Dia isaky ny fifidianana izao ve?.....

1. lemenakely ( 16/08/2006 11:20)
Raha sendra namaky ny vaovao tao @ wanadoo.mg indrindra ny tribune dia nanambara i PIERROT RAJAONARIVELO fa tsy mihemotra ny tenany manoloana ny fiampangàna azy 15 taona be izao ! fa tsy maintsy ho avy izy hiatrika ny fifidianana @ 03 desambra ho avy izao!

Etsy ankilany ny 3FN dia mikonokonona hanao famoriam-bahoaka etsy sy eroa , ny tanjona dia ny hanemorana ny fifidianana @ 03 desambra io fa tsy ara-dalàna !

Ny KMSB(Komity Manohana ny Safidim-Bahoaka) izay tarihandr'ingahy OLIVIER RAKOTOVAZAHA izay ao anatin'ny atao hoe MOUVANCE PRESIDENTIELLE, moa dia efa mitety faritra maro koa manomana fa tsy maintsy hiaro ny safidim-bahoaka !

Raha jerena sy fehezina izany ireo fehin-kevitra 3 ireo dia hita sy tsapa fa tsy mitovy mihintsy fa dia mifandibatra tanteraka . Dia ahiana ny hisian'ny fifanoherana indray, izany hoe TSY AZO IDIVIRANA INDRAY NY HISIAN 'NY KORONTANA !...

Dia mbà mametraka fanontaniana ihany ny tena hoe dia isaky ny fifidianana izao ve leiretsy dia tsy hanan-draharaha afatsy ny hampisy korontana ?
Ny firenena izay efa tafalatsaka tanteraka ao anatin'ny fahantràna lalina sy ny sondro-bidy etsy sy eroa!

DIA TSY AZO ATAO VE NY FIFAMPIRAHARANA ? raha misy ny olana ara-pôlitika dia ara-pôlitika ihany no vahaolana fa tsy ny vahoaka ny atao sorona lava izao dia refa azo ny seza dia VELOMA !..
novalian'i prime ny 26/09/2006 10:21
2. sylvain ( 16/08/2006 12:29)
Marina ny an'i lemenakely,fa tsara hatsangana ihany koa ny safidim-bahoaka tsy hanao korontana,fa tena mazava b fa tsy maintsy hisy korontana na aloha na aoriana ny fifidianana,satria raha ho avy tokoa Pierrot R d tsy maintsy ho samborina ary gadraina,d ho maro ny tsy hanaiky an'izay,d ho avy ny korontana,indrindra fa ny mpanao politika ary miainga @ ireo mpanao politika reo foana ny korontana eo @ firenena,avy eo izy miala-pà na mody tsy te halala raha mahazo toerana,d mifanilaka eo ry zareo avy eo.D aoka mihitsy isika vahoaka ahatsiaro saina sy handinika tsara.
3. fijo ( 16/08/2006 21:56)
fanitsiana kely,"tsy fiampangana azy 15 taona",fa fanamelohana azy 15 taona".

