Tsy maintsy ateraky ny rano

21. prime ( 17/08/2006 11:18)
lila> miarahaba anao dia mazotoa e... ny anay moa ny vazivazy mandeha eny ihany...:)
22. mbelotavao ( 17/08/2006 19:23)
Misaotra izay namaly.
Mino fotsiny ihany ve izany dia ampy fa tsy mila manatanteraka ny teninY ? Valio
23. Achia ( 17/08/2006 22:04)
E mbo jereo nge i Nikodemosy e ilay nanaraka niafina an'i Jesosy e , efa razoky be iny mbola nolazaindRazezo oe tsimaintsy hatao batisa ny ol vao miditra any @ fanjakan'ATARA ko @ zao fotoana izao isika ve masimasina kokoa noho i Nikodemosy ?
24. mbelotavao ( 18/08/2006 02:58)
Achia >>> Izay indrindra
J.K mihitsy anie no nilaza eto fa tsy maintsy ateraky ny rano sy ny fanahy ny olona vao mahazo miditra any an-danitra dia tokony arahina am-pinoana ny teniny ary tsy mety eto ilay hoe:”Minoa fotsiny ihany”
Dia mbola hamafisin’J.K indray ery ambany hoe:Raha ny zavatra ety an-tany aza no nolazaiko taminareo ka tsy ninoanareo,ahoana no inoanarero raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra aho.
25. cutie ( 18/08/2006 03:04)
:P:P:P:P
26. LazaDaddy ( 18/08/2006 03:07)
Ahoana ary izany famakiantsika Baiboly izany rankizy. Andao amin'izay izy io vakiana araka ny maha Tenin'Andriamanitra azy fa tsy araka ny maha-olona antsika e :-*

Ilay jiolahy iray niara-nofantsihina t@ i Jesoa ve natao batisa? Dia nasitrika tanaty rano (immersion) sa nametraha-tanana (sprinkling)?
Kanefa izy iny dia nahazo antoka t@ i Jesoa fa tafiditra any @ Fanjakan'ny Lanitra :lol:
27. diamondra27 ( 18/08/2006 08:15)
ny famonjena de tsy fatantsika mihintsy hoe: iza no ho voavonjy na tsia fa personnel.

Selon ny situation io, de araka ireo lazainareo ambony ireo oe: le jiolahy , nikodemosy sns

de mbola valable koa izany amintsika
Fa refa mandre ny tenin'Atra enao de aza manamafy ny fonao fotsiny fa tsy fantatrao ny ora hahafaty anao ka sao de iny no teny farany azonao.

misy oe: ze mino sy atao batisa no vonjena
ze mino ny Zanaka no ho voanvonjy
ze mitandrina ny didy
minoa an'i Jesosy de hovonjena enao sy ny ankohonanao
nisy hoe: jiolahy be fa nifona t@ Jesosy t@ ora farany de voavonjy etc...

fa azo atao ihany aloha le mandinika soratra masina
28. mbelotavao ( 18/08/2006 17:41)
Lazadaddy>> Efa nahare ve ilay jiolahy hoe: Izay mino sy atao batisa no ho vonjena ?
29. Achia ( 19/08/2006 16:03)
:°)
30. prime ( 21/08/2006 12:29)
mbelotavao> inona ilay hoe manatanteraka ny teniny?:lol:
mikasika ilay jiolahy, batisan'ny rano angaha no lazain'i Jesosy?
31. mbelotavao ( 22/08/2006 04:12)
prime>>Ny tiako ambara dia tsotra.Isika izay milaza ny tenantsika ho Kristianina dia tokony hikatsaka mandrakariva ny sitrapon'ilay tompon'ny finoantsika(teninY)Ny mahagaga ahy mantsy dia maro be ny Kristianina no tsy te hahalala ny tenin'J.K voasoratra ao anaty Baiboly ary izay mihitsy ampahatsahivako ilay hoe "raha tsy ateraky ny rano" izany hoe raha tsy mivoaka avy ao anaty rano @ alalan'ny batisa ,izay na dia J.K aza nanao batisa tao anaty rano koa mba hahatanteraka ny fahamarinana rehetra hoy Izy ,nefa izy tsy nanota .Amin'izao fotoana izao anefa dia mbola maro be ny olona izay manao batisa @ alalan'ny rano atete @ loha izay tsy mifanaraka velively @ sitrapon'Atra ,nefa mazava eto ny teniny ka ny ahy ny anjarako ny mampatsiahy fotsiny ihany fa manana safidy malalaka isika.
