Kitro , Votsy , Nofo kely .

1. Fiffi ( 31/08/2006 07:29)

Hono hoa ry zareo , inona kay no mahatonga an'ireny kitro , votsy , na nofo kely maniry ireny ?

Inona no fanafody na fomba hanalana azy ?

Misy nofo kely zay eto @ tanako , ohatran'ny hoe maniry mihintsy le izy satria t@ voalohany de nisy nangidihidy teto @ tanako de nisy tasy kely.
taty aoriana de gaga zah raha nahita azy io fa nihalehibe le izy sady mangidihidy be sady mahakirikoriko ny mijery azy fa nofo kely milatsaka io .
novalian'i Fiffi ny 15/09/2006 16:17
2. papounette ( 31/08/2006 07:45)
Wata aaaa!inn moa ny anareny any @ lesona tsika talo reny mooo!
3. papounette ( 31/08/2006 07:46)
Fiffi::-*:-*:-*
4. dolby ( 31/08/2006 08:22)
Ny votsy toa hoe ra maloto moa izy zay. Fa amin'izay eny @ pharmacie efa misy manala azy ireny haingana dia haingana mihitsy.

Ny nofo maniry sy ny kitro indray tsy dia haiko. Fa misy fanafana koa angamba.

Nampihomehy taloha fa ny fanalan'ny olona an'ireny votsy ireny rehefa misy varatra mipoaka dia maka kifafa haingana dia fafana amin'iny dia hoe afaka hono :)
5. Fiffi ( 31/08/2006 09:49)
dolby:
Nampihomehy taloha fa ny fanalan'ny olona an'ireny votsy ireny rehefa misy varatra mipoaka dia maka kifafa haingana dia fafana amin'iny dia hoe afaka hono :)
:-D:-D de ahoana kay no hamafana azy @ kifafa nefa zavatra kely ange le izy eh! nefa ny kifafa ngeza hiany an! :-D:-D


6. felanawil ( 31/08/2006 12:09)
Ny mahatonga ireny de ny fijangajangana, ka sao de manao an'io enao? fafao amin'ny kifafa gabone haingana fa afaka, zà efa nanandrana tany dago.
:lol:
7. Fiffi ( 31/08/2006 16:35)
felanawil:
Ny mahatonga ireny de ny fijangajangana, ka sao de manao an'io enao? fafao amin'ny kifafa gabone haingana fa afaka, zà efa nanandrana tany dago.:lol:
:roll::roll::roll: inona koh no hidiran'ny fijangajangana @ ireo ?? :roll:


8. Fiffi ( 31/08/2006 16:36)
fa zah tsy ohatranao zany an! zah tsy manao an'zany !!
9. andry08 ( 31/08/2006 19:53)
Sao dia mba kista re e! Raha io dia be ny gras ao @ rà ka tokony hodidina eny @ dermato, raha votsy dia kryopharma dia mahaafaka azy. Tsy misy hidiran'ny fijangajangana izany
10. Fiffi ( 31/08/2006 19:58)
an3 ka ! tsy kista fa nofo kely tena kely le izy . Efa tany @ dermato zah de hoe halana laser le izy nefa ohatran'ny naheno zah hoe misy fomba gasy fanalana azy , tsy tadidiko hoe asa na le jus ny ravina figue moa izy zay ? de may de afaka ?
11. andry08 ( 31/08/2006 20:40)
:roll:
12. Fiffi ( 01/09/2006 09:35)
ka zay no nahatonga ahy nanontany kah!
13. watafon ( 01/09/2006 11:16)
-Ny votsy zany d antsoina hoe : Verrue , k izy io zany dia avy @ virus e ! matetika izy io afaka hoazy amzao tsy mila traitement, fa ny tena mahasitrana azy tsy hampiverina azy intsony dia ny Cryochirurgie @ fampiasana azote liquide, fa raha any @ faladia kosa izy d tsy azo atao an'io !
- Ny kitro indray dia misy karazany roa: misy ilay épaississement n'ny hoditry ny tongotra ftsn ( durillon) , izay mateti-pitranga, tsy marary izy io ary tsy mila traitement fa kikisana ftsn matetika dia afaka, avy @ pression mihatra amin'ny tongotra no mahatonga azy ; misy kosa anefa rehefa misy nofo kely maniry iny mhitsy izy (cor) , matetika avy @ kiraro tery loatra no mahatonga an'iny; io indray d mila fanafody:
http://www.doctissimo.fr/html/sante/mauxquot/sa_41_durillons.htm
14. Tanora ( 01/09/2006 11:57)
izaho misy ataoko hoe kitro ny anarany fa tsy haiko, fa eo @ faladia, ohny hoe nanao kiraro avo dia eo @ io faritra io no misy mitapelaka, hitanareo durillon àla plante zany e! sady matevina no marary refa avy mandeha tongotra elaela, mba inona no afaka anlana io fa mampijaly tokoa? misaotra, fa ny kitro eny @ rtsana sy anatin'ny ratsana dia voatabia manta no efa nadramako fa tena nanala tokoa, fa ilaina faharetana io an!
15. fijo ( 01/09/2006 20:36)
aty tokoa anie lasa mampisy io nofokely maniry amin'ny vatana io e.
16. Fiffi ( 04/09/2006 15:27)
fijo : tena mahagaga an !
17. rasoul ( 05/09/2006 14:00)
fiffi

tsotra kely ny fanalana ireny kitro ireny na votry ireny ry zareo a:

TONGOLO GASY no fanafodiny:

totoy fotsiny de avy eo fonosy indray alina @iny le faritra misy azy de zay (averimbereno ra sendra mbola tsy afaka tsara) de zay
tsotra e!!
(mety mangirifiry kely le izy ra efa ngeza le vontsy na kitro fa tsy olana zany; aleo miafy kely e)

de mba andramo fa tena mahasoa e,
de mba tsarovy refa afaka le izy e
18. Fiffi ( 05/09/2006 15:00)
rasoul: ok zany fa de lazaina raha afaka ! misaotra anao :):-*
19. fijo ( 05/09/2006 21:01)
fifii,tena mahagaga tokoa.
20. rasoul ( 06/09/2006 08:02)
tsisy fisaorana e
de mba lazao eto ny vokany e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1934