self-centered

1. LazaDaddy ( 17/08/2006 06:37)
Na dia eo aza ilay fitenenana hoe "firaisan-kina no hery" dia beazina amin'ny fitiavan-tena ny Malagasy; ary fanoitra amin'izany ny famporisihina azy hifaninanana amin'ny mpiara-belona aminy.

Ahoana ny hevitrao?
novalian'i soanja ny 21/08/2006 10:10
2. miangalyandria ( 17/08/2006 07:19)
izahay kosa tsy notezaina tamin'izany ry Laza fa aza manao an'izany kosa e :(
3. Fiffi ( 17/08/2006 07:25)
mba grave kosa zany fanabeazana anareo zany an! Ary raha toa ka nahita an'zany enao de aza hatao hoe "Ny Malagasy fa mba hataovy hoe Misy raha misy sy mitombona zany an!
De ny fanabeazana rahngaha manomboka any am-pianarana koh sy indindra fa avy @ RDA de zany ve no hampenarina azy ? :roll::roll:
4. LazaDaddy ( 17/08/2006 07:30)
io aloha ny fanabeazana ny Malagasy hitako an-gazety sy amin'ny haino aman-jery.
5. LazaDaddy ( 17/08/2006 07:32)
raha ny tompon'andraikitra no atao hoe Ray aman-dReny dia hita soritra amin'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny koa io toetra io.
6. pissoa ( 17/08/2006 07:39)
Ny fifaninanana amin'ny mpiara-belona dia tsy voatery manohitra ny firaisan-kina ary tsy midika hoe fitiavan-tena. Miankina amin'ny toetsain'ny mpifaninana sy ny zavatra hifaninanana io.

Ny manohitra ny firaisan-kina dia ny fanasokajiana ny olona na araka ny kevitra - na araka ny tsy hevitra :-D:-D:-D
7. pissoa ( 17/08/2006 07:46)
(tohiny)

Ohatra:
Azo atao, organizena mihitsy ohatra ny fifaninanana hoe izay manana tokontany madio sy zaridaina tsara indrindra. Fifaninanana io - fa firaisan-kina fanatsarana sy fanadiovana ny tanana ihany koa.

Ny tsy mety kosa - rehefa mifaninana dia ny migafy. Ohatra hoe anipazana fako ny tokontanin'ny hafa fa tokontany madino no hifaninanana.
8. xxx ( 17/08/2006 08:58)
tsy misy olona tsy tia ny tenany izany kosa na gasy izany na vazaha fa resaka daolo ny anareo, vao latsaka teto antany ny olona iray dia efa tia ny tenany, tsy mahafantatra afa tsy izy sy ny azy
9. soanja ( 17/08/2006 14:04)
LazaDaddy:

Na dia eo aza ilay fitenenana hoe "firaisan-kina no hery" dia beazina amin'ny fitiavan-tena ny Malagasy; ary fanoitra amin'izany ny famporisihina azy hifaninanana amin'ny mpiara-belona aminy.

Ahoana ny hevitrao?


Diso tanteraka ny hoe nobezaina tamin'ny fitiavan-tena ny gasy. Nobezaina mba hahalala hizara ny gasy izay ny hoe "Ny adidy tsy an'olon-dratsy" zany hoe mahay manome izay vitanao amin'ny fiarahamonina. Ary raha hoe io no fanohitra dia diso fa io aza no vao maika fitiavan-tena.
Raha te hamporisika ny hoe " ny Firaisan-kina no Hery " ianao dia "Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika" na hoe "Akanga maro tsy vakin'amboa" sns ary ny fifankatiavana amin'ny mpiarabelona no fanohitra. Fanaovantsoa, fanaovantsoa!


10. Samoana ( 17/08/2006 14:22)
Fa efa voasoratra hoe : " Tiavo ny namanao...tahaka ny tenanao ":wink:
11. soanja ( 17/08/2006 15:07)
Samoana, marina tsy misy diso!
12. Fiffi ( 17/08/2006 15:36)
tsy adalan'ny Ntaolo akory no nilaza hoe " ny Firaisan-kina no Hery " "Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika" "Akanga maro tsy vakin'amboa" sns sa tsy marina akia zany ry soanja ?
13. pissoa ( 17/08/2006 15:51)
Sao tokony averina azavaina ny size fa tsy azo tsara izy izany :-D:-D:-D

Na dia eo aza ilay fitenenana hoe "firaisan-kina no hery" dia beazina amin'ny fitiavan-tena ny Malagasy; ary fanoitra amin'izany ny famporisihina azy hifaninanana amin'ny mpiara-belona aminy.

