mba te hifandray @ ze te hamaly

1. enjanabe ( 04/09/2006 11:11)

Mba te hifandray @ze te hamaly na ze t hiresaka @ko fotsiny e!
vao2 d tsy koboko tsara ze tena resaka atao ato fa mba omeo sopapa ze manana e
na koa hoe inona no afaka ifampiresahana mba ifampizarana traik'efa na ohatyran'izany....
zay fa miandry izay hamaly aho izany e!
novalian'i kelly13 ny 12/12/2006 20:10
2. xxx ( 04/09/2006 13:58)
i enjana be
ve no anaran'ise
ka lasa matahotra
ary koa tena miahotra
ny olona namana
na te-handray tanana
vao mahita le hoe
enjana be
dia vaky mandositra
toy ny ombilahy vositra
ka asa aloha raha izaho
dia mba mitalaho
raha olona tsotra
toa an-dry dodotra
izay mora ifandraisana
sy ifanmpiresahana
fa raha enjana be
sahala amin'ise
dia hoy aho hoe
aoka aloha angè
nefa tiko be
ny miresaka amin'ise
mifampilaza vaovao
toy izay nataonao
ary koa mifandray
toy ny olona iray
ato anaty serasera
toy ny olona rehetra
samy Malagasy
na ireo monina any an-dafy
dia ato daholo
tonga mifanolosolo
mifampiantso hoe avia
sy mamboraka fitia
mifampizara izay ananana
ary tena hita hoe mpinamana
na dia tsy mifankahita
amin'ireo any am-pita
mba mahafinaritra ahy fotsiny ny manoratra ho anao , ka aza tezitra enao fa sommonga ny ahy eeeeeee
.......
Aza mora miferin'aina
hoy ra tsy lazaina


3. mamafara ( 04/09/2006 14:25)
fantatro io manao tsy lazaina io fa saingy izaho matahotra sao mbola enjana be noho ilay ery ambony
4. Fiffi ( 04/09/2006 14:46)
tena somary enjana be kosa ny poesie ho an'i enjanabe an! :wink::)
5. tafita ( 04/09/2006 17:29)
hita ange hoy aho fa mampimeh be
le hoe enjanabe

6. Fiffi ( 04/09/2006 18:06)
fa tsy ratsy kosa aloha ny an'i Tafita
fa ny rehetra dia nahita
na dia mampihomehy kosa aza
nefa mampiheritreritra ireo voalaza.
7. antsotokana ( 05/09/2006 06:12)
hamaly ahoana moa
ny tena ity madinika
aleo miarahaba aloha
sao mba hitan'ny mpandinika

enjanabe, enjanabe
vonjeo ry zareo fa sao maty eto
antsoy ireo namana bedabe
hiarahitafa amin'ny anterineto
8. kala ( 05/09/2006 15:27)
sali enjanabe an! oelikôm ê! :-*

saingy aleo mandeha sao mahamay eto fa ny tena sady tsy mahay tononkalo no tsy te hanana fahavalo
9. bloom ( 06/09/2006 06:44)
lé solon'anaranareo kosany alony tena mampatahotra be mitsy klé! tonga de mampitsoaka klé
10. andraina7 ( 08/09/2006 06:13)
=))=))=))
=D=D= dôly nareo fa m'lay e! de mafinartsa be le :lol::lol::lol::lol:
11. HESHA ( 12/09/2006 09:07)
tonga soa enjanabe
tena misaotra anao fa lasa artista ni namana tato zani noho ianao fotsini
tena grave marina
12. ninih ( 12/09/2006 09:37)
tonga soa ze vaovao de arabaina ze efa tonga. enjana be marina le ps a! otsany hoe nihaotera kely izany vao sahy nirisika hanoratra fa hay nafinaritra ilay tato ko! :-* :-* :-*
13. tafita ( 12/09/2006 20:59)
nankaiza indray ary no toa ela be
ra enjanabe
nandalo niserana niantso namana tato
avy eo dia nikatso
nihemotra mora tsy hita indray
sa nampiesona anay
fa ra enjanabe ve no anaranareo
dia hangina hatreo
nefa ny olona aza tonga hanome ny sopapa
hianarana mitafa
Izay izany aloha fa hoy aho hoe
Veloma ary O K
14. haridera ( 13/09/2006 14:07)
aingam-panahy zany ka aingam-panahy
enjanabe ka matahotra aho
fa dia tonga soa ato am serasera
mahaiza mande, sao dia mianjera
na lavo aza anefa aza matahotra
fa ao reo namana hanampy tsy hiahotra
ka dia mazoto mitafa, miresaka...
hatramin'ny farany aza mety ho reraka
15. riaana ( 11/11/2006 14:40)
manaonna daolo an!
mlay be lé oe enjanabe kah!
za kou vao tonga fa tena
nanaitra be lé oe enjana be
dé mba mamly natsy mahay poésie aza eh!
fa inona tokoa no tena mahaejana be anao e?
sa ny inonao no tena enjana?
zay fa mafinariteeeehhh bye bye
riaana
16. mpanota ( 27/11/2006 09:45)
Oay leh departement rap ve ato zany eh?
17. kallakelly ( 12/12/2006 16:58)
Tena be mpahay poésies kosa ato ity forum ity. Ny an'i xxx no tena tiako.
Ary aiza kosa i enjanabe no tsy mamaly intsony
sa ny teny rehetra teto no tsy tantin'ny fony,
Vazivazy daholo anefa no atao eto
ka tsy hitako izay tena tokony hampisento
18. simplex ( 12/12/2006 17:15)
kay i kala sy kelly ndray niaraka :}:} may ny tanety androany :-D:-D
19. kallakelly ( 12/12/2006 18:38)
Tsy handoro n'inon'inona akory aho fa mba mandray anjara fotsiny rehefa manam-potoana kely ka mijerijery ny hevitra tsara sy ny serasera eto @ity forum mahafinaritra ity.Atao ahoana moa fa mahafinaritra ny miresaka @ namana izay tsy hita sady tsy fantatra fa dia vinavina fotsiny no atao ny @ ny tsirairay avy hoe olona ohatry ny manahoana ary izany iresahako izany e?
20. simplex ( 12/12/2006 19:20)
euhhhh nananihany fotsiny za teo ka.
i kala sefon'ny mpanao :*
d i kelly coooool be mintsy

Tonga soa d mazotoa miforum.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6274