Maninona no tadiavina ny vady?

1. soanja ( 25/08/2006 00:15)
Hatramin'izay dia be dia be ny olona henoko miteny hoe mitady vady na hoe sipa sns fa ilay izy ve tsy tonga ho azy eo rehefa tahak'izay dia misafidy fotsiny, sa ve diso aho?
novalian'i rata88 ny 11/06/2014 12:41
2. cutie ( 25/08/2006 00:33)
diso njy :lol::lol::lol:
vazivazy iny a :wink:
fomba fiteny ngamba le we tonga ho azy fa matoa iny tonga de nitady enao zay :lol::lol::lol:
3. patrick2002 ( 25/08/2006 02:41)
mety ho tonga ho azy aloha ilay izy raha ohatra ka milomano ao anatiny ianao izany hoe ny environnement iainanao misy vehivavy raha ohatra ka lehilahy ianao,na misy lehilahy raha ohatra ka vehivavy ianao .
saingy kosa tsy hoatrizay foana ny zava-misy, ohatra ny toera-piasanao lehilahy daholo, na vehivavy daholo ny cliente nao tsy bazo hiresahana an'izany fa mise en jeu ny asanao raha ohatra ka mijabaka eo, dia manontany an'ny soanja izao hoe aiza no hitady :lol::lol::lol:
4. soanja ( 25/08/2006 04:50)
F'angaha moa dia ry Patrick de toeram-piasana ihany no hiainana amin'ity fiainana ity? Ohatra izao hoe manam-bady ny zokiko lahy dia namonjy mariazy aho dia tany no nahitako ny andefimandriko. Ohatra fostiny izany an fa tsy izay akory ny ahy. Ianao angaha tsy mba mandeha miantsena na hoe mividy zavatra eny amin'ny mangazay, mijery cinema, manao sport, mankany ampiangonana, fivorian'ny tanora sns tsy voatery toeram-piasana foana no ahitana vady e. Sady amiko koa alo ohatra ny tsy ho mety amiko ilay hanambady olona iray fiasana amiko na misy ilana ny toeram-piasako matetitetika satria mila manana ny maha izy aho manokana aho fa tsy voaelingelina lava. Fa asa tokoa moa aloha fa dia raha fahitako azy dia tsy mila mitady akory fa tonga eo rehefa anjara ilay izy.
5. malalazo ( 25/08/2006 05:08)
marina izany fa tsy tokony ho tadiavina fa anjara voatendry hoanao ary ny anjaranao tsy ho lasan'ny hafa mihitsy sa ahoana?
6. soanja ( 25/08/2006 05:13)
Izay indrindra ry Malalazo. Fa raha toa mbola lasan'ny hafa dia mbola tsy izy ilay anjara e.:-*:-*
7. Fiffi ( 25/08/2006 05:36)
malalazo:
marina izany fa tsy tokony ho tadiavina fa anjara voatendry hoanao ary ny anjaranao tsy ho lasan'ny hafa mihitsy sa ahoana?
de mba lazao kely ary hoe @ fomba ahoana no hahatongavany eo raha tsy mitady ? Na ohatra aza hoe mpiara-miasa @ nao raha tsy manao fihetika enao tsy hahazo mihintsy an! Fa iza no handrasana hanolotra anao izay ho vadinao raha tsy misy fihetsehina avy @ nao ?
Ohatran'zany koh ny hankihilany , izay nisafidy anao , izy koh ange ka nihetsika matoa nahazo anao eh! de rehefa raikitra ny fiharahanareo sns..zay enao angamba vao afaka miteny hoe anjarako iny olona iny !


8. booboo ( 25/08/2006 05:45)
eka ouz !
9. xxx ( 25/08/2006 08:48)
Fiffi > OK
nisy namako izay voan'ny déception t@ bandy, dia avy eo izy nanana izay fisainana izay hoe ho avy ho azy eo hono ny ho vadiny ... tsy nivoaka ny trano intsony izy fa dia ao foana, asa ilay gardien angamba no ho vadiny fa io ihany no lehilahy hitany sy mahita azy ao. Nolazainy fa Andriamanitra hono no hanatitra ny vadiny eo ... miala tsiny ho aho fa tsy mpanao magie ilay rangahy iny

Tsy misy hevitra ratsy na maloto ao anatin'ilay teny hoe "mitady vady" ary ny mitady vady dia tsy hoe mitady lehilahy na vehivavy fotsiny, fa mitady olona afaka hiarahana @ fiainana manontolo