marina tokoa fa le korontana dia hita fa zavatra tadiavina .ka asa na hanaraka an'io ny vahoaka na ahoana.
4. ravatorano ( 17/08/2006 07:21)
ny korotana d izay mila azy sy manely ilay korontana izay mbola tsy hisy akory no tena ho voa mafy amin izany.Vahoaka efa sahirana ity v mbola hikorontana koa raha za manokana aloha d aleo miitsy reketrina io 3 decembre io jerevana izay tena mbola favori sy tian ny vahoaka eto amin ny firenena e fa ny tsara dia tokony hampitovizina ny fahafahan ny mpilatsaka iray hanao ny propany injinja fa ny fametrahana ny biletà devoty sy ny lisipifidianana madio
zay ihany nenah fa raha korontana izany tokony efa ilaozan ny toetr andro izany ary tsy tsara resahina tsony raha tsy hoe efa tena ilaina miitsy ilay izy dia voizina tsy akijanona handemena ny saim-bahoaka
5. xxx ( 17/08/2006 07:28)
aza asina fifidianana fa ataovy filoha mandrapahafatiny ravalo de mba ny kibo sisa no mikorotana ra hikoronata
6. prime ( 17/08/2006 07:41)
:°):°)
7. rabaradaka ( 17/08/2006 10:21)
Zao dadatoa, ny mpanohitra dia tsy maintsy mimenomenoa, tadidio fa ady seza ny antsika malagasy fa tsy fandraisana fitondrana. Minoa ahy nareo fa tsy hisy gidragidra izany ny fifidianana amin'ity. Tena mino an'izany aho. Fa ity xxx ity koa ange tena tsy tokony hiditra ato amin'ity politika ity fa ho tapaka lalan-drà eo e ! Mba e !
8. mandrindra ( 17/08/2006 11:12)
tsy tsara ny korontana ary efa hiarahamahalala fa tsy mendrika ny fihetsiky ny mpanakorontana. nefa aoka tsy ho adino ihany koa fa anjaran'ireo korontanina ny mampandry tany mba hilamina.
9. prime ( 17/08/2006 12:55)
lasa poeta mihitsy mandrindra le...:wink::lol:
10. mandrindra ( 18/08/2006 08:12)
poety aiza ndray fa hevitra hafafy ny ahy e
11. xxx ( 20/08/2006 01:27)
I Pierrot rangahy ity dia tena nangalatra tao @ douane mihitsy an! Nisy olona fantatro tsara, akaman'i lery, t@ ireny fotoana ireny lasa milliardaire tampoka, fa tena afera tsy afera mihitsy tao @ douane tao.
Samy efa namoaka tomobilina angamba ny ankamarozan-tsika, samy mahalala hoe ohatr'inona ny tsolotra naloha tao izay voa tafavaoka.
Conclusion : rariny loatra raha tokony gadraina ilery.
12. kolokanto ( 20/08/2006 12:51)
Miarahaba antsika rehetra indray ô!
Raha izaho manokana aloha no mamintina ny zava-misy aty amintsika dia izao:
- Nanimba, nanapotika, nangalatra ny fananam-pirenena ny mpitondra teo aloha eny tao koa aza ireo vono olona.
- Leo ny vahoaka noho ny tsy rariny sy ny tsindry hazo lena natao taminy dia mba nihetsika nampiseho ny heriny.
- Tafita ary ny safidim-bahoaka: nosamborina ny mpanao ratsy rehetra izany hoe ireo mpangalatra, mpanimba fananam-panjakana.... Ireo matanjaka moa afaka nandositra fa ny sisa dia tratra.
- Dradraina amin'izay hoe asio ny amnistie fa izay no antoky ny fandriam-pahalemana: izany hoe atao ankivy ny filaminam-bahoaka: IZANY VE NO LAZAINA FA TIA TANINDRAZANA??????
-Asio ny reconciliation nationale: F'angaha moa re olona tany misy adim-poko Madagasikara no mila reconciliation?
Dia diniho sy jereo akaiky daholo ireo olona midradradra sy mitompo teny fantatra milaza izany: Ireo mpitondra sy nahazo tombon-tsoa teo aloha. Very fihinana ry zareo dia atao daholo izay fomba rehetra mba hahazoana miverina manao am-paosy!
Hita manko ankehitriny fa vola anapitrisany no azo avy amin'ny mpamatsy vola isan-karazany.
Manao fanakianana ny zava-misy ankehitriny kanefa inona no mba vaha-olana entin'ireo milaza tia tanindrazana ireo entina manatsara ny fiainan'ny Malagasy?
Izany hoe raha dinihina dia tsy ny fitiavana ny tanindrazana velively no manosika azy ireo hanao izao rehetra izao fa FITIAVAN-TSEZA HO AZY IREO MANOKANA, dia ny vahoaka no atao fitaovana.
Izany sy izany amiko raha fintinina ny zava-misy aty amintsika.
Aza manaiky ataon'ny olona fitaovana intsony isika vahoaka!!!!!
13. xxx ( 20/08/2006 17:23)
Mbola aiza no hahazo an'ialahy ry Pierrot?
Raha ny tokony ho izy aza dia tokony haveriny dodoly ilay milliard maromaro, miaraka @ Villa Antoinette.
14. prime ( 21/08/2006 15:00)
:°)
15. mandrindra ( 21/08/2006 15:10)
io hevitr'i xxx dia tohanako, fa tsy ny mikasika an'i pierrot irery ihany. izay rehetra nanodikodina volampanjakana dia tokony ho atao saisi ny fanany rehetra mandrapahavoaveriny ny vola rehetra nalainy. ary tsy asa anterivozona any antranomaizina no tokony ho ataony fa asa maimaimpoana mitady izay hamerenany ny vola nangalariny
16. prime ( 22/08/2006 10:45)
:lol:
17. fijo ( 22/08/2006 21:31)
xxx sy mandrindra tena marian tokoa izany.izy rehetra nangalatra tao,tokony hoenjehana daholo.ary tsy mila amnistie sy inona izany fa mba avela hisazy aloha
18. prime ( 24/08/2006 10:17)
ary ze mangalatra ankehitriny? :lol:
19. mandrindra ( 25/08/2006 09:50)
izay mangalatra rehetra nataloha na ankehitriny dia mitovy grady avokoa
20. prime ( 25/08/2006 09:56)
hummmm... tsy azon'i mandrindra ny tian'ny mpanoratra ambara...:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0393