be raha tsy dia tian'ny namany.
Ny tiako holazaina dia mila mampihatra kely le hoe "prendre le dessous pour avoir le dessus". Azafady fa teny frantsay le izy.
Mila manana souplesse sy sociabilité kely ny fihavanana sy fifandraisana amin'ny olona
omeo kourazy le ol hanao izany ê!
17. Fiffi ( 05/09/2006 16:55)
kala:
Tsy haiko ilay olona na karazan'ireny le miseho snob ireny "snobinard" zany ê! ka logique be raha tsy dia tian'ny namany.
nefa tena tsy logique mihintsy io satria fantany fa tsy tian'ny olona izy koh maninona no mbola hanao na miseho snob hiany ? :roll:


18. mirana5 ( 05/09/2006 20:21)
Raha mahatsiaro tsy tiana dia mitotoha koba hatavy é:-D:-D:-D
19. cutie ( 05/09/2006 20:25)
:-D:-D:-D:-D:-D
20. Fiffi ( 06/09/2006 06:57)
fa matoa kosa aloha misy olona mahatsiaro tsy tiana zany de nisy zavatra nataony zany fa io tsy tongatonga ho azy fotsiny an!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2903