Ahoana ny hevitrao?

Ny fahazahoako azy dia hoe ampianarina (hono) ho tia tena sy handrava firaisan-kina ny malagasy amin'izao - satria asaina mifaninana amin'ny mpiara-belona? ... Ny malagasy amin'izao no tenenina, fa tsy ny malagasy taloha be namorona ohabolana be dia be akory.

Ny fanoitra dia tsy midika eto hoe "contraire" - fa hery entina hanaovana zavatra iray.

Sa tsy izany ve no dikan'ilay izy fa toa very izaho amin'ny valin-teny :roll:
14. hery ( 17/08/2006 16:11)
misy sokajiny ny malagasy kah. Ao ireo nobeazin'ny ray aman-dreniny ho araka io nolazain'i Laza io... fa misy kosa ny mbola manana ray aman-dreny vanona, manoro ny zanany ho amin'ny fifanampiana sy firaisankina.

15. cutie ( 17/08/2006 17:07)
self-centered

raha io fotsiny no jerena de za self centered ka ahona ry Lazadaddy :-D:-D:-D:-D
16. Herimiafina ( 17/08/2006 18:56)
Zah nefa mahita fa noho ny fivoaran'izao tontolo izao dia toa lasa trop self-centered be ny ankamaroan'ny olona eny fa na ireo mpanao soa aza.
tsy misy manao soa sy misaina ny hafa intsony ka tsy mitady tambiny sy valiny.

Misy koa ireo nanome siramamy iray sotro kanefa ny ainao no tedaviny hatao tambiny.

tsy ny RAR angamba no diso na dia manana anjara ao amin'ny fanabeazana izy fa kosa ny fiaraha-monina no somary efa mivilana ny atao hoe commonsense. :roll:
17. fijo ( 17/08/2006 19:45)
marina dia marina tokoa io zavatra lazain'i lazadady io.
taloha isika gasy dia nobeazina tao anaty firaisankina sy fihavanna.
taty aorian'ny 1975 izany fomba fisainana izany dia nanomboka tsy dia tazana intsony ,hafatsy tany ambanivohitra.ary izao ianareo raha mankany mada,dia ahatsapa fa na any ambanivohitra aza,dia efa manomboka hita sy tsapa io fanabeazana ao anaty fifaninanana io.
18. Herimiafina ( 17/08/2006 21:33)
Raha tena fifaninanana tokoa moa no iantsoana azy dia tsy dai misy olan aloatra amiko fa raha sabotazy no andraisana azy dai olana! :wink:
19. mandrindra ( 18/08/2006 10:40)
pissoa:

Ny fifaninanana amin'ny mpiara-belona dia tsy voatery manohitra ny firaisan-kina ary tsy midika hoe fitiavan-tena. Miankina amin'ny toetsain'ny mpifaninana sy ny zavatra hifaninanana io.

Ny manohitra ny firaisan-kina dia ny fanasokajiana ny olona na araka ny kevitra - na araka ny tsy hevitra :-D:-D:-D

=D=D zavatra roa milay ireo sady tsara raha miaraka ka.
tsara ny mitazona ny taloha fa tsy maintsy ampiana araka ny fivoatra ny toetr'andro.

20. pissoa ( 18/08/2006 20:03)
Herimiafina:

Raha tena fifaninanana tokoa moa no iantsoana azy dia tsy dai misy olan aloatra amiko fa raha sabotazy no andraisana azy dai olana! :wink:
Ie :-D:-D:-D
Sady le izy koa mety fifaninanana dia misy manao sabotazy tampoka. Fa tsy notaizaina ho toy izany kosa angamba isika malagasy (na taloha na izao) fa ny mpanao sabotazy mihitsy no kondrana :roll::-D:-D:-D


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2865