Mitady solony fa mampalahelo.

1. soanja ( 14/08/2006 03:47)
Manana namana izay aho aty, izay nitaiza alika Coton de Tulear, ary noraisiny toy ny zanany mihitsy ilay alika. Mba fingavingiako eo ilay izy satria mba avy any amintsika. Maty anefa ilay alika tamin'ity herinandro ity ary tena malahelo be mila hamono tena ilay tompony. Sahirana be aho fa isaky ny miantso ahy izy dia mitomany foana fa hoe tsy ahita tahak'iny intsony. Aiza intsony no ahafahany mankany Dago sns sns.
Dia mba mieritreritra aho hoe te hitady