32. prime ( 22/08/2006 11:43)
mbelotavao> misaotra anao, mazava tsara...
Misy tenin'Andriamanitra milaza koa fa ny batisan'ny rano dia manambara fibebahana... fa ny ao @ jaona 3:5-6 anie ka rano sy fanahy fa tsy rano fotsiny e...
Fa ny fomba anie ry mbelo dia izay mahafomba azy izay tsy manamarina n'inon'inona e, no sady tsy mandiso n'inon'inona koa e... fa ilay olona mibebaka manaiky atao batisa no mahafaly an'Andriamanitra... Io sahala ilay adihevitra indray maka izay mikasika ny fandraisana fanasàn'ny Tompo, ny andiany voalohany mitompo teny fantatra mihitsy fa vavaka am-po dia ampy fa tsy mila mofo sy divay, dia hoy ny iray, ilaina kosa ny divay na dia ho an'ilay mpitarika aza e dia ny mofo no omena ny laïka, dia hoy ny andaniny ny anay tena manana ny anjara mofony sy ny anjarany isan'olona @ divay, dia hoy ny akilany, ny anay tena mofo iray no zaraina ho an'ny rehetra, dia kalisy iray no isotroan'ny rehetra... Dia ahoana ary hoy ianao, zava-dehibe ve ny hiady hevitra ny @ izany?
33. mbelotavao ( 23/08/2006 03:39)
Prime > Marina tokoa ny teninao fa ny batisa dia milaza zavatra maro tahaka ny: fandevenana ny ota ; fiaraha-mitsangana @ kristy ho @ fiainam-baovao ;fibebahana ;sns….Voalazan’ny Baiboly daholo izany.
Ny mikasika ny adi-hevitra @ fombafomba dia izao no hevitro.Raha toa ka iankinan’ny famonjena ahy sy ianao dia ilaina ny miady hevitra fa raha fombafomba ivelany fotsiny izay mety hampisaraka ny Kristianina fotsiny dia mandany fotoana.(Ohatra: Fisaronan-doha ; Habetsahan’ny divay sy mofo eo amin’ny fandraisana ; sns..)
Izao anie ry prime e! Efes 4:5 (Iray ny Tompo ,Iray ny finoana , Iray ny batisa sns..) dia ny anjarantsika dia ahoana no ahatonga ny finoantsika ho iray dia mazava ho azy fa tsy maintsy @ alalan’ny tenin’Atra ihany no handraisantsika ny toro-lalana.Tsy maintsy mifanoro hevitra izany isika hahafahantsika mitandrina izay nandidian’J.K antsika (Mat28:20).
Ny @ fanasan’ny Tompo indray dia tokony hitovy @ voalaza ao @ 1Kor 11:23-28 fa ivelambelany araka ny voalazanao izay tsy voasaratra ao sa ahoana hoy ianao ?
34. prime ( 23/08/2006 06:01)
Marina tanteraka ny voalazanao ary mitovy hevitra aminao aho...
Ny adihevitra aroso eto mantsy dia mikasika ny batisa dia raha mahatsikaritra ianao, mitovy hevitra ny rehetra fa ilaina ny batisa satria antoka feno sy fanambaràna hita maso ny @ fibebahana sy ny famonjena... Fa ny mikasika ny fomba anatanterahana izany dia tsy antoky ny famonjena intsony fa efa fampianaram-pinoana isaky ny fiangonana tsi11 izay azo lazaina hoe, tsy misy mahadiso azy fa samy manana ny antony ara-tsoratra masina avy ireo... Dia izay no voatsipika maro2 ao ambony ao raha tsapanao...
35. mbelotavao ( 29/08/2006 03:59)
Prime>> Amiko ry Prime ny fomba fanatanterahana ny Batisa dia antoky ny famonjena mihitsy satria izay no nambaran’i J.K eto.Raha jerena ny Mat2:13-17 dia avy tany Galilia J.K no nandeha nankany @ onin’ny Jordana (lavidavitra ihany anie izany e!) ary mba hahatanteraka ny fahamarinana izay nolazainy sy ho modely ho ahy sy ho anao dia nidina tao @ rano izy ary niakatra teo @ rano.Dia mbola ho sahintsika koa ve ny hiteny fa fombafomba ivelany ihany izany ohatra nomen’J.K izany?
