fahafahana mifidy?

1. lalab ( 25/08/2006 17:58)
Dia ahoana marina my monba antsika te hifidy izay avy aty ivelany?
novalian'i prime ny 19/09/2006 09:33
2. kelly13 ( 25/08/2006 18:03)
tsy haiko! :(
3. boubounezy ( 25/08/2006 18:59)
tena tsy azoko fa azavao tsara alou e!:roll:
4. ambivotra ( 25/08/2006 20:33)
azo atao ny manao ohatran'ny firenena matanjaka ( ex :ny frantsay mifidy n'aiza n'aiza misy azy ) saingy mahavita izany ve isika? moyens techniques, finiavana hanao izany....Mba ahatongavana @ izany anefa tokony dieny 'zao d'efa manomboka ny asa. Matoky aho fa na ny malagasy @région Ile de France fotsiny aza tsy fantatra mazava ny isany marina!!!!!mandra pa anefa dia misolo tena an'ireo izay tsy an-toerana ireo an-tànana afa tsy hoe angaha, miara mirona any dago daholo amin'andron'ny fifidianana.
5. fijo ( 25/08/2006 23:04)
raha amin'ity fifidianan ity aloha,dia tsy vita intsony izany.saingy efa dinihana izao ,ny amin'izay fifidianana manaraka rehetra.
6. lalab ( 26/08/2006 09:02)
efa nisy ve fihetsiketsehina mikasika izany ary ahoana ny fipetraky ny fitondrana manoloana ny hetahetan'ny olona aty?
7. mandrindra ( 26/08/2006 20:36)
mandehana aloha maka carte consulaire daholo ny malagasy. betsaka ny tsy misoratra ao amin'ny ambasady akory. rehefa fantatra ny habetsahany dia izay vao mora kokoa ho an'ny fanjakana ny manome ny fitaovana hanaovana izany.
8. xxx ( 27/08/2006 15:34)
faa mendrika hanana izany zo izany ve aloha ny olona efa nipetraka ela tany ka tsy mahafantatra ny tena zava-misy eto an-toerana , fanontaniana mipetraka io
9. prime ( 28/08/2006 12:10)
Malagasy rehetra manana zo ary tokony hanefa ny adidiny... Efa nisy resaka momba ity tary @ lohahevitra iray tary... Ampahany t@ ireo mpanohitra no nandroso ity hevitra ity dia tonga dia nihantona... Indrisy... amin'ny manaraka araka ny lazain'i fijo e...
10. mandrindra ( 28/08/2006 12:56)
xxx, fa izay mahalala tanteraka ny fianampirenena ihany ve no mahazo mifidy? izay rehetra mipetraka any madagasikara ve dia mahalala tsara sy tanteraka ny zava misy?
11. prime ( 29/08/2006 13:21)
Tsy azon'i mandrindra angamba ilay hevitra, afaka mifidy hoy aho ny olona rehetra manan-jo amin'izany, fa nisy lahadinika izay tary ambadika nanazava fa nanana volavolan-dalàna ny antoko mpanohitra iray (leader angamba izy izay) ny hametrahana rafitra hahafahan'ny expat. rehetra manefa ny adidiny na aiza na aiza misy azy eran'izao tontolo izao... saingy vao naroso tao @ chambre basse ilay izy dia nolavin'ny majoritaire (tim) satria lalana iray hono ahafahana mangala-bato izany... Fa angamba raha ny tim no nandroso an'io volavolan-dalàna io dia ni-passe ilay izy... Lalana firy km aza vita ka mametraka rafitra hanaovana izany ve dia tsy ho vita? fa adihevitra politika moa ilay izy... Ka dia @ manaraka araka ny lazain'i fijo e...
Ny hoe mahalala tsara sy tanteraka ny zava-misy, na ny any na ny aty dia adihevitra tokony hisokatra io...
12. mandrindra ( 29/08/2006 13:58)
prime, tsy hoe tsy azo fa ilay fanontaniana napetrako ho valin'ny hevitr'i xxx.
manarak'izany dia izao, be ny mifaly ho gasy fotsiny nefa carte consulaire aza tsy hananany. raha te hifidy nefa dia tokony hisoratra anarana ao amin'ny ambassade na consulat izay miandraikitra ny faritra misy azy. mitaky ny zo hifidy nefa tsy manefa tsy misoratra anarana akory
13. prime ( 29/08/2006 14:24)
Hay blem hafa ny an-drangahy... azfd ary e...:lol:
14. xxx ( 29/08/2006 16:00)
mandridra a, ny eto an-toerana indray ve no tsy mahalala ny zava-misy? ny vidin-jiro miakatra isan-andro, ny solika mihao-papana sy sns. ny eto an-toerana no mahalala tsara ny tsy fandehanan'ny raharam_pirenena sy ny tena ilain'ny vahoaka marina.
na dia misy aza ny fampahalalam-baovao maro ( internet, televiziona ,...) dia mety ampahan'ny zavatra misy ihany no alefan'izy ireny. noho izany dia tsy ampy ny vaovao azon'ny malagasy mipetraka any ivelany any mety ho diso ny fomba fijeriny manoloana ny raharam_pirenena
15. pissoa ( 29/08/2006 16:14)
xxx:
faa mendrika hanana izany zo izany ve aloha ny olona efa nipetraka ela tany ka tsy mahafantatra ny tena zava-misy eto an-toerana , fanontaniana mipetraka io

Ny mifidy -
# dia tsy ny mandeha eny amin'ny birao indray Alahady atoandro akory

# fa ny mandanjalanja izay mety misy arakaraka ny olona mety hitondra avy eo - ary nandeha nandatsa-bato :-D

Noho izany, mendrika hanana zo hifidy daholo ny malagasy - ary manana adidy hifidy.

Noho io mifidy io adidy - dia manana andraikitra koa ny tsirairay hahalala izay tena zava-misy. Ka rehefa tsy natao io - na manan-jo hifidy aza, dia tsy nifidy akory fa nandatsa-bato fotsiny :roll:
16. fijo ( 29/08/2006 21:09)
pissoa ,marina mihintsy izany.ekeko aloha le fanontaniana hoe "manana fahalalana ve ny any ivelany hifidy?"azo apetraka tokoa io fanontaniana io,saingy amiko dia zo io mifidy io.ka ny any ambanivohitry tuliara izao tsy mahay izay mitranga ao tana sy diego,nefa izy hifidy ny filoan'ny madagasikara.
dia toa izany koa ny aty ivelany.marina fa misy vaovao sy zavamisy tsy arakay,saingy izahay koa anie mandalo any ihany e,ary mahita izay itanay,araka ny fomba fijerinay.ka mino aho fa manana zo hifidy io koa izahay.
17. prime ( 30/08/2006 11:19)
Nareo rehetra any ivelany> Tongava aty mifidy @ 03/12 dia bastà sady mamangy ny fianakams, ny havana aman-...he!he!he! rehetra e... ny adidy vita, ny fahafinaretana azo, ny firenena mandroso...:lol:
18. lalab ( 30/08/2006 15:52)
Droit de vote pour les "étrangers".
19. fijo ( 30/08/2006 21:15)
prime an,tsy manana taratasy fanamarinam ponenana any izahay ,ary tsy misoratra amin'ny lisitry ny mpifidy,ka raha hisotro dite dia ok,fa raha hifidy,sao voaroaka fotsiny ka aleo hijanona.
20. pissoa ( 31/08/2006 06:32)
Marina izany ... tsy anaty lisitra :oops::-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0462