azo atao ve ny manda ny firaisana !mba ampio eh!

1. melianie ( 23/08/2006 09:38)
isaky ny mihaona za sy ny fiancéako de te hanao fona izy de tsy itako ze atao ! de tena fitiavana marina ve zany sa firaisana fotsiny ! manontany tena ihany za ,tokony hanaiky fona ve za sa mba manda azy ko ! ampio aho ry reto an !
novalian'i shasha ny 09/10/2006 08:44
2. Fiffi ( 23/08/2006 09:52)
melianie:
isaky ny mihaona za sy ny fiancéako de te hanao fona izy de tsy itako ze atao ! de tena fitiavana marina ve zany sa firaisana fotsiny ! manontany tena ihany za ,tokony hanaiky fona ve za sa mba manda azy ko ! ampio aho ry reto an !
manontany tena ianao fa efa mba nanontanianao ve ny fiancé-nao io raha fitiavana no mahatonga azy hanao an'zany foana sa....?


3. melianie ( 23/08/2006 10:07)
za lo mbola tsy nanontany azy eh ! de mino ve ndry fa tokony hanontany azy za !
4. Mija ( 23/08/2006 10:30)
Mety ho tena fitiavana zany satria raha raisiko amiko manokana de isaky ny mahita anle olon-tiko za de sady faly no te hamihimpihina azy fôna ka zay nefa de mitarika ilay fanirina we te hanao , fa enao koa nge mba manana ny fihevitrao eo anatrehan'izay é! fa mino aho fa raha mandresy lahatra azy enao de afaka ny hionona izy avy eo
5. melianie ( 23/08/2006 10:32)
ka ny tena olana ry mija so de mba bléssé izy ra teneniko azy zany!
6. booboo ( 23/08/2006 10:42)
meliani > mbola ho lava ny lalana iarahanareo ka raha zao ianao no matahotahotra sao dia sao dia ...inona no raha handeha @ zany, maha frustrée @ tsy antony zany. Teneno azy tsotra fotsiny ny antony tsy te hanaovanao crac crac boum boum. Dia henoy tsara koa ny tiany tenenina aminao rehefa te hi-crac crac izy. Dia mitadiava marimaritra iraisana e : zay sady tsy haha-frustré azy sexuellement no tsy haha-frustré anao hoe hanao nefa tsy vonona akory ianao. Dia mifampiresaka hatrany hatrany isaka zay misy raha kely tsy mety e !
7. ds ( 23/08/2006 11:10)
Resa-behivavy izy ity ka asa raha mahazo miditra koa ny kofa...

isaky ny mihaona za sy ny fiancéako de te hanao fona izy de tsy itako ze atao

Impiry ianareo no mihaona ?
isan'andro
1 isakerinandro
1 isam-bolana
Raha mahalana be ny fihaonanareo, rariny
i lery raha mambamamba.

de tena fitiavana marina ve zany sa firaisana fotsiny !

Ary ianao rehefa manaiky fitiavana sa tsia.


manontany tena ihany za ,tokony hanaiky fona ve za sa mba manda azy ko

Fa angaha misy fifanerena e. Rehefa tsy te hanao dia aza manaiky fa fifampizarana io fa tsy mandeha ila. Raha tsy mahazo an'izany i lery, vao tokony anontany tena ianao hoe sao dia tsy ilery ary no tokony ho izy (fiancé). Arakaraka ny fahaizanao manazava ny hevitrao sy ny fihetsehamponao no azahoany azy. Raha tsy izany mety hitady any amin'ny toeran-kafa izy isaky ny tsy afa-po.