Jereo tsara anie ny tantara ao amin’ny Baiboly e!
-Lavo tao Edena Adama sy Eva satria nieritreritra fa fombafomba fotsiny ihany ny fitsipika nomen’Atra.
-Nanao fanatitra I Kaïna sy Abela; samy nanolotra izany tamin’ny fony sy t@ finoana izy ireo.Kanefa tsy nankasitrahan’Atra ny an’i Kaina satria tsy nifanaraka t@ teniny fa noheverin’i Kaina fa fombafomba fotsiny ihany ny karazana fanatitra atao.
-Ny vadin’ny Lota ;ry Oza sns marobe tao @ tantaran’ny Baiboly.
Koa manahy aho raha J.K milaza fa ho very izay rehetra tsy ateraky ny rano sy ny fanahy.
Isika Kristianina kosa etsy andaniny milaza fa tsy maninona izay fomba hanatanterahana izany fa fomba ivelany fotsiny ihany……….Enga anie tsy izany……..Ny Devoly koa anie mba mino an’ATRA E! J.K mihitsy no nilaza izany,fa tsy nanaja ny didinY.
Izao no teniko farany; Ao @ testamenta vaovao ao dia misy teny manao hoe: “Izay milaza fa mitoetra ao aminy dia tsy maintsy mandeha tahaka izay nandehanany koa.”Aoka isika hangataka ny fanahin’Atra hitari-dalana antsika hahazoantsika mandray fanapahan-kevitra fa aza ny hamaron’ny olona tsy mitovy hevitra aminao no tsy hanarahanao izay voalazan’ny tenin’Atra.
36. prime ( 29/08/2006 13:41)
mbelotavao> Izaho hoy aho tsy miteny hoe diso ny ambaranao... ary raha izaho no tianao resahina manokana dia t@ rano toy ny filazanao tokoa no nanaovana ahy ary efa nandray ny batisan'ny Fanahy Masina koa raha tianao ho fantatra, saingy tsy dia tiako nolazaina izany nefa moa dia tsy maintsy nambara...
Ny ambarako hoe fampianaram-pinoana dia tsotra... ny tena hevitra fonosin'ny batisa no zava-dehibe hoy aho teo ambony... ny fototra ijoroan'ny batisa anie ry mbelo dia tsy izay nataon'i Jaona ihany e... fa efa hatrany @ testamenta taloha io... ny batisa no endriky ny famoràna ao @ filazantsara raha vakiana... misy ny famoràna vatana izay efa nataon'Andriamanitra nanomboka hatrany @ Abrahama ka nanovàna ny anarana hoe Abrama ho Abrahama, nanendreny azy ho rain'ny mpino, ary tsy maintsy nanaovana izany t@ tenany sy izay lehilahy rehetra tao @ ankohonana, na nino ireo na tsia... Ka nanomezany ny tena faminaniana rehetra sy ny fitahiana... Efa voatendrin'Andriamanitra ary nosoratany any an-danitra ny anaran'ireo... fa nisy koa ny famoràna fanahy izay naseho t@ batisan'i Jaona indrindra2 (batisa rano), izay manambara fibebahana araka ny voalazanao... ary mbola niampy ny batisan'ny Fanahy Masina koa aza izay tena asan'Andriamanitra mivantana maneho ny fankasitrahany ny olom-bonjena...
Ka izay no ambarako hoe samy manana ny ifotorany aza-tsoratra masina io fa tsy misy mahadiso ny andaniny na ny ankilany, fa tsy hoe izay tsy manao batisa rano aroboka rehetra dia diso, na koa hoe izay tsy manao batisan'ny Fanahy Masina rehetra dia diso, na koa hoe izay manao batisan-jaza rehetra dia diso, na koa hoe ny an'ny batista ihany, na ny an'ny pentekôtista ihany, na ny an'ny ffkm hany no marina, fa asan'Andriamanitra io fa tsy asan'olombelona... Fa ny tenin'Andriamanitra dia nampirisika mihitsy ny anaovam-batisa ny olona mibebaka amin'ny anaran'ny Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina fa tsy hoe tsy maintsy aroboka na tsy aroboka...
