tena mahagaga ity voalaza ato ity zay niseho anio

21. fijo ( 24/08/2006 22:07)
le izy anie mampalahelo mampiomehy e,na dia niova aza le mpanao politika,"ry voninahity izao olona tsy mbola rehako mihintsy taloha"nefa dia mbola io eo ihany le resaka faritra dimy e,firaisan'ny province e,sns.nefa ry zalahy amin'io tsy sahy mody mipetraka any aminy an.
22. tenagasy ( 25/08/2006 11:21)

Lalah:
- Tsy atao mahagaga intsony zany ry reto an! ny fankahalan ny sisiny an ny afovoany manko tsy zoviana intsony.
lolabe:
- izay le atao hoe tsy fahazakana ny fitondrana entin'ny merina, mihevitra ireo any @ province fa izy ireo ihany no tokony hitondra ity firenena ity, nanomboka t@ Tsiranana ka h@ Ratsiraka anie efa ry zareo foana no teo e, inona anefa ny vokany, ny paosin'izy ireo no feno ary ny havany no nameno ny fitondrana, izay merina mba niditra teo ni-éliminéna foana, satria ve ravalo manana izay ampy sy manana loha matanjaka de hoe hianatra ny hikitikitika azy
- io ra Hery de zao ihany a, amantaonany za no nipetraka tany Tamatave a, fantatro tsara ny tsy fitiavan'ny betsimisaraka ny merina, ary za zao de tena victime tamin'izany t@ 1972, nenjehina ny merina ary novonoina mihintsy, tsy mandà za fa misy tsy amin'izany fa noho ilay toe-tsaina izay nampidirin'ireo mpitondra teo aloha de lasa tena simba koa ny toe-tsain'ireo olona ireo, i Ratsiraka iny tena nilaza mihintsy tany Toamasina fa ny peta-tsanga tsy izy, mampalahelo le izy e. Ka aleo ry zalahy G5 hanao izay tiany eo fa tsy ho lasa lavitra intsony izy, ny olona ko anie efa
Sy ny sisa
23. tenagasy ( 25/08/2006 11:33)
Mankamamy hatrany!
Ny tiana hambara dia aoka isika hiezaka sy hikajy tsara amin'ny fanehoan-kevitra sy fanadihadiana sao de ho lasa mpitari-bato vilambava.
Mino aho fa tsy izay no tena votoatin'ny hevitra tianareo havoïtra nefa raha mandinika ireo laha-teny ireo dia toa zary mandrangitra ny adim-poko anie e?!? Sa ahoana hoy ianareo?
Tena nisy daholo tokoa izany rehetra izany ary talohan'ireo daty voatonona ireo aza loza lavitra noho izany, saingy efa nilaozana sy nihoarana anie ireny eh! Irina tsy hisy intsony ary anesoantsika aza an'ireo mbola mivoy izany. Ary raha mbola misy farasisa aza dia izay no hoezahina hofongorana h@ fotony.
Aho manokana aloha mahita hoe tokony harafitra @ fomba hafahafa kokoa ny fomba entina manambara ny hevitra, na hazavaina bebe kokoa, raha tsy hiteny afa-tsy ireo voatanisa ireo aho.
Azatsiny ho an'izay voatonona: mba ho volan'imaso tsy mba kilema anie ny ahy, fa raha toy ireo dia zary fikoloana sy fivoizana ny zavatra efa tsy tiantsika.
Ny hevitra nosoratana etoana no tsikeraiko fa sanatria tsy ny hevitrareo mpanoratra na indrindra ny olona nanoratra azy an!
Mirary soa!
24. prime ( 25/08/2006 13:21)
Io no fahombiazana ara-politika indrindra vitan'ny frantsay rehefa niala teto izy... Tsy misy intsony ny andriana, ny mainty sy ny tanindrana dia tokony mivondrona ka tsindrian'ny merina lava, tokony tsy handray fahefàna intsony ny merina fa manambany ny hafa, Antananarivo raha azo atao dia aoka ho faralahin'ny safidy...
Natsangana avy izao fikambanana rehetra izao fa ny nahomby indrindra dia ny padesm... fa mandrak'ity ny androany mbola tena "actifs" ny resaka momban'io fa aza hamaivaninareo loatra... Mbola mitombina mandrak'ity ny androany eo @ lafim-piainana rehetra ny "équilibre régional"... Farany teo dia mahasahy miteny mivantana an-gazety mihitsy ny betsimisaraka iray fa tokony tsinjaraina ny zo fidirana ao @ ENMG (Ecole Nationale de la Magistrature et des Greffes)satria akaiky izao ny fotoam-panadinana fidirana ao... Fa raha olona avy any Mahajanga daholo no tafiditra satria nahazo moyenne de 16/20 dia maninona... fa raha misy zanaky toamasina izany dia na dia 09/20 aza ny note'ny dia noho ny ER dia aleo analàna ny liste fa lasan'Antananarivo sy Mahajanga ohatra ny toerana... dia ilay zanak'Antananarivo manana 15/20 ajanona fa satria be loatra??? vraiment ridicule...:-w:-w:-w
