Ny maha Malagasy
1. soanja
(
01/09/2006 03:56)
Mba liana te hahafantatra aho hoe inona avy ireo zavatra hita ety ivelany na hetsika dia milaza fa malagasy tokoa ianao raha aty an-dafy no mipetraka. Misy fomba ahafantarana ny mahasamihafa antsika amin'ny hafa ve raha vao topimaso iray fotsiny sy mihaino azy miteny raha miteny teny hafa ankoatry ny Malagasy ve izy?
novalian'i dailynews ny 12/09/2006 20:05
2. jentilisa
(
01/09/2006 05:50)
ilay endrika sy bika ve no tianao holazaina sa ilay fomba fitafy? Raha fomba fitafy aloha raha tsy ny maro an'isa mihitsy no manavaka amin'ny zavatra iray tsy ho hita mihitsy e! nefa rehefa te-hiavaka mety holazain-dry zalahy Eoropeana fihaviana ho "Integristes" indray. Jereo ny manjo ny silamo!
3. soanja
(
01/09/2006 06:05)
Ilay endrika sy bika tokoa ary ny feo mivoaka ny vava rehefa miteny teny hafa tsy Malagasy. Ny fitafy moa mazava raha ohatra ka misy hoe Madagasikara dia tonga dia fantatra na tsy hitafy lamba landy sns aza ny vehivavy. Matetika tokoa mantsy aty US dia ireny T-shirt milaza Madagasikara na Malagasy (Maki na Kameleon na Boabab sns) ireny no ahafantarana hoe namanay izany. Fa raha misy zavatra hafa dia mba lazao eto sao misy hanavahana azy ihany fa zah tsy maharaka mihitsy. Indrindra rehefa miaraka amina vazah ry zareo. Fa raha samy gasy manko dia fantatra satria tsy maintsy hiteny gasy ihany, raha tsy hoe angaha nisafidy tsy hiteny gasy intsony.
4. tywa68
(
01/09/2006 06:53)
Soanja ve rehefa mifankahita @ gasy tsy tonga dia mifampiarahaba naturellement aminy, angambany eo @ fijery sy ny fihetsika dia hita hoe gasy e
5. soanja
(
01/09/2006 07:09)
Ka izay indrindra te hiarahaba aho fa tsy fantatro na gasy ilay olona na vazah tsy fotsy. Aty anie dia be ny olona mitovy amin'ny gasy raha tarehy sns e. Zah moa izany dia afangaron'ny olona foana hoe Mex. na avy any filipina sns fa tsy probleme. Fa mba hafa ihany raha tonga dia fantatra ilay olona hoe gasy.
7. jentilisa
(
01/09/2006 09:47)
raha mahay teny espaniola izany i sonja no tena gravy fa tena mex mihitsy!
9. lapino
(
01/09/2006 12:43)
soanja:Ohatra hoe iresahana izy. Ompa reny ohatra :)
Misy fomba ahafantarana ny mahasamihafa antsika amin'ny hafa ve raha vao topimaso iray fotsiny sy mihaino azy miteny raha miteny teny hafa ankoatry ny Malagasy ve izy?
11. lapino
(
01/09/2006 13:21)
That can make you 8O, tywawa ? :wink:
Tsy ny hanompa no tanjona am'zany ka! Tonga dia mampisy ambiansy cool aza :)
Tsy ny hanompa no tanjona am'zany ka! Tonga dia mampisy ambiansy cool aza :)
12. vakiniadiana
(
01/09/2006 13:44)
Marina ilay somary miteny ratsy kely e, tonga dia mitodika raha gasy.
13. nikopol
(
01/09/2006 13:55)
Ny ahy raha mande irery tsy dia fantatro hoe gasy ! fa raha mande miaraka matetika misy hahafantaran'azy! karazan'olona tsy dia mitovy nefa miaraka! ny sasany tsobolo , ny sasany somary olioly ny sasany somary ngita. Ny sasany mainty, ny sasany fotsy, ny sasany ohatran'ny arabo, ny sasany ohatran'ny afrikane, ny sasany ohatran'ny sinoa, sy ny sisa.
Rehefa mahita karazan'olana tsy dia mitovy miaraka za nefa miresaka be dia matetika mieritreritra fa gasy ireny olona ireny.
Eo amin'ny fomba fiankanjo koa no hahalalko ny gasy matetika.
Rehefa mahita karazan'olana tsy dia mitovy miaraka za nefa miresaka be dia matetika mieritreritra fa gasy ireny olona ireny.