8. Ralay ( 23/08/2006 11:14)
melianie:Mila manao effort ianao satria io dia mety hampitombo bebe kokoa ny fifankatiavanareo fa raha tsy afapo izy dia lasa mitady any ankafa dia eo ianao vao maika ho sadaikatrahoe tia ahy marina ve izy zany.Refa vita ny ataonareo dia arosoy tsimoramora ny resaka hoe maninona ary isika zany no isak'izay misasa zao de manao foana izany hoe isak'izay mihaona no dikan'io dia ho hitanao eo izay havaliny.Misy ny ny olona mantsy demandeur na lahy iona vavy ka sendra lehilahy demandeur ianao zany fa ataovy @ fo ilay izy dia hahazo fahafinaretana koa ianao.
9. andry08 ( 23/08/2006 11:35)
:roll::roll:
10. comany ( 23/08/2006 11:43)
Efa ela ngah nareo no niaraka, d firy taona moa enao ra ts maha diso d le olona miaraka @nao koa!!!
11. diamondra27 ( 23/08/2006 11:51)
ny fantako de: 1° - aza miaraka aminy raha mbola tsy vonona ianao. Tena zava-debe eo @ fiainanao ny firaisana @ olona 1 ka sao de hisy fiatraikany @ fiainanao any oriana(blocage sexuel,etc...)

2°- raha tsy consentent enao, tsy manaiky d'efa viol izay raha toa ka nisy le firaisana
ohatra:somary asiany harcelement moral kely na adiady de tsy mahatanty enao de aveo nanaiky azy ihany

ton corps t'appartiens, tu as le droit de dire NON
12. andry08 ( 23/08/2006 11:56)
=D=D=Drehefa non dia non fa tsy miolankolaka, ianao no tompon'ny safidy ny hanaovanao ny vatanao fa tsy ny hafa no hilaza zavatra hafa
13. Fiffi ( 23/08/2006 12:27)
de mahaiza manao hoe "TSIA !rehefa tsy misy envie fa manimba zavatra fotsiny !
14. diamondra27 ( 23/08/2006 12:36)
andry08 et fiffi: 'zay mihitsy

melianie: ireo zany le sopapa , tanjemo sao tsy arahina fa tsy hanoro intsony za @ manaraka an!:wink:
15. Herimiafina ( 23/08/2006 12:53)
melianie:

isaky ny mihaona za sy ny fiancéako de te hanao fona izy de tsy itako ze atao ! de tena fitiavana marina ve zany sa firaisana fotsiny ! manontany tena ihany za ,tokony hanaiky fona ve za sa mba manda azy ko ! ampio aho ry reto an !

Inona no tena olana e? te hanao firaisana ianao rehefa mahita azy sa tsia? Rha te hanao dai manaiky raha tsy te hanao dai manda, tsotra dai tsotra! :oops::roll:

16. melianie ( 23/08/2006 12:54)
merci ry reto an !fa hiresaka tsara aminy za rehefa mihaona!
17. mamy23 ( 23/08/2006 12:55)
Izay tia mahandry e!
18. melianie ( 23/08/2006 13:00)
zay efa herintaona no miaraka!de za 18 taona ;de izy 21 taona


19. melianie ( 23/08/2006 13:06)
ds zay indraindray mihaona isan 'andro ;fa rehefa miasa za de isankerinadro !
20. VIRGINIE ( 23/08/2006 14:38)
Io dia arakarakao sy ny fiancénao ihany,matoa ianareo niaraka dia efa nifampatoky matoa tonga amin'ny dingana voalohany,ka t@ voalohany ve ianao tsy nitsotra ny marina ny momba anao taminy?,raha mbola virijiny ianao dia azonao atao ny manda azy satria mety tanjona irinao ny mba ho tonga madio eo amin'ny tokatrano,raha maika ny amin'izany dia asaivo harosony haingana ny mariage,
Fa rahaefa nisy kosa anefa olona niaraka taminao,dia tsyhitako 'zay olona fa matoa ianao handa azy dia mbola misalasala ny momba azy,na tsy fitiavana angamba,tsara aza fantany ny momba anao mba hahitananao 'zay decisiony,raha tsy fantany manko dia hampikorotana ny toka-tranonareo'zany any aoriana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2108