self-centered

21. soanja ( 18/08/2006 20:13)
Isika Gasy dia notaizana tao anatin'ny Fihavanana sy Fifankatiavana. Fa izay nitaiza mifanohitra tamin'izany dia taizan'adala.
22. pissoa ( 18/08/2006 20:58)
Yep :-D:-D:-D
23. Herimiafina ( 19/08/2006 01:22)
Fijoroana vavolombelona ity ry zareo fa ny tenako dai efa hatramin'izay mihintsy no miaina sabotazy foana e!
Izy io dia mahagaga fa ny olona kaiky dia akaiky foana no rangory fototry ny afo hoy ny fitenenana, ary nanomboka ny ady amin'ny sabotazy vao nanitsaka teny Ambohitsaina teny, na resa-nbola io na resaka fianarana, na resaka vehivavy, gravy be mihintsy.
Ny teo amin'ny sehatry ny asa moa tsy tenenina intsony.

Mila mampiasa coco be dirandoza mandany ro-ndoha vao afaka miala amin'izy ireny fa dai gravy, tsy afa-miaina milamina mihintsy fa manaikitra foana ny amboa kely tiana e!

[size=16]"familiarity breeds contempts"[/size]
24. soanja ( 19/08/2006 01:45)
Ny fahitako an'io indray ry HM dia tsy notaizana tamin'io isika gasy fa io mihitsy ilay antsoina hoe "Nofo" isalorantsika. Mamitaka matetika sady mitarika amin'ny ratsy ka ny namana no asiana voalohany. Ka na gasy io na vazah na japs dia hita io tranga io rehefa tojo naman-dratsy isika. Izay no mahatonga ny fiteny hoe MAHAIZA MIFIDY NAMANA satria ny fialonana dia vokatry ny asaratsin'ny Satana. Raha ampy fitaizana ara-pinoana ny ankizy iray dia mihena io ao ampony ary lasa zatra indray mankasitraka ny asa vitan'ny namany izy.
25. Herimiafina ( 19/08/2006 17:57)
Mbola misy zavatra hafa koa ity. Ilay fisainana hoe "hisy hanao foana io fa inona no ivakiako loha amin'io" hany ka ny tena no lasa toa manarina sy manentsika foana ny hadalana ataon'ny sasany eo amin'ny asa, sns.

raha misy kely amin'izy ireny anefa heritreritra na dia kely monja ho an'i HM aza dia tokony hoe: "aleo ataoko tsara ity sao sahirana i HM raha handimby ahy amin'ity asa ity".

Resaka gestion des stock (warehouse management) ohatra izao io fa tena mampiaiky volana ny biby isaky ny halefa mission any amin'ny province ny tenananay misolo mpiara-miasa izay nampiakarina Tanà. Mikorontana ambony ambany hany ka ny andro natokana hanaovana ny asa nanirahana ahy lasa very eo amin'ny fanarenana foana ny hadisoan'ilay iray dimbiasina....

Ny presenteisme any ampiasana dia tena betsaka tokoa, tonga fotsiny hiasa satria manambady amanjanaka velomina fa tsy miraharaha na mandeha ny asa na tsia, tsy be raharaha hoy ny feo henoko matetika rehefa tezitra ny sasany. :(
26. soanja ( 19/08/2006 19:51)
Olana tamin'ny fanabezana daholo zany amiko.
-sharing
-Compassion
-caring
-taking initiatives
-wisdom of future
-global vision
-being responsible
-love of order
-grace and courtesy
-Awareness of the nature.
-critical thinking

Ireo no tsy ampy be dia be tamin'ny fanabezana ny gasy. miala tsiny fa tsy vita tamn'ny teny gasy satria somary maika azoko hazavaina raha misy tsy mazava.
27. Herimiafina ( 20/08/2006 03:38)
Ny olana anefa retsy dia ny olona tsy manana an'ireo no lazaina fa tena intelligent indrindra hono noho ilay be raharaha ny hafa, sns.... sa lahy klé! :roll::-w
28. soanja ( 20/08/2006 13:46)
HM interesting be izany ry HM. Ireo tokoa mantsy dia tsy maintsy volena ao an-tsain'ny olombelona izay no maha olombelona antsika satria manana io capacite io isika fa tsy mivelatra io ao anaty atidohantsika raha tsy kitihana sady ampiasaina. Ka tafiditra ao anatin'ny fambolena an'ireo ny "observing ny hafa manao ireo ambony ireo ,avy eo mi-apply azy amin'ny tena." io azoko atao hoe naman'ny " intelligence" raha izany.
29. Herimiafina ( 20/08/2006 18:06)
Lasa mampianadratsy ahy ilay izy indraindray e. Lasa miheritreritra foana ho hoe "tsy misy olona manao zavatra iray tsy ahitany interet".

Efa nataoko dinika teto io efa elabe izay fony zah vao niditra serasera, nataoko hoe "aiza ny action desinteressée?" na ny asa tsy misy tambiny, ny fihetsika natao ho an'ny hafa, sns....

Eny tsy tany Dago ihany io tranga io fa misy koa sasantsany tany Canada tany fahiny, izay manao toa izao:
Manana olana ianao, misy olona manolontena hanampy anao temporairement, fa rehefa tena dinihina dia calcul be ilay izy satria aty aoriana takiany aminao ny tambin'iny. (Eo aloha mbola tsy mametraka olana amiko).