Tadiavina ny vady satria ny vady dia zava-dehibe @ fiainana ka tsy tokony ho ekena fahatany izay tandrifindrify eo
10. kelly13 ( 25/08/2006 09:29)
xxx>fita kou. za klou d tsoriko fa notadiaviko ny vadiko e, d izy kou nitady ahy, d nifankahita izahay d zay! ôtran'ny ho moramora lazaina ilay izy fa efa ho taona maro² vao hitako izy! misy aza ry reto efa niaraka firipolo taona fa misaraka ho azy, tsy kivy nefa fa mbola mitady ze ahasoa azy e! :)
11. mandrindra ( 25/08/2006 10:56)
ny hoe mitady vady dia fomba fiteny. fa ny mitady sipa no tena izy satria tsisy hoe tonga dia vady izany.
fa io izay mitady ihany no mahita. izay manjono ihany no mahazo trondro.
12. Simpona ( 25/08/2006 13:16)
Tena tadiavinaio kle, za kloungany tsy mbola manambady fa raha hiandry fotsiny eto aho de tsy mino we ho avy wazy eo izy, kôzy tsy faon-dry zalah eny an-dalana. :lol::lol::lol:
Ny sipa ngamba no tsy de mila mitady fa bandy tsy maintsy mihetsika kosa fa tsy miandry kôtina fotsn8)8)
13. booboo ( 25/08/2006 14:13)
hum...
14. soanja ( 25/08/2006 14:52)
Ka diso tokoa alo aho raha hiresaka hoe "hiandry fotsiny ao an-trano ao" amin'ilay resaka vady. Tsy izay no tiako resahina fa hoe "Ndeha aho hitady vady aho"
Amiko mila mietsiketsika ny vehivavy na ny lehilahy iray, manao izay mahamety ny fiainana na manao izay mahafinaritra ny maha izy anao, fa tsy hoe hanao an'izao sy izao aho amin'izay hahita vady.
Dia rehefa eny anelanelany eny dia mifanena aminao ilay sila-panahy. Izy mikoty, ianao kopy (sipa hoe mety ity ilay anjara). Dia lasa mpinamana eny, dia izay vao sipa dia izay vao vady. Sa tsy izay.
Tsy mino kosa aho hoe androany nifankahita dia amaray mariazy.
15. pissoa ( 25/08/2006 15:01)
Tsy haiko raha tadiavina ... fa siora aho fa tsy tonga ho azy eo koa izy :-D:-D:-D

16. Herimiafina ( 25/08/2006 15:24)
"Ary i Adama nandeha nitady namana tany amin'ireo Biby tao amin'ny sahan'i Edena....." :roll:
17. simplex ( 25/08/2006 15:28)

:D
ka ny sipa koa feno eran'ny tanana koa :-D:-D fio fio fotsiny de vita :°):-D.

Ny tena mahavoa antsika manko le manisy an'ilay liste na critere be de be izao zao zao:°):-D:-D @ lafiny iray koa anefa ny vady 1 ihany ka mba izay mifanentana no alaina. Izay mifanentana izay indrindra anefa no tena tokony hoe tsy ilana an'ilay hoe tsy voatery hanao "haza vady" :°):-D:-D

Ny tena izy zany ngambany tadiavina tsy tadiavina izy e. Tsy atao vaindohan-draraha fa tsy atao hoe tonga hoazy eo ;-):°):-*

Ny tena mety ngambany zao de miandry an'ilay filatsaham-baratra (coup de foudre io an) ;-):°):-*


:-*:-*
18. soanja ( 25/08/2006 16:58)
Simplex> voalazanao!
Tsy tadiavina ny vady saingy kosa aza manantena ho toloram-potsiny na handondom-baravarana ao antrano izy, fa mba mihetsiketseha. Ataovy izay mahatsara tarehy, midiova,ampiseho ny mahaizy anao ka ny tsara indrindra ary aza be lista na criteres.
19. pissoa ( 25/08/2006 16:59)
Simplex ^:^^:^^:^
20. Herimiafina ( 25/08/2006 17:17)
Inona moa no atao hoe MITADY?

Action iray "MITADY" mifandray amin'ny teny hoe "FITADIAVANA", izay mety hidika hoe "mandehandeha ka mahita raha ka bakeo mandramby", na koa hoe "Miarana nahita ary nisambotra".

-Mandehandeha: manalehibe ny toerana takatry ny maso (visibilité 30miles).
-Mahita raha: mifanena ary manamaro ny karazanjavatra mandalo ny maso (persistance retinienne 1/30segondra).
-Mifanerasera: miresaka miserasera aman'olo maro mianatra ny zavatra rehetra mandalo ny maso, mi-enregistrer, mamorona besoisn, manana gout. (test organo-leptique, degustation, creation de besoin).
-Voasarika hifidy: manao tri sy selection, mampivoitra critere maro ao andoha. (Selection/tri).
-Mifidy: choix.
-Miaro sy mi-justifier ny choix natao.
-Mahazaka.

Ataoko fa raha tsy misy ireo etapy ireo tsy hisy vady ho azoazo foana izany eo.

Si et seulement si tsy ny MITADY no olana fa ny MITADY BE LOTRA, manao anton'asa ny FITADIAVANA.

resaka degrée sy intensité ny FITADIAVANA izany no tena mametraka olana fa tsy ilay hoe mitady loatra. :roll::-w
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4556