Izany ve no atao hoe foto-pisainana Malagasy @ fitiavana?
21. vale
(
26/08/2006 16:49)
marina zany, aza ivakiana loha fa betsaka ny tsy manao an,zany rakikih ah!
22. soanja
(
26/08/2006 22:26)
Misaotra an'i Kally nanoro an'io hevitro io.
Ny tiako anontaniana eto kosa amin'ilay mpanolotra (Rakikih) hevitra dia hoe : Vao sambany vao niaraka ve ianareo na hoe mbola eo mpikotina ianao dia efa nangata-bola na nanontany ny harenao izy sa rehefa mba efa niaraka elaela ka mieritreritra ny hiroso lalindalina. Izay manko no tsy mazava.
Izaho tokoa manko dia tsy mahita mihitsy ny olana hanampiako ny malalako raha toa ka misy ilany vola, indrindra amin'ny fahasahirana samihafa, satria nahoana? manan-karena fitiavana aho. Ka raha manontany amin'ny fo madio izy hoe manambola ve ianao fa misy an'izao olako izao ka hitako hoe mitombina dia tena tsy misalsala aho manome ilay vola satria tiako izy ary tiako ny hanampy azy. Fa raha hoe kosa hoe vao androany ianao no nikoty azy dia eny ampanaterana azy mody no miteny izy hoe sao mba misy vola kely any aminao fa tena misy ilako vola. Dia tokony hanontany tena ihany ianao izay hangatahina.
Koa noho izany miankina amin'ny fotoana sy ny fitiavana io fa tsy hoe rehefa resaka vola dia interets daholo.
Ny ankoatr'izay moa izany dia mazava ny hevitro ery ambony. Ny fifankatiavana dia harena any anatin'ny fo sy ny saina ary ny fanahy. Raha tsy misy ireo dia naman'ny foana ny zava-drehetra.

23. vale
(
27/08/2006 15:32)
soanja:Soanja: miankina @ fotoana hangatahiny vola io izany ve sa ahoana? satria raha mandinika ny voasoratra io ambony io aho dia hoe raha vao mangataka saosy izy dia ialao?! tsy azoko?!!saotra.
jentilisa:
Tena misy kosa aloha ny sipa tonga dia mangataka saosy mihitsy aloha! ahoana ary izany? tsy aleo tonga dia miala!
Raha vao saosy no angatahany dia fantatrao manomboka iny androtr'iny fa mivarotena izany izy. Tsara ny miala raha izany.
24. Herimiafina
(
27/08/2006 16:45)
rakikih:
Hono wa ry reto fa maninona kay no tsy manana foto-pisainana madio @ fitiavana intsony ny vehivavy malagasy ankehitriny fa raha mba mitory fitia aminy ianao dia izay intéré-ny mety ho azony aminao aloa no anontaniany voalohany vao miarak'izy.
Iza leisy izany hadihadiako koa ny interet mety ho azoko aminy klé? :^)
Misy indray rehefa mikaoty dai manao publicité tena be hoe manana an'izao sy izao, manana interet azo inonoana tsara, sns....Iny no tena henjana klé. :^):-D
25. soanja
(
27/08/2006 22:58)
vale:
soanja:Soanja: miankina @ fotoana hangatahiny vola io izany ve sa ahoana? satria raha mandinika ny voasoratra io ambony io aho dia hoe raha vao mangataka saosy izy dia ialao?! tsy azoko?!!saotra.
jentilisa:
Tena misy kosa aloha ny sipa tonga dia mangataka saosy mihitsy aloha! ahoana ary izany? tsy aleo tonga dia miala!
Raha vao saosy no angatahany dia fantatrao manomboka iny androtr'iny fa mivarotena izany izy. Tsara ny miala raha izany.
Vakio tsara , Hoy Jentilisa> Tena misy kosa aloha ny sipa tonga dia mangataka saosy mihitsy aloha!
Zany hoe alohan'ny zava-drehetra ny tiany lazaina??? Raha io dia tsara ny miala mialoha. Amiko io ny mariky ny fivarotan-tena satria mbola tsy nisy n'inon n'inona dia efa vola daholo no miasa na hoe nisy firaisana dia vola koa rehefa avy eo.
Tsy ny manana karatra mankany amin'i Port na ny mitsangatsangana eny amin'ny sisin'arabe ihany ny mivarotan-tena fa raha vao mampiasa ny vatanao atakalo vola fa tsy fitiavana aloha dia amiko mivarotra izany.
Ny basen'ny fitiavana amin'ny voalohany (sipa) dia tokony ho fifampitokisana sy fifankalalana izay vao mandeha ny fifanampiana.