25. tenagasy ( 25/08/2006 13:32)
Mankamamy ary misaotra ny fandraisana anjara mavitriky ny namana "prime".
Saingy asa na izaho no tsy mahatakatra na ianao no sady manala no mampiditra! Aza entim-po loatra moa sao dia maty vao tanora hoy ny fiteny!
Ianao ihany mantsy no milaza hoe: "... fa mandrak'ity ny androany mbola tena "actifs" ny resaka momban'io fa aza hamaivaninareo loatra..." , dia ianao ihany koa anefa no manohy eo ambany hoe: "vraiment ridicule..."
Raha mba azonao hazavaina bebe kokoa @ fo tony tsara ny hevitrao azafady indrindra!
Mirary soa!
26. prime ( 25/08/2006 13:52)
An3 tony aho kah... aza matahotra ianao fa tsy hahafaty ahy raha resaka momba ny G5 io...
Ny tiako ambara voalohany dia ny fiheverana fa kely hery ny olona mpanohana an'io foto-kevitra io... (hoy isika matetika hoe lany andro sns...) Tena diso izany, ary ny fahendren'ny olona indrindra no hanararaotan'izy ireo... satria tsy voafongotra vety2 izany io... Mbola antoko iray no mbola notononiko ao ambony ao fa miaro zava-dalina ny fototr'io fa tsy mipetra-potsiny akory ny frantsay... Izay no tiako ambara...
Ny hoe ridicule dia ilay fahasahiana... Fa firy @ merina no mahasahy mamaky barara ny tsy rariny atao azy erak'i Madagasikara? fa ny G5 na dia zavatra fantany izao aza fa tsy mety dia sahiny ny mandroso azy na mbola vao hevitra fotsiny aza... Fa izaho miteny aminao ry tenagasy fa midira ianao biraom-panjakàna eto Antananarivo ka avy any @ faritany ny lehibe ao, dia hainoy ny fitarainan'ny mpiasa...
27. kolokanto ( 25/08/2006 13:59)
Faly miarahaba antsika rehetra indray o!
Fa olona iza ireto mampisara-bazana ny Malagasy ireto??? Izany olona izany no atao hoe fanetriben'ny firenena ka tokony hatao haza lambo!! Andro mazava be izao ve de mbola mahita izany 5 faritany izany????
Ny nataon'ny vazaha mpanjanaka taloha hoe zarazarao hanjakana aza efa tsy fidiny dia isika samy Malagasy no miverina manao izany!!! Olona misaina sy mandinika ary mieritreritra ve ireo e???
Ny valiny hoy aho dia tsotra ary averimberiko etoana: ny fitiavam-bola aman-karena no mahatonga ireo manao toy izao. Lazaina aloha hoe asio ny reconciliation nationale avy eo indray asio ny amnitsien'ireo nanao ratsy avy eo indray ahemory ny fifidianana raha tsy izany hisy ny korontana avy eo 5 faritany. Mpanohitra no nanao ireo! De jereo sy diniho raha zavatra logika ireo.
Tadiavina ny fomba rehetra na faran'izay mahatsiravina aza ahazoana miverina mangalatra sy mandroba ny fananam-pirenena!!
Mampalahelo!
28. prime ( 25/08/2006 14:15)
kolokanto> Politika avo lenta ry havako... fahefàna, fitondràna, fiarovana tombontsoa, fanavakavahana... misy manohana mihitsy izany ary izay no mahasarotra ny fiadiana @ io... Andro mazava be izao hoy ianao, fa andro mazava be izao no lany à majorité absolue ao @ parlement français ny loi sarkozy... fa moana avy angaha ireo gauchiste rehetra? mitovy hevitra ireo fa sinema no betsaka... Ary io fombany io no tsindriany aty @ gasy izay mbola eo ambany fifehezany...
29. Fiffi ( 25/08/2006 14:49)
fijo:
le izy anie mampalahelo mampiomehy e,na dia niova aza le mpanao politika,"ry voninahity izao olona tsy mbola rehako mihintsy taloha"nefa dia mbola io eo ihany le resaka faritra dimy e,firaisan'ny province e,sns.nefa ry zalahy amin'io tsy sahy mody mipetraka any aminy an.
zay indrindra manko no tena mahagaga an! inona no antony ?


30. naritsimba ( 06/09/2006 08:36)
Ny ahy na iza mpitondra eo na merina na avy any @ faritany rehefa tsy mamely dia tsy mifidy azy intsony zà, fa raha hiady hevitra @ resaka politika eo dia tavela eo ianao fa ry zalahy efa nahafeno paosy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2756