Famakiana Baiboly

21. pissoa ( 22/08/2006 14:09)
LazaDaddy:
hatsikana sy lalao kely:
Fa maninona no hatsikana no hamalianao ny hevitro - nefa izaho tena matotra tsara namaly ilay dinika :-D:-D:-D

Izao io tiako handramana rehefa manao dinika manaraka ianao :oops:=))=))=))
22. prime ( 23/08/2006 06:26)
pissoa:
Amin'Andriamanitra ka!

Betsaka mihitsy ny olona - rehefa mamaky baiboly dia mamaky izay voasoratra fotsiny - tsy mandalina - ary tsy te hahazo. Tadidio fa tsy ny baiboly (ilay boky nadika ho teny gasy avy tamin'ny teny tsy fantatro) akory no marina (absolu) - fa ny Tenin'Andriamanitra.
dia inona ilay Tenin'Andriamanitra izany raha tsy izay lazain'ny baiboly?:lol:
23. LazaDaddy ( 23/08/2006 06:48)
pissoa:
Ny famakiana baiboly dia tsy tokony mifantoka amim'ny baiboly fotsiny.
prime:
tsy mazava... tokony hifantoka @ inona koa?

pissoa:
Tadidio fa tsy ny baiboly akory no marina - fa ny Tenin'Andriamanitra.
Pissoa>Aiza no ahitana an'izany Tenin'Andriamanitra izany? Amin'ny angano sa lovan-tsofina sa ao anaty boky mena? :lol:

Dia ny boky sy toko na andininy fahafiry inona ao amin'ny Baiboly no diso? Ooops! Sao dia tsy mifankahazo tokoa ny resaka fa ny Baiboly resahiko eto dia mirakitra boky miisa 66. Raha tsy izay ilay baiboly resahinao dia marina tokoa fa diso izany ary tsy marina:wink:
24. pissoa ( 23/08/2006 07:55)
LazaDaddy:

Hoy i pissoa:
Tadidio fa tsy ny baiboly akory no marina - fa ny Tenin'Andriamanitra.

Tsy io fotsiny no noteneniko ka. Fa maninona no nalanao ny sasany tamin'ilay nosoratako :cry::-D:-D:-D

Mitovitovy amin'izao nataon'i LazaDaddy amin'ny zavatra noteneniko izao no fanaon'ny olona (sasany) amin'ny baiboly ... izay mampilamina azy ihany no raisiny :-D:-D:-D

LazaDaddy:
Dia ny boky sy toko na andininy fahafiry inona ao amin'ny Baiboly no diso? Ooops! Sao dia tsy mifankahazo tokoa ny resaka fa ny Baiboly resahiko eto dia mirakitra boky miisa 66. Raha tsy izay ilay baiboly resahinao dia marina tokoa fa diso izany ary tsy marina

Ka raha mbola ny tapatapany amin'ny teniko no hotsongainao sy hovalianao amin'ny hatsikana (=))=)) ) dia ho reraka fotsiny aho hiresaka aminao fa aleo i Prime no hovaliako :-D:-D:-D
25. prime ( 23/08/2006 07:59)
zah mbola tsy voavaly...:lol:
26. pissoa ( 23/08/2006 08:04)
prime:
dia inona ilay Tenin'Andriamanitra izany raha tsy izay lazain'ny baiboly?:lol:
Ny tenin'Andriamanitra no ezahin'ny baiboly ampitaina amintsika - fa raha tsy mifantoka amin'Andriamanitra isika - fa mifantoka amin'ny baiboly (ilay boky) - dia tsy ho tenin'Andriamanitra mihitsy no ho azontsika avy ao.
27. pissoa ( 23/08/2006 08:06)
prime:
zah mbola tsy voavaly...:lol:
mbola nanoratra izaho dia efa nanoratra an'io koa i prime :-D:-D:-D
28. prime ( 23/08/2006 08:23)
ok... mazava:)
29. prime ( 23/08/2006 08:24)
Ary ny asan'ny Fanahy Masina? sa fandalinana ara-tsaina no tian'i Pissoa ambara?:lol:
30. pissoa ( 23/08/2006 08:50)
Mety hifantoka amin'ny boky ve isika sa hifantoka amin'Andriamanitra rehefa miara-miasa amintsika ny Fanahy Masina? :)
31. LazaDaddy ( 23/08/2006 09:28)
pissoa:
Tsy io fotsiny no noteneniko ka. Fa maninona no nalanao ny sasany tamin'ilay nosoratako
nesoriko satria "entre parenthese". Ao anaty Baiboly koa tsy misy "parenthese" . hahaha!

Ka aiza ilay Tenin'Andriamanitra no ahitana azy?
32. pissoa ( 23/08/2006 10:02)
LazaDaddy:
nesoriko satria "entre parenthese". Ao anaty Baiboly koa tsy misy "parenthese" . hahaha!

Ndana ary mba avereno apetraka! Raha nataoko entre () izy ireny - dia tsy hoe tsy misy dikany, fa fanazavana ny tiako ambara - na fanampiana ny precision - nefa manjary lava loatra ny fehezanteniko ka mila sarahina. Raha tsisy dikany koa ireny dia inoako marimarina fa tsy nosoratako akory fa tsy hoe nosoratako dia nataoko anaty () :-D:-D:-D

Ao anaty baiboly koa tsy misy hoe hahaha! :-D Sa zah tsy mba nanapatapaka dia avy eo nanambatambatra dia tsy nahita :cry::-D:-D:-D

LazaDaddy:
Ka aiza ilay Tenin'Andriamanitra no ahitana azy?

zah tamin'i Prime teo oe:
Ny tenin'Andriamanitra no ezahin'ny baiboly ampitaina amintsika - fa raha tsy mifantoka amin'Andriamanitra isika - fa mifantoka amin'ny baiboly (ilay boky) - dia tsy ho tenin'Andriamanitra mihitsy no ho azontsika avy ao.

Io hoe (ilay boky) entre () dia tsy midika hoe tsisy dikany :-D:-D:-D
33. prime ( 24/08/2006 08:49)
Misaotra fa mazava, pissoa mantsy tsy niresaka Fanahy Masina mihitsy raha tsy nanontany aho fa hoe fotsiny mila mandalina dia izay... Ka izay no nanontaniako fa misy olona mandalina mihitsy tsy voatery mila Fanahy Masina...:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3402