Fa manomboka eto vao tena mipetraka ilay olana: ny tambiny takiany amiko dia tena zavatra tsy azoko noheritreretina mihintsy satria "raha voa-tsiramamy roa no nomeny hanampiana ahy, dia ny aiko no nangatahany ho tambiny avy eo".

Lazainy nefa fa fanampiana, cadeau tsy misy tambiny, sns no nomeny ahy, hay izy ity efa calcul vita hatrany amboalohany.

Ary ny tena olana dia raha nanampy izy "tsy nataony ho ahy fa nataony ho an'ny tenany ny tena marina...."

Ary efa izay hatrany amboalohany fa tsy hoe "fony izy nanampy dia tena niheritreritra ny hanampy tokoa, fa taty aoriana vao niheritreritra nitaky tambiny izy rehefa nila fanampiana indray" (raha ity faharoa koa dia tsy ahitako olana).

Fa saingy ny mandratra ny saiko dia ilay hoe "efa calcul hatrany amboalohany mhintsy, hoe mody manampy fa ny tambiny no efa ni-guider azy hanao izay"....:(
30. soanja ( 20/08/2006 21:47)
Herimiafina:

Mahavariana be ahy mihitsy izany satria i Herimiafina ve de mbola tsy naheno hoe "Random act of kindness." Tsy mino aho hoe hisy fitakiana tambiny io. ary io no tena hoe manampy ny hafa fa ilay resahinao eo ambony tsy manampy ny hafa fa manampy ny tenanao fotsiny raha vao misy calcul miaraka aminy.
Io Random act of kindness io no takin'i Kristy amintsika raha Kristianina isika.

31. Herimiafina ( 20/08/2006 21:58)
Ka izay indrindra retsy ry soanja no mahavaky ny lohako, mba marina e!
Kristy:
Mifankatiava ianareo tahaka ny itiavako anareo.

Io dia midika fa amour inconditionel izany, na tsy misy tambiny, kanefa zah retsy tsy mboloa nahita hoe misy olona mitia na manampy ny namany ka tsy miheritreritra ny tombotsoany.

Misy izao no milaza hoe ampiako ianao raha manana olana, dai nanda ilay razazavavy hoe sao dia tsy mety, dia hoe an3, aza ratsy saina hoy ilay iray fa cadeau io ary fanampiana anao tsy misy tambiny.

Ny ampitson'iny ihany dai hita soritra ny tambiny rehefa mi-telephone ity olona manao hoe "andao ho any amin'ny restaurant"....sns....

Tadidio fa source de pouvoir imatesan'ny olona sasany ankehitriny ny Dette morale.

Maro ireo milaza manao soa sy mitondra fanampiana no tsy manao izany raha tsy any amin'ny toerana na olona hahitany tambiny....

Io resaka act of kindness io mihintsy retsy ry soanja no hitako hoe tsy misy an, na mijanona ho couverture na resabe fotsiny....

Raha ny zavatra tenenin'ny olona moa no tena tanetrahany ara-bakiteny dia asa angaha....

We are far away from AGAPE. :roll::-w
32. soanja ( 20/08/2006 22:35)
Tsia ry HM, Act of kindness foana no nataonay hatramin'izay. Misy manao io saingy ianao mbola tsy nifanena tamin'ilay olona.
Ary ilay resaka : Sopapa nangatahiko tary @diaspora dia act of kindness nefa izao aho tena masany mihitsy.
Tsy kivy fotsiny rehefa manao soa. Misaotra an'Andriamanitra foana aza hoe afaka manampy ny hafa.
Tsy misy valiny, tsy misy tambiny.

33. Herimiafina ( 20/08/2006 22:42)
Raha izay angaha retsy dai tsy maninona sady tsara be mihintsy. midera androky mihintsy aza aho amin'izay. =D=D
Fa ny ahy aloha tsoriko fa dia mifanena amina be saina foana e! Ary ny tena mankarary ahy dia olona akaiky foana no manao ilay izy.

izaho manokana tia manao io act of kindness io koa fa ny hanaovana azy indray no samary mampatahotra ahy. :-w
34. soanja ( 21/08/2006 01:14)
HM>:-*:-*:-*:-* Aza kivy manao soa fa misy fahasambarana hafa tsy tsapa amin'ny zavatra hafa eo ampanaovana azy ary indrindra rehefa mahita fa afaka manampy ny hafa indray ilay nampianao.
Manana finoana , hoy i Rossy.(l)(l)(l)
35. Herimiafina ( 21/08/2006 01:59)
Misaotra retsy ry soanja an! :-*
Asa raha mba mahatadidy an'i HM ireo mpianany fahiny, nampanao cours ankizy sahirana mantsy zah tany Dago fahiny! :-*
36. soanja ( 21/08/2006 10:10)
Herimiafina:

Misaotra retsy ry soanja an! :-*
Asa raha mba mahatadidy an'i HM ireo mpianany fahiny, nampanao cours ankizy sahirana mantsy zah tany Dago fahiny! :-*

Mahafinaritra izany ry HM. Mino aho fa rehefa mampiasa ilay fahaizana nampianarinao ry zareo dia hahatsiaro anao foana. :-*:-*

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3687