Dia ahoana rehefa ny vady tsy misy fitia intsony

1. anako ( 29/08/2006 18:28)
Iza mafatatra couple manambady fa tsy misy fitia intsony. Lay vehivavy tia ny vadiny fa lay lehilahy tsy tia anazy intsony dia tsy miteny izy fa na matoatra na mbola miandry zavatra. Nefa lay lehilahy efa mitady sipa. Dia aloho mivoka miarakaminy namana.
Mahalahelo mahita ny situation fa tsy misy miteny. Dia hitako fa otraminy tsy manambady.
Misaotra ho anareo. Fa mila conseils izy.
novalian'i ako ny 18/09/2006 16:47
2. chipie1 ( 29/08/2006 18:42)
efa hita ve fa tsy tia anao intsony lé olona de eretana eo , aza mampijaly tena ,raha iray no tsy tia mitotoa koba hatavy e !
bon courage !:-*
3. boubounezy ( 29/08/2006 18:45)
dé ra za izy dé miézaka za ny iala fa ra vitany retra vé ny misaraka dé tsy ovitako kou!! ra za io ny t@ toenany an! dé eritreretiko wé mety 6mois na 1an dé afaka ny fijaliko @ fitiavana azy. tatiny hafa ve tsy ho tantiko kou fa sô dé tsy matoky tena kou ary izy no matonga azy manao anizany?? tsy mety nefa zany an! fa maika manararotra ny sasany
4. cathy ( 29/08/2006 19:20)
anako
fa ahona no ilazanao hoe tsy misy fitia intsony izy:?:
miandry zavatra inona anefa na inona no tokony hatahorany
efa nilaza ve izy hoe tsy tia fa handeha hitady sipa sa nanao annonce izy hoe mitady sipa
misy zavatra tsy tantiny angamba ao antrano matoa izy tia mivoka miaraka aminy namany
tena mampalahelo ilay situation tsy vahaolana kousa ry reto ilay misaraka an raha mbola azo aravina ve ..
maninona raha miresaka de mifanazava de refa avy eo hay ny antony de afaka ahitana vahaolna de mi :* :* :*avy eo
5. Rafotsy ( 29/08/2006 19:28)
Ary ry zareo ve mananjanaka aloha ? Raha eny firy ary firy taona koa ?
Satria manko raha zah dia hiaretako eo aloha noho ny ankizy , indrindra raha tsy misy ny ady sy ny fimenomenomana ary mba misy fifanajana na tsy misy aza ny fitiavana ! Asa anefa , fa ny hisaraka kosa angamba tsy solution , raha izy moa ve no te hande , inona no azo atao ????
6. titis ( 29/08/2006 19:29)
olona efa tsy tia anao zany ve dia mbola hiaretana ao foana?mifanome lagy am_pitoerana fotsiny,fa aleo misaraka dia mifampitso-drano !
7. cathy ( 29/08/2006 19:35)
tsy vahaolana ny misaraka fa sarotra be ny manao divorsa injinja raha aty ampita an
matoa izy nivady nisy fitiavan fa tsy voakolokolo fotsiny de ....
fa raha miresaka na mifanazava mahita solution 8O
8. pissoa ( 29/08/2006 19:41)
cathy:
anako
fa ahona no ilazanao hoe tsy misy fitia intsony izy:?:
miandry zavatra inona anefa na inona no tokony hatahorany
efa nilaza ve izy hoe tsy tia fa handeha hitady sipa sa nanao annonce izy hoe mitady sipa
misy zavatra tsy tantiny angamba ao antrano matoa izy tia mivoka miaraka aminy namany
tena mampalahelo ilay situation tsy vahaolana kousa ry reto ilay misaraka an raha mbola azo aravina ve ..
maninona raha miresaka de mifanazava de refa avy eo hay ny antony de afaka ahitana vahaolna de mi :* :* :*avy eo
Miombon-kevitra =D=D=D


9. pissoa ( 29/08/2006 19:42)
cathy:
matoa izy nivady nisy fitiavan fa tsy voakolokolo fotsiny de ....
fa raha miresaka na mifanazava mahita solution 8O
Dia miombon-kevitra amin'io koa :-*


10. Fiffi ( 29/08/2006 20:15)
anako:
Iza mafatatra couple manambady fa tsy misy fitia intsony. Lay vehivavy tia ny vadiny fa lay lehilahy tsy tia anazy intsony
Raha ny hevitro indray ny @ io de zao:

-Matoa mbola tsy nisy ny resaka hoe fisarahana na ohatra hoe efa nilaza mihintsy le lhl hoe tsy tia anao intsony aho de mbola midika zany fa mbola misy fitiavana hiany .

-Raha toa manko ka tena tsy tia azy intsony le lhl de efa lasa ny resaka hoe fisarahana na divorce.

-Angamba lasa nangatsiaka fotsiny le lhl satria tsy voakolokolo le fitiavana fa anjaran'le vhv mahatsapa hoe tsy tia azy intsony ny vadiny no mba manao effort hiverenan'ny io fitiavana io .

-Matoa koa hoe mbola mijanona ao an-tokatranony le lhl na dia hoe mahatsapa aza fa tsy tiany intsony le vhv , tsy midika zany hoe tena efa tsy tiany intsony . Izy ve de hijanona ao an-tranony ao nefa efa tsy misy fitiavana na de pitiny aza ho an'ny vadiny ??

