saika mba mila toro evitra kely

1. rurik ( 16/08/2006 08:24)
mahita io fandefasana vola eo ambony io aho dia saika mba hanotany we tsy misy atahorana ve le mandefa vola @ ( westerne union ) par enternet io???
misaotra betsaka .
novalian'i belahasa ny 24/08/2006 10:17
2. Fiffi ( 16/08/2006 08:42)
rurik: heu..zah aloha de tsy mba sahy mandefa vola na manao fandohavan-javatra @ net a! fa azondry hatao tsara nge ny mandefa vola any @ poste an! @ io west io hiany! Toa efa efa sécurisé be hono ny izy io fa tsy sahy aloha zah an!
3. zefa ( 16/08/2006 09:23)
manahoana daholo , mba anontany aho misy ve fomba hafa azo andefasana vola any madagascar ankoatra ny western union ? ary ny vola ve azo entina tanana any mada raha misy olona mankany ?
misy ve banky any mada mitahiry vola vahiny ?
misaotra
4. sarobidy ( 16/08/2006 09:29)
ary ny vola ve azo entina tanana any mada raha misy olona mankany ?
hoy i zefa
de zao no avaliko azy oe raha atokisanao le olona ampitondrainao azy de mety tsara mihitsy kah!
5. Vaika ( 16/08/2006 09:41)
rurik : raha madio tsara ny pc-nao dia tsy misy olana ! Ary mino aho fa sécuriser ny site-n'i Western Union, fa na izany aza aleo mandeha any amin'ny poste.

zefa : virement de compte à compte sady mora kokoa : 2€ par virement (arakaraky ny banky !) dia misy pourcentage kely latsaky ny 5 % fa tsy tadidiko intsony. Raha be ny vola alefa dia négociable ny frais bancaires fa maro ny tsy mahafantatra.
Azo alefa olona koa ny vola : ny olon-dehibe rehetra dia mahazo mitondra 9999 € tsy mila déclaration, raha mihoatra dia tsy maintsy déclarer-na (any Ivato !)
Raha ny fantatro dia tsy mitahiry vola vahiny ny banky any Dago fa tsy haiko loatra. Société générale sy Caisse d'Epargne,Crédit Lyonnais hanontaniana, ireo no misy any !
6. hery ( 16/08/2006 10:56)
Ny mahatsara sy ny antony ampiasany ny western union en ligne dia amin'izay tsy mila mandeha poste. Raha tsy sécurisé io dia tsy nampiasa an'io ny Western Union. Izaho tsy afaka mampiasa an'io satria tsy any Frantsa (ny eto Italie mbola tsy misy en ligne noho io resaka sécurité io mihitsy).

Koa raha sendra tsy afaka mandeha any @ poste dia ampiasao io... raha mazoto handeha ho any amin'ny poste moa zavatra hafa indray. :-)

Marina fa betsaka ny matahotra momba ny transaction @ internet fa raha mahay mampiasa azy ianao dia tsy hahita olana mihitsy. Efa an-taonany maro izao no nampiasa transaction en ligne aho amin'ny alalan'ny serasera (mividy serveur, mividy fitaovana, mandoa vola etsy sy eroa) fa mbola tsy nisy olana mihitsy.

Zavatra tsy maintsy jerena alohan'ny handoa vola:

- Site efa zatra sy azo itokisana (société lehibe, manana réputation)
- Mampiasa connection sécurisée (Jerena tsara fa raha vao tsy https:// ny adiresy dia tsy sécurisée izay ny transaction)
- Raha afaka mampiasa dia Carte rechargeable ampiasaina (fa tsy carte bancaire). Anontanio ny banky fa afaka mangataka carte VISA na MASTERCARD rechargeable ianao. Izany hoe ametrahanao izay vola tianao hapetraka. Ka raha misy misoloky dia tsy vola be no very any.
7. rurik ( 16/08/2006 12:07)
hery ka io mihintsy ny oalana amiko raha mba tsy misy olana le izy ato atrno ihany dia vita satria ny poste akaiky ahyy eto tsy misy ka tokony mandeha lavitra ,
izany no nahatonga ahy nanotany .
dia misaotra betsaka namaly hevitra sy nanampy fa toa aleoko ihany angmba makany @ poste mba sur kokoa.
sao miantoka arivo maty iray alina ka loza .
8. Fiffi ( 16/08/2006 13:16)
hery:
- Raha afaka mampiasa dia Carte rechargeable ampiasaina (fa tsy carte bancaire). Anontanio ny banky fa afaka mangataka carte VISA na MASTERCARD rechargeable ianao. Izany hoe ametrahanao izay vola tianao hapetraka. Ka raha misy misoloky dia tsy vola be no very any.
tsara be ity hevitra ity saingy ny olana aminy fotsiny de payante io carte io na rechargeable @ fotoana vitsy na isan'taona! misy cotisation isan-taona haloha moa no tena izy an! de lany vola fotsiny indray ny fandohavana an'io satria efa mahatratra 43€ izy io! fa aleo mankany @ poste raha toa ka tsy sahy mandefa directa @ net io!


