Tatao

1. soanja ( 26/08/2006 05:12)
"Tsipazo Vato ny Tatao" Misy afaka hanazava an'io amiko ve azafady?
novalian'i fijo ny 21/09/2006 21:44
2. Simpona ( 26/08/2006 05:37)
Za kou tsy mahay fa samy miandry valiny isika :roll::roll:
3. boubounezy ( 26/08/2006 09:31)
:roll: dé samy miandry valiny kou zany e!:-D
4. miangalyandria ( 26/08/2006 09:48)
ny tataom-baravarana ve ????
5. booboo ( 26/08/2006 09:54)
tsy mitovitovy hevitra @ mandrora mitsilany ihany ve zany ? satria raha tsipazana vato zany ny tatao dia ny tena ihany no itotonan'ilay vato avy teo.

6. cutie ( 26/08/2006 10:41)
fa in zany tatao?:roll:
7. booboo ( 26/08/2006 11:00)
tsy tena haiko tsara fa azoazoako fotsiny ny dikany raha raisina @ ireto fomba fiteny ireto : mitatao vovonana, tataom-baravarana, loza mitatao....
8. kally ( 26/08/2006 11:37)
Mety tsy ho ampy ity fanazavako ity fa ny fahafantarako azy dia aro manodidina ny tanàna ny tatao, arak'izany dia ngeza be izy io,ary vato mifampitaingina no nanaovana azy.Asa be ny fananganana ny tatao ka mba hahavitana azy nefa tsy handaniam-potoana be loatra dia samy manipy ny anjara vatony av any amin'izay nalehany any izay mandalo eo.Dia io ilay hoe "tsipazo vato ny tatao".Misy namana any angamba mahay kokoa hanampy an'io fanazavako io.
9. pissoa ( 26/08/2006 12:13)
Resaka firaisan-kina ve izany ry Kally?

Misaotra fa androany vao haiko ny dikan'ilay tatao :oops::-*
10. tafita ( 26/08/2006 12:25)
Araka ny fahatadidiavako ny tantara fa efa ela be no nahenoako azy ka tsy ho tadidiko dahlo ry reto a
Izao e
Ny tatao dia tongoam-bato apetraka amin'ny sisin-dalana rehefa mitondra maty lavidavitra ireny amin'ny fotoanan'ny famadihana ( Fomba Bestileo araka ny fahalalako ) Dia io amantarana fa nandalo teo ilay razana ary niala sasatra teo ny olona nitondra azy am-pilanjana . Samy manipy vato eo izay mandalo ho mariky ny firaisan-kina sy ny fihavanana izay nolalain'ny Ntaolo tokoa . Matetika aza ny tongoam-bato izay atao hoe tatao dia mitondra ny anaran'ilay Razana nentina na nandalo teo ( Ohatra Tataon-dRamalemifo , Tataon-dRamora Any Imady any ireo ) Asa na misy avy any Imady any mba afaka manampy fanazavana e

merci
11. miangalyandria ( 26/08/2006 15:07)
Hay, ity tenin'i Tafita ity no marina, izay vao tadidiko ! Misaotra e :-*
12. soanja ( 26/08/2006 23:28)
Misaotra an'i Tafita nanome fanazavana. Io tokoa ilay Tatao tadiaviko. Ny nahitako tatao voalohany dia tao amin'ny Parc National Isalo. Rehefa ho any amin'ny parc iny mihitsy ianao. Ka asa io ilay Tataon'i Betsileo na tsia satria toa Bara no manakaiky ny any. Sa diso aho?
13. lapino ( 27/08/2006 09:56)
Tena mba nahita zava-baovao indray tamin'iny kle! Izay aho vao nahare an'izany resaka izany
Misaotra e!!
14. cutie ( 27/08/2006 20:30)
tafita
misaotra nanazava:P
15. miangalyandria ( 29/08/2006 22:55)
Ié, tamin'iny lalana ho any Isalo iny koa no nahitako an'io ry Soanja a ! Taty ambalavao sy manodidina aty. Mbola betsileo kosa raha any ambalavao hoy aho e sa diso aho :?:
16. soanja ( 30/08/2006 19:47)
Efa Bara Bory kosa ny any Isalo e. Mihoatra any Ihosy ianao defa izy aby. Betsaka Antaisaka koa iny faritra iny.
Ambalavao aloha vao Betsileo ka. Ary mety amin'io faritra io no be aza fa zah tsy nahatsikaritra fotsiny.
17. fijo ( 15/09/2006 21:18)
o rankizy an,diso be daholo izany lazainareo izany.
ny atao hoe "tatao" dia toerana kely eo amin'ny ilam bato.ohatra no hanazavako azy,fa sarotra .
hitanareo ny fasiana ranovoahasina?ilay ankorandriaka eo ampidiran'ny eglisy.
jereo fa misy talio vato misy toerana kely miantona toa io.izany hoe raha tsipazanao vato eo,dia mety hotafajanona eo ilay vato.matetika nefa milatsaka satria kisila ihany le toerana sady kely.
"izay no maha hoe (tsipazo vato azy)
ny finoan agasy indray dia nino,fa raha mijanona eo ny vato natsimpinao,dia manam bitana izany enao.ka rehefa dinihana le izy dia toa ny hoe fitsapana ny vintana anananao.
izay no atao hoe tatao sy ny momba azy.
raha misy mipetraka any ambositra enareo.dia iny lalana ery ambany tanana atsinanana iny,avy ao manolotrony mankany amin'ny stady akorondrano,no betsaka azy,ary mbola misy manipy vato tokoa ao.
18. cutie ( 15/09/2006 21:23)
fijo merci:lol::lol::lol::lol:
19. fijo ( 15/09/2006 22:48)
rehefa misy zavatra momba ny kolontsaina toa io ry zareo ka tsy hay,dia aleo atsahatra,fa manjary manoro diso ny namana ka manahirana.eritrereto hoe ny taranaka any aoriana dia ilay diso iny no atoro azy????:-D:-D
20. cutie ( 15/09/2006 23:01)
:-D:-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0513