26. dolby
(
28/08/2006 07:41)
Ka ny vhv rehefa manomboka mitombo ny taona dia mieritreritra izay mba hampiety ny fiainany (tsy maintsy mandalo ao an-tsaina io na iza na iza), hany ka misy mivoana, soa anefa fa mbola betsaka koa ireo afaka mitia madio.
27. Fiffi
(
28/08/2006 08:22)
rakikih:-tsy ny vhv rehetra kosa aloha no manao an'zany an!
Hono wa ry reto fa maninona kay no tsy manana foto-pisainana madio @ fitiavana intsony ny vehivavy malagasy ankehitriny fa raha mba mitory fitia aminy ianao dia izay intéré-ny mety ho azony aminao aloa no anontaniany voalohany vao miarak'izy.
-Tsy ny vhv hiany koh no manao an'zany fa ny lhl koh tena misy mihintsy !
-Ka jereo kosa aza ohatra hoe hiharaka @ lhl zao ! @ maha-vhv ny vhv de tia mi-jejojejo , tia kolokolohina , sns...ka raha ohatra hoe lhl fantany fa tsy hahavita an'zany de mbola handeha hiharahana ve ?
-Tsy hoe ny vola no maha-rangaha fa diniho kely ohatra hoe @ fomba ahoana aza no ahafahan'le lhl mitondra an'le sipa any @ resto , ciné week-end en amoureux , fiara sns....nefa zany no tian'le vhv ? de voatery izy hoe mijery ny intéré-any kosa koh!
-Fa tsy ny vehivavy malagasy hiany no manao an'io an! ary tsy fotom-pisainan'ny vehivavy malagasy zany io eh!
28. tywa68
(
28/08/2006 08:22)
tena tsy ny gasy ihany zany fa rehefa olona tsotra ka sahirana dia mangataka raha hitany fa mety hahazo izy ! izany akory tsy midika hoe intéressé(e)fa fitsapàna koa hoe hatraiza ny fitiavanao azy na ny harenao ? tsy atao hoe fitia maloto raha vao misy resa-bola.
30. vale
(
28/08/2006 12:00)
Soanja: azoko tsara kah! raha vao miaraka voalohany dia hoe omeo sosy zah,hihihihi tsy izy zany kah!:-D:-D:oops: fa mba te hahazo confirmasion ftsn za!!:wink:saotra!!:)
32. Herimiafina
(
29/08/2006 02:09)
Hono hoa ry zareo, mba toroy fika hanalavirana vehivavy fa zah fa mbola tsy tia sady mbola te hianatra mafy fa raha misy vehivavy mantsy dia tsy mahavita izany intsony hono! :roll::^)
33. pissoa
(
29/08/2006 17:40)
Fa maninona no tsy mahavita? Angatahiny ve ny bourse? :roll::-D:-D:-D
35. Fiffi
(
31/08/2006 09:55)
ny mahagaga ahy fotsiny de isakin'ny misy olona voadon'ny sipany de lazaina foana hoe ianareo
38. iriko
(
04/09/2006 15:39)
Eto aloha dia aoka hazava tsara fa tsy ny vehivavy ihany no mangata-bola fa ao koa ny lehilahy,fantatra foana izy rehefa vola fotsiny no tadiaviny aminao,fa mba mailo fotsiny,manana hevitra foana izy hakana vola any!!!!Raha fitiavana indray moa dia anao izay, fa raha vidina fitiavana kosa dia mba tongasaina!! sa ahoana?
Izany fangatahana izany tsy tokony hisy amiko fa izaho no manome araka izay fahafaliampoko.Anh!anh! mahamenatra koa anie izany mangata-bola izany,sady raha vao mangataka lava izany dia elao,fa tsy mamely.

39. Fiffi
(
04/09/2006 16:36)
tsy hitako ry zareo zay maharatsy hoe ao akia ry malala mba omeo vola kely zah hividianako an'izay akanjo milay be zay an! :wink:
40. fiderana
(
14/09/2006 08:10)
Mahafaly ahy ny manazava aminareo fa ny hatao hoe intêrét dia zanany ary misy ny reniny izay lazaina koa hoe capital, ka na ny fitiavana ary dia misy io koa, ny rehetra hatao ry namana malala dia misy izany avokoa na ny mivavaka aza, ny mivavaka dia ny manankim-po amin'andriamanitra io ilay capital, ny interet dia ny miandry ny valiny avy aminy, hevitro manokana io fa aza tezitra â!, ka ahagaga ve raha mba manontany ny interet izy, mba tsy ny capitalinao ary no hangatanany ko'no.......!