11. cathy ( 29/08/2006 21:23)
:*:*:*
tambitamby de :*:*:* de :lol::lol:
de (l)(l)
=))=))=))=))
^:^^:^^:^
12. vale ( 29/08/2006 22:03)
anako:

Iza mafatatra couple manambady fa tsy misy fitia intsony. Lay vehivavy tia ny vadiny fa lay lehilahy tsy tia anazy intsony dia tsy miteny izy fa na matoatra na mbola miandry zavatra. Nefa lay lehilahy efa mitady sipa. Dia aloho mivoka miarakaminy namana.
Mahalahelo mahita ny situation fa tsy misy miteny. Dia hitako fa otraminy tsy manambady.
Misaotra ho anareo. Fa mila conseils izy.
anako> raha namanao lay vhv tia mafy ny vadiny io, dia resaho ny vadiny, izy no namanao fa tsy ny vadiny, ary izay no maha,namana ny namana, fa raha hitsetsetra ftsn izany kay tsy hahavaha zavatra ah! ny fomba hiresahinao am,lay vadiny ftsn ataovy resaka milamina, tsara, lazao izy fa maninona loatra ianao no mivoaka lava toa izao? (oh,) nefa ny vadinao mila anao? fa dia inona loatra ny zavatra tsy nety nataony? nefa izy hitako fa tia anao mafy!! raha tsy hihaino @ zay dia efa tsy tia mihintsy intsony izany ka dia miala ny fanafody azon,lay vhv atao!!


13. malalatinasoa ( 29/08/2006 22:34)
Mandalo \"crise\" izany ny tokantrano.
Matoa mbola mody ao an-trano Rangahy sy tsy sahy misaraka (na dia efa mitady sipa aza) dia mbola misy zavatra maminy ao = tsy foiny ny tokantranony.

Matoa mbola miafy ao ilay ramatoa dia mbola zakany izany ny zava-mitranga, sady miala nenina izy.
Aleo andeha mivoaka miaraka @ namany (any izy mampiakatra moral, mahazo torohevitra, mihetsiketsika ary manamboatra vatana)toy izay arary fo itomany ao an-trano, dia avy eo ho kizitina be tsy misy iainana.
Rehefa falifaly avy any dia afaka manome :-* sy (l) an\'ity vady izay mitady variana any an-kafa.
14. boubounezy ( 30/08/2006 00:03)
vale(l):^)
15. maliang ( 30/08/2006 05:31)
tsy misy olana tsy misy vaha-olana , afaka manome vaha-olana daholo ny rehetra araka izay mety aminy tsara izany nefa mety hanimba zavatra betsaka ihany koa fa ny tena azo antoka indrindra dia ny maka vaha-olona @ Jesosy ilay mahay ny zavatra rehetra ny mivavaka no tiako ho lazaina @ izany ,misy mantsy olona tsy vohavahan'ny zavatra rehetra misy na ananana (vola , harena ,saina,fahaizana sns.....)
aleo mantsy mitaraina @ Andriamanitra voalohany indrindra aloan'ny hilazana ny olona @ namana .Ny torohevitra omeko ilay namana manana olana de ny mitaraina @ Andriamanitra ihany sy mifona ho an'ny vadinao sy ho anao koa satria Izy no tsy mba mandatsa ,aza maika maka fanapahankevitra ary tanteraho tsara ny andraikitra @ maha vady anao na dia hitanao aza fa misy lesoka eo @ vadinao .
16. booboo ( 30/08/2006 05:53)
hum...

Asaivo mifampiresaka tsara izy roa fa fanaovana politique de l'autruche zany tsy mamaha olana mihitsy zany ( vao maika aza manaloza ny raha ). Ramatoa miharitra fotsiny, harary ao ny farany (tokoa moa zany ) ; rangahy hanao sipa, nefa ny tena fototry ny olana aza tsy voavaha mbola hampiana olana hafa iraika koa ( ny hi-gérer-ny ny tokantranony, ny vadiny, ny zanany ary ny sipany raha fantatry ny vadiny, tantara be zany ! ).
17. nikopol ( 30/08/2006 06:41)
raha vehivavy i anako dia hiaraho ilay lehilahy sao dia ianao no tiana na ianao no tia azy. :lol:
raha i anako no ao anaitin'ilay situation dia miandrasa amin'ny taona ho avy fa mety mihatsara io rehefa tsaratsara ny andro.
18. soanava ( 30/08/2006 07:57)
Raha manana asa tsara ilay vehivavy dia avelao aloha ilay rangahy andeha any e miverina ihany io aoriana
dia ianao indray no misafidy eh ny vola ihany no
tadiavina mafy
19. tywa68 ( 30/08/2006 14:26)
Misy olona mody be problema rehefa te "hanadala" anao ry anako ! fa dia asakasakao hihaino na hino azy ! raha afaka manana 2 ve izy inona moa no ialàny ? ;-);-)
20. cathy ( 30/08/2006 15:40)

tena misy antony matoa izy mandeha any ivelany
raha izaho aloha eo aminy placeny anako dia zao no ataoko
miresaka de anotaniko ny antony de jereko hoe avy amiko ve no antony andehanany mitady hafa sa :?:
raha avy amiko de tambatambazako de :*:*:*:*:*
rehefa tsy voavaha eo injay de avelako izy handeha any refa leo any izy ve tsy hiverina hody ao antrano ihany:-D:-D:-D
Rehefa tsy rarahina mantsy izy de tonga saina farany:x
amin izay ho tsapany fa tsy mivakia loha aminy enao na eo izy na tsy eo de hanambitamby anao izy farany de :*:*:*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4951