Miala tsiny fa lasa lavalava ihany satria tsy azon'i mbelo ny tiako ambara hoe tsy t@ andron'ny filazantsara no fototry ny batisa fa efa hatr@ testamenta taloha ka nahatonga ny zanak'Israely nandray izany ho antoka lehibe @ fifandraisana amin'Andriamanitra... Izany tsy midika koa hoe tsy maintsy foràna na tsy ilaina ny famoràna... Fa
37. prime ( 29/08/2006 13:49)
Miala tsiny fa tapaka...
Fa Jesosy koa dia noforàna 08 andro taorian'ny nahaterahany, dia midika koa ve izany hoe tsy maintsy foràna 08 andro aorian'ny ahaterahana ny zanakalahy? Ka aza maika ny hiampanga hevitra fa samy manana ny fototra ijoroany ny amin'ny fanarahana dia an'i Jesosy ny mpino Azy rehetra...
38. Achia ( 29/08/2006 14:24)
za ndray ohatra ny tsy resy lahatra @ ilay hoe famorana no endriky batisa fa ra ny famorana endriky ny finoana ary ny batisa de fanadiovana ka tsimaintsy misy rano zany ka raha t@ Tt zao de teo @ ranomasina mena t@ zanak'israely nivoaka tany egipte ny faharoa ndray de teo @ ony jordana endrika batisa daholo ireny e !
39. prime ( 30/08/2006 08:54)
Achia> tsy te mbola hanazava lalina ny mikasika izany aho satria mbola mandeha ambaratongany avy ny zavatra rehetra... izaho rahateo tsy mandresy lahatra fa izay voalaza ihany no hamafisiko fotsiny...
Ny fototra ijoroan\'ny batisa no resaka mantsy fa tsy ny fomba fanaovana batisa... fa ny batisa raha ny fahafantarako azy dia tombo-kase avy amin\'Andriamanitra ny amin\'ny fanekeny ny olona iray ho isan\'ny olom-boavonjy ka handova ny lanitra rehefa nanapa-kevitra ny hiala amin\'ny ratsy fanao, ny batisa dia vavahady tsy maintsy lalovan\'ny olona mpanota iray miala @ ratsy fanaony ka manaiky ny fanavaozan\'Andriamanitra sy ny fandiovany ary ny fitahiany, ny batisa dia vavahady avy amin\'ny fahafatesana ho amin\'ny fiainana mandrakizay, ny batisa famonoana ny momba ny tena ka handraisana ny Fanahin\'Andriamanitra mpanavao ho amin\'ny tena vaovao, ny batisa dia fototra iorenan\'ny fanomezana anaram-baovao ny olona nanaiky hanolo-tena ka maty ny anarany taloha ary mahazo anaram-baovao any an-danitra izy @ mahaolom-baovao azy (efa nateraka indray), ny batisa dia endriky ny fiainana ho avy ka tsy maintsy hahafatesan\'ny nofo aloha ary hitsanganana amin\'ny maty ao amin\'Andriamanitra... Ny batisa (araka ny testamenta vaovao) dia misy karazany roa, avy amin\'ny rano, sy avy amin\'ny fanahy (batisa rano sy batisa fanahy), ny batisa dia misy ny an\'ny nofo (famoràna tao amin\'ny testamenta taloha), ary misy ny an\'ny fanahy (ireo karazany roa voambara teo, ambara ao @ filazantsara koa hoe \"famoràna fanahy\")... Ny batisa dia amin\'ny anaran\'ny Ray, Zanaka sy Fanahy Masina no anatanterahana azy...
Ny teo amin\'ny ranomasina mena, ny teo ami\'ny onin\'ny jordana, ny safo-drano t@ andron\'i noah... dia efa endriky ny fiainana vaovao ao amin\'Andriamanitra avokoa ireny ka miala t@ zavatra taloha ho amin\'ny fiainana vaovao...
Ny amin\'ny rano dia io no nataon\'Andriamanitra fitaovana mazava indrindra nanehoany ny asany ao amin\'ny batisa, marina tokoa izany... fa na tsy hiverina ny @ famoràna (mbola omeko ny textes momba an\'io amin\'ny manaraka) aza ny batisan\'ny Fanahy Masina nefa izao tsy mila rano... Ka ilay fototry ny batisa no tena voatsipika mialoha izay vao ny fomba fanatanterahana azy... Izay no nambarako...
40. diamondra27 ( 30/08/2006 09:01)
amiko dia mazava 100% io aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0672