Dedesse 35 ans de scenes

1. miangalyandria ( 23/08/2006 22:24)
izaho re tena mpankafy dedesse mafy mihitsy fa ohatran'ny malahelo kely fotsiny aho hoe hankalaza ny faha-35 taona nihirany izy dia izaho tsy mba hahita akory !!!! :cry::cry:
2. soanja ( 24/08/2006 03:52)
miangalyandria:

izaho re tena mpankafy dedesse mafy mihitsy fa ohatran'ny malahelo kely fotsiny aho hoe hankalaza ny faha-35 taona nihirany izy dia izaho tsy mba hahita akory !!!! :cry::cry:


Zah koa aky tena tia Dedesse be mihitsy.


3. vambili ( 24/08/2006 07:22)
de inona no tokony hatao e, rahovina alooha io? ary aiza? misy manan cd sy vcd ny dedese io ve nareo ato e?
4. mandrindra ( 24/08/2006 08:13)
mba tanisao hoe aloha ny hirany rehetra fa vitsy ihany no mba haiko, nefa milay ny mihaino azy
5. Fiffi ( 24/08/2006 08:30)
nga tsy hoe roi du salegy moderna ? zah ry zareo de tena tara mihintsy fa tsy mba maharaka an'zany mpihira zany an!:(
6. mandrindra ( 24/08/2006 08:37)
tara 35 ans izany i fiffi:-D:-D:-D
7. dadabe ( 24/08/2006 09:27)
efa manao hira evanjelika azaizy izao fa tsy mihira hira hafa intsony , satria efa lasa mpiandry izy :roll:
8. vakiniadiana ( 24/08/2006 10:41)
Mbola mihira tsy evanjelika izy ka, milay be ny hirany, ohatra : Malakilaky, L'amour, ....
Fa izy aloha mbola mitana e :D
9. miangalyandria ( 24/08/2006 13:16)
jereo ao amin'ny lisitry ny hira ao min'ny RVG ry fiffi fa ao daholo izy a
10. soanja ( 24/08/2006 13:18)
vambili:

de inona no tokony hatao e, rahovina alooha io? ary aiza? misy manan cd sy vcd ny dedese io ve nareo ato e?


Zah manana ilay vcd "Taloha sy Avaizo" izay nivoaka tamin'ny Janvier ve iny? Novany ho hiram-pivavahana ny tonony sasany fa vao maika tsara. Io no fihainoako isa-maraina izao.


11. mandrindra ( 24/08/2006 13:37)
dadabe, lasa mpiandry inn i dedesse ? 8O8O

soanja, hirampivavahana ahoana izany le?
12. soanja ( 25/08/2006 04:54)
Tsy niova ny hira e. Raha tianao ilay hira taloha dia mbola iny hira iny ihany fa somary nasiana hoe Apostoly sy ny fivavahana toy izay watsawatsa lava izay naman'ny hoe izao tontolo izao e.:wink::wink:
13. booboo ( 25/08/2006 10:09)
aleoko ihany watsawatsa fa tsy ratsy ange ny tonon'ireny
14. mandrindra ( 25/08/2006 10:09)
soanja, ka ny ahy ilay apostoly sy fivavahana mihitsy no tsy voako
15. miangalyandria ( 25/08/2006 10:48)
na najanony tamin'izao aza ny tonony ireny hirany ireny efa hitako hoe lesona no betsaka amin'ilay izy. Mba ampidiro ato ry soanja izany hira izany a ! :-P
16. ralos ( 25/08/2006 13:19)
Amin'ny 10-18 septembre hoavy izao le izy ry zareo a!

Any Antsiranana, Mahajanga, Ambatondrazaka, Fianarantsoa, Toliary.... no hanaovana azy.

Mino aho fa ho afa-po tsika mpankafy.
17. soanja ( 25/08/2006 14:57)
Ralos> Inay anie aho hananelatra! Sambatra nareo e! Ilazao izahay raha misy cd amidy sns any o.
Aleo fa adikako ilay hira hoe "Samy Mamisavisa" fa tena ao mihitsy no niova ny tonony.
Booboo sy Mandrindra> tsara ireo hira ireo fa aza manahy ianareo. Mbola dedesse tsy niova mihitsy fa lasa mpivavaka izy dia novainy kely ny hirany.
18. zandrikely ( 26/08/2006 18:57)
aza malahelo ooooo
zaaaaaa efa ny taloha ooooo
samby elavelo ooooooo
an an an
milay ny hiran'i dedesa ka , za ko anisan'ny mpankafy azy
19. mandrindra ( 26/08/2006 19:49)
soanja, ka ny hira anie tonony asiana feony arahina mozika e. ka raha vao misy iray amin'ireo tsy voako dia tsy tiako. ka raha vao tonokira, misy fivavahana izany dia tsy te hihaino aho.
20. soanja ( 26/08/2006 23:39)
Ity alo misy hira iray tena ankafiziko nataon'i Dedesse ary nanentana ahy tamin'ny fiainako tokoa.

MALAKILAKY

Malakilaky anareô, handimby zahay afara
Zahay tsy hilèfa
Fa mbola mahèfa
Malakilaky anareô fa sao tara
Zahay koa mihilagna
Anareô ho sahiragna



Anareô ny ho avy sy harégna
Ambilà ny hakamogana
Kaza mora varimbariagna
Dieny mbola misy ny fotogna



Sagnatria tsy ijiaby tagny
Karàha antimbavy-nagnambagna
Fa ny rariny,rariny ihany
Ka tianay anareô mba hiadagna



Refrain :
Malakilaky anareô, handimby zahay afara
Zahay tsy hilèfa
Fa mbola mahèfa
Malakilaky anareô fa soa tara
Zahay koa mihilagna
Anareô ho sahiragna



Zahay,kakazo maiky nifolaham-baratra
Tsy nanignènanay ny vita
Zégny no mba avianay magnanatra
Efa be,efa be ny raha hita

Bezara Ernest, dit Dédesse

Io kosa nagamb amba tian'i Mandrindra e. Ilay misy tonony resaka fivavahana mbola lava be dia vao haveriko raha tadidiko dia soratako eto.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0468