Eo amin'ny fomba fiankanjo koa no hahalalko ny gasy matetika.
14. andry08
(
01/09/2006 16:38)
Ny ahy dia ny handrina no notenen'ny malagasy vavy iray fony tany espagne aho hoe: malagasy ianao hoy izy, izy koa malagasy saingy toerana mifanalavitra no hipetrahanay aty frantsa. Hita eny @ front hono
15. cutie
(
01/09/2006 21:07)
Mpandefa : soanja [ Valio ] 01-09-2006 05:56:59
Lohateny : Ny maha Malagasy
Mba liana te hahafantatra aho hoe inona avy ireo zavatra hita ety ivelany na hetsika dia milaza fa malagasy tokoa ianao raha aty an-dafy no mipetraka. Misy fomba ahafantarana ny mahasamihafa antsika amin'ny hafa ve raha vao topimaso iray fotsiny sy mihaino azy miteny raha miteny teny hafa ankoatry ny Malagasy ve izy?
ny fitsikin-jy akia :lol::lol::lol::lol:
ny gasy manko hono raha hitsikitsiky :lol::lol::lol:
16. soanja
(
02/09/2006 05:52)
Zaha alo tena tsy mahay manopa kosa e. Be ihany izay zavatra mba efa nataoko izay fa io iray io tena tsy haiko mihitsy fa tsy mahatafavoaka ny tiako tenenina matetika.
Mety eo amin'ny handrina tokoa no misy an'ilay code hoe gasy ity na tsy gasy e. Somary mitsiky sy mirana izany rehefa gasy, ankoatry ny fitafy moa izany.
Mety eo amin'ny handrina tokoa no misy an'ilay code hoe gasy ity na tsy gasy e. Somary mitsiky sy mirana izany rehefa gasy, ankoatry ny fitafy moa izany.
17. kitjo
(
02/09/2006 11:20)
raha tazana lavitra ny gasy rehefa miaraka dia mivanitinitika foana rehefa miresaka na tsy re aza hoe miteny gasy
araka io nisy nilaza ambony io koa hoe tonga d naturel oe mifampijerijery foana raha samy gasy.
aty no tena sarotra koa nymanavaka azy satria ny malaisiens, indonesiens, filipino, thailandias, burmese....dia tena oh gasy izao mihitsy..fa di amarina io oe rehefa gasy anefa dia samy mba mijery angamba dia mifampijery2 naturellemt.
za fts taty vao haingana, nisy ankizy cotier izay fa oh teint le afro-american reny, d metisy sinoa, d sipa ohatran'ny malay...samy mividy zavatra zay d gaga b za miteny gasy ry zareo kay samy gasy dol zareo mandalo manao vacance teto fa ny endriny anefa local dol...

18. pissoa
(
02/09/2006 11:30)
# Tsiky :)
# Ny endriny ... rehefa tsy tonga dia fantatra hoe Aziatika ary izy izany sa Afrikanina sns dia anontanio fa mety gasy :-D:-D:-D
# Rehefa tsy mahay manompa dia mety koa raha tsy ompa fa teny gasy hafa e ... Arahabaina tsotra izao, dia rehefa tsy gasy dia teneno hoe nampoiziko fa Gasy ianao fa miala tsiny :roll::-D:-D:-D
Fa le ompa aloha mandaitra be e ... jereo sahady ny ataon'i Tywa vao miteny i lapino hoe ompa reny ohatra ... :-D:-D:-D
19. lapino
(
03/09/2006 01:42)
pissoa:Ratsy be raha mandaitra ilay ompa kle! Ny tokony ho izy aza hoe raha gasy izy dia tsy andairan'ilay ompa fa tonga dia mitsiky; Fa raha tsy gasy izy no mahazo ompa reny tonga dia http://www.youtube.com/watch?v=m3TcpQTm6gM :wink:
Fa le ompa aloha mandaitra be e ...
20. tywa68
(
03/09/2006 08:38)
Manompa zany kosa aloha mila fahazarana ê ! avelao ho an'i lapino sy ny tariny zany !
Raha hitako eo @ fijeriny fa te-hiresaka amiko koa le olona dia manontany azy aho hoe gasy enao ? sady mahazo tsiky izy @io. :wink:
Raha hitako eo @ fijeriny fa te-hiresaka amiko koa le olona dia manontany azy aho hoe gasy enao ? sady mahazo tsiky izy @io. :wink: