Tatao

21. soanja ( 16/09/2006 03:42)
fijo:

rehefa misy zavatra momba ny kolontsaina toa io ry zareo ka tsy hay,dia aleo atsahatra,fa manjary manoro diso ny namana ka manahirana.eritrereto hoe ny taranaka any aoriana dia ilay diso iny no atoro azy????:-D:-D


Fijo koo, maninona raha tsy masiaka be toy izany. De tsy mba afaka haminavina ve izany ny ankizy fa dia aleo tsy miteny. Izao zao raha tsy nandalo ianao de tsy nisy nahay ny valiny. Kanefa mba samy mahalala hoe aiza avy no mety ahitana an'io farafaharatsiny. Any Isalo alo dia misy an'io fa izy hoe hidiran'ny resaka fiangonana no mahavaovao azy amiko.


22. mimich ( 18/09/2006 11:35)
fijo:

o rankizy an,diso be daholo izany lazainareo izany.
ny atao hoe "tatao" dia toerana kely eo amin'ny ilam bato.ohatra no hanazavako azy,fa sarotra .
hitanareo ny fasiana ranovoahasina?ilay ankorandriaka eo ampidiran'ny eglisy.
jereo fa misy talio vato misy toerana kely miantona toa io.izany hoe raha tsipazanao vato eo,dia mety hotafajanona eo ilay vato.matetika nefa milatsaka satria kisila ihany le toerana sady kely.
"izay no maha hoe (tsipazo vato azy)
ny finoan agasy indray dia nino,fa raha mijanona eo ny vato natsimpinao,dia manam bitana izany enao.ka rehefa dinihana le izy dia toa ny hoe fitsapana ny vintana anananao.
izay no atao hoe tatao sy ny momba azy.
raha misy mipetraka any ambositra enareo.dia iny lalana ery ambany tanana atsinanana iny,avy ao manolotrony mankany amin'ny stady akorondrano,no betsaka azy,ary mbola misy manipy vato tokoa ao.


fijo ah!!! tena marina io voalazan'i tafita io. raha amin'ny fomba betsileo de io nolazainy io no atao hoe tatao , ary io no nahatonga ilay fitenenana hoe "tsipazo vato ny tatao," oham-pitenenana betsileo mihitsy aza izy io raha ny fahalalako azy.

23. mimich ( 18/09/2006 11:39)
ary izay no mahabe tatao any amin'iny faritra iny satria fomba any ilay izy. Ambositra aloha no fantatro ee, fa ny faritra hafa tsy haiko
24. fijo ( 19/09/2006 21:42)
mimich an,ka any ambositra anie io toerana atoroko hoe misy azy io e.ary tany aho no nahalala sy nilalao ireny tatao ireny.fa tsy ambany akory ny tatao fa zavatra "mihantona"
25. mimich ( 20/09/2006 06:52)
mety samy marina zany hihi. eny e!! en general ny tatao dia zavatra ambony raha ny heviny no jereny (taoam-baravarana sns)
kenefa io zavatra voalazanay sy i tafita io koa dia tatao no ilazana azy.
26. fijo ( 20/09/2006 21:52)
fa io tatao io anie tsapa vintana e.raha hoeny ilanitra iny ndrydia misy koa eny.
27. mimich ( 21/09/2006 06:59)
aiza ho aiza eo Ilanitra
28. fijo ( 21/09/2006 21:44)
aty amin'ny vao hiditra aty ka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.8068