mitady tonon-kiran'i Jerome Randria

1. Tefytiana ( 16/08/2006 11:39)
Ho an'ny namana,

Sao mba manana tonon-kiran'i Jerome Randria ianareo fa saingy tsy fantatro ny lohateny fa ny ao anatiny misy andininy hoe : "na dia manirery aza aho ry sombinaiko; tsy miova akory ny fitia zay nolalaiko; manantena ihany ny ho tody eny an-tseranana...toy izany, ny vetsovetso singany aty, ho anao...".
Isaorana mialoha raha misy manana na mahay; miandry valiny.

Tefytiana
novalian'i Tefytiana ny 16/08/2006 12:52
2. hery ( 16/08/2006 12:17)
http://tononkira.serasera.org/index.php?rub=tononkira/hira&id=2243

Lohateny: Manirery
Mpihira: Jerome Randria

Ahoana no fomba nahitako an'io?

- Niditra tao amin'ny site http://tononkira.serasera.org

- Nandeha tery amin'ilay hoe Hitady tononkira http://tononkira.serasera.org/index.php?rub=tononkira/hira&asa=mitady

- Dia napetrako teo amin'ilay hoe Hira misy hoe ny teny hoe Na manirery aza ianao dia notadiaviko

- Dia niseho ny lisitra: Dia nojereko ny tarika Railovy

Dia izay :-)
3. Tefytiana ( 16/08/2006 12:52)
Misaotra an'i Hery @ toro-lalana; ny tena moa vaovao vao tonga dia tsy mbola zatra. Amin'ny tononkira manaraka indray ary!!!

TT
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0384