Maninona no tadiavina ny vady?
22. mandrindra
(
26/08/2006 20:32)
herimiafina, marina izany. fa ilay hoe anton'asa ny fitadiavana, tena efa natao io, ary mbola be mpanao siangy tsy maharitra aloha e. satria hoy aho tsy avy dia vady niotadiavina fa sipa aloha.
23. soanja
(
26/08/2006 23:24)
Mandrindra a, izay no tokony ho izy saingy be koa no tsy manaiky izany fa hoe "Ilay tonga dia vady no tadiaviny", zah tena nanana namana dia tsy nety nanao sipa mihitsy fa hoe virjiny ary tiany izay ho vadiny ihany no mahazo izany nefa tsy nisy bandy nety nanaiky an'io fa sipa sady misy firaisana alo vao vady. Ka asa re fa dia mahavariana ahy raha hisy olona tonga dia vady izany fa tsy nandalo sipa kely alo. Mazava ho azy fa ny communication ao anatin'ny fiarahana no mandamina na hisy firaisana na tsia. Ny sipa ve fiance sa inona e, toa mifangaro koa manko io amiko.
24. Herimiafina
(
27/08/2006 16:47)
be loatra ny attente dai izay no mahatonga ny fahadisoa-mpanantenana aty aoriana.
Ny vady anie ka olombelona ihany fa tsy andriamanitra handatsaka mana avy any andanitra na andevo hanao sitrampo ka rehefa tsy mahazo izay ilainao ianao dai himenomenona etsy sy eroa hoe ratsy vady e! :^)
Ny vady anie ka olombelona ihany fa tsy andriamanitra handatsaka mana avy any andanitra na andevo hanao sitrampo ka rehefa tsy mahazo izay ilainao ianao dai himenomenona etsy sy eroa hoe ratsy vady e! :^)
27. dolby
(
28/08/2006 07:19)
Ny tena olana ho an'ireo izay tsy nanao sipa mihitsy na tsy dia nifandray tamin'ny olona loatra taloha na vavy io na lahy dia rehefa manambady any aoriana any vao misy fiantraikany be. Satria mety eo vao mahita hoe ary misy toetra tsy zaka ananan'ilay iray rehefa ela ny ela, na misy zavatra tsy feno, ny gravy amin'io dia vao mahita olona hafa afaka mameno ny banga dia miantsampy any aloha. Be dia be no iharan'io.
29. rogeroge
(
28/08/2006 14:47)
soanja:
Hatramin'izay dia be dia be ny olona henoko miteny hoe mitady vady na hoe sipa sns fa ilay izy ve tsy tonga ho azy eo rehefa tahak'izay dia misafidy fotsiny, sa ve diso aho?
Diso ianao, tsy misy tonga ho azy izany
30. soanja
(
28/08/2006 14:51)
Disoy ary aho. Fa ny ahy alo tsy nitady azy aho fa izy no tonga ho azy teo amin'ny fiainako e. Izaho kosa tsy nipetra-potsiny fa nanana ny nanahirana ahy tamin'ny fiainako dia nitondra ahy nivezivezy eran'io. Noho izany anjara amiko ny nifankahitanay. Izy koa nilaza fa tsy nitady fa nahita.
Aleo zany atao hoe samy manana ny fiainany , ny sasany mitady de mitady ary ny sasany tonga de nahita.
Aleo zany atao hoe samy manana ny fiainany , ny sasany mitady de mitady ary ny sasany tonga de nahita.
31. bmw307
(
29/08/2006 11:30)
alfa,milano,pigar, india,alfa,novamber,alfa,romeo,oscar,milano,india,tango,india,alfa, alfa,hodilane,oscar romeo ,india, Siraine,Oscar,Alfa,Novamber,Juliette,Alfa.manantena fa ho valianao io hafatro io
32. andry08
(
29/08/2006 12:14)
Fa maninona no mitady ianareo? Fa angaha tsy anjatra toa ny efa nolazain'ny olona hafa taminareo?Amiko dia tsy tadiavina fa hita eny @ lalana diavina ary tsy mila akory hofandrihana toa haza fa eo izy rehefa tonga ny fotoana ka maninona no ndeha hotadiavina? Tsy haza anie izy io e! Ka ho hita rehefa misokatra ny "jours de chasse " é!
=))=))=))=))
=))=))=))=))
35. soanja
(
29/08/2006 17:00)
bmw307:
alfa,milano,pigar, india,alfa,novamber,alfa,romeo,oscar,milano,india,tango,india,alfa, alfa,hodilane,oscar romeo ,india, Siraine,Oscar,Alfa,Novamber,Juliette,Alfa.manantena fa ho valianao io hafatro io
Bmw a, any amin'ny mail please! Tsy mila leson akory bmw fa tonga dia application. Marina e.
36. fens
(
04/09/2006 06:09)
soanja:
Hatramin'izay dia be dia be ny olona henoko miteny hoe mitady vady na hoe sipa sns fa ilay izy ve tsy tonga ho azy eo rehefa tahak'izay dia misafidy fotsiny, sa ve diso aho?
Mijanona aza ao antrano fotsiny enao raha misy maka ao e!:-@:-@
Vazivazy iny fa io misy fotoanany e! fa mila mitady ihany e! indrindra ho anay lehilahy e
38. dailynews
(
12/09/2006 16:25)
ary ahoana indray ilay hoe mampaka bady? ..io mantsy tadidiko manokana fa tsy tian' ny prof ko teny ankatso izay mihitsy fa maninona hono ny vehivavy no hampakarina fa tsy ny lehilahy no hampakarina
39. fiderana
(
14/09/2006 07:59)
Tsy olana ny mitady vady, ny tena marina dia tolorana vady toy ny taloha, tsy mila safidy fa ny ray ama-dreny no manolotra dia izay, eny an-dalana mitsipona akotry sy manala ny ahi-dratsy rehetra ampandrobona ilay fitiavana , manondraka fitia, mokolokolo,ary raha tsapanareo dia tena maharitra ny tokatranon'ireny karazan'olona tolorana fotsiny ireny.Raha izay no tadiavinao ranamana dia handramo fa mety.
40. xxx
(
27/06/2007 11:24)
aza mitady vady zany, fa vao maika tsy mahita, tonga ho azy eo izy, tena kôzy zany e!