9. Vaika ( 16/08/2006 13:21)
hery : hoy ianao etsy ambony "...raha mahay mapiasa azy enao dia tsy hahita olana mihintsy"

Mba atoroy tokotrany hoe ahoana no tokony hanaovana azy ? Tsara ilay hevitra CB rechargeable, ary inona no tokony tsinjovina raha CB normale no hampiasaina ? Inona no mahatsara kokoa ny sécurité frantsay ?
Raisina an-tanan-droa ny valiny na dia tsy maika aza, misaotra mialoha.

Na dia fantatra aza fa tsy hisy olana dia mbola eo ihany le tahotra fa vaovao ts'inona koh !:-D

rurik : Tena sûr fa sécuriser western union (gadanà kely etsy ambany an-kavanana ambonin'ny ilay famataran'andro). Fa ny mba tiko ho fantatra dia inona tokotrany moa ny olana mety hitranga (ahoana no mety hitrangan'ny olana ?) ? Ilay n°CB ve ? Ka efa hoe sécuriser ilay site, sa zavatra hafa ?
10. Fiffi ( 16/08/2006 14:16)
Vaika:
Mba atoroy tokotrany hoe ahoana no tokony hanaovana azy ? Tsara ilay hevitra CB rechargeable, ary inona no tokony tsinjovina raha CB normale no hampiasaina ?
raha le rechargeable no hampesaina de le vola tianao halefa any dago fotsiny no hatao ao de raha sanatria ka misy olana na hoe very ny carte de tsy misy vola ao fa en rouge ny kaontinao rehefa lasa le vola an! Fa domazy fotsiny fa raha maka an'io CB io hoa de handohavam-bola 43€ io an!


11. hery ( 16/08/2006 15:03)
Fiffi> oups... ary gravy kou izany any aminareo izany :-p

Ny eto Italia aloha misy an'izay Postpay izay, carte rechargeable. Na dia tsy manana compte bancaire aza dia efaka manana. Raha tsy manana compte ianao dia mandeha any amin'ny poste mi-charger azy (manao versement). 5 euros no naloa tamin'ny naka azy dia izay. Isaky ny mandrotsaka vola ao ianao dia 1 euro ny frais.

Mandeha n'aiza n'aiza mihitsy io carte io, t@ zah tany France dia io no entiko ka na very aza tsy koi.

Jereo sao misy otran'izany ihany any ho any.
12. Fiffi ( 16/08/2006 15:57)
Hery: fa misy koh ny cartes Moneo fa io indray de 100€ maxi fa carte hentina mihetsena fotsiny de limité à 30€ ny fandohavana zavatra any @ magazay !
Azo hatao tsara ny mi-chargé azy fa io natao ho an'ny olona tsy te-hampiasa ny CB-ny ka raha sanatria ka very io carte io de tsy de misy vola firy koh ao ! tsy misy avantazy hoe handefasana vola akory io ! Io hiany aloha no hitako fa le carte 1 iny sady mandoha participation no tsy de ilaina firy akory satria voafetra ny hampesaina azy!
http://www.moneo.net/pages/grand_publics/comment-marche/cartes.asp
13. fijo ( 16/08/2006 20:36)
ka rehefa mankaty hery dia tairiko io carte io izany,fa mba fenoy an.hi ih hi
za koa aloha matahotra ihany ity resaka net ity e.ny banky izao,"CIC" dia manao fomba fiarovana tsara.omeny carte kely izay ianao,misy tarehimarika betsaka.dia rehefa miditra mijery ny volanao enao,na hanao fanovana,dia anontaniany aloha hoe firy ny sia hitanao eo amin'ny "f"sy "4" ohatra.ka io,izay mananan le cate ihany nohafaka mahita azy.dia izay aho,vao mba sahy nampiasa fitantanana vola tamin'ny net.
sao very any ny dralako ko
14. Fiffi ( 17/08/2006 05:50)
fijo: nga tsy le 3 chiffres code nge io eh!
15. bigmama ( 17/08/2006 07:27)
16. Fiffi ( 17/08/2006 07:40)
17. fijo ( 17/08/2006 19:02)
fiffi ,an an isa miovaova io anontaniany i.izany hoe raha nisy nahita le isa tadiaviny izao,vao miverina miditra eo enao dia isa hafa no tadiaviny,ka enao ihany no hafaka mahalala izay
18. Fiffi ( 17/08/2006 20:01)
fijo: ah ! ok ! fa tsy aiko ny système-ny CIC fa tsy ratsy aloha zany an!
19. cutie ( 18/08/2006 00:55)
Mpandefa : rurik [ Valio ] 16-08-2006 19:24:40
Lohateny : saika mba mila toro evitra kely
mahita io fandefasana vola eo ambony io aho dia saika mba hanotany we tsy misy atahorana ve le mandefa vola @ ( westerne union ) par enternet io???
misaotra betsaka .

Za efa nandefa fa ry zareo maka % be loatra, fa mbola mitady fika hafa za zao.
Fa azo atokisana ry zareo ka
20. LazaDaddy ( 18/08/2006 00:56)
cutie> tsy voaraiko akory anefa ilay izy! Sao dia 100% no nalain-dry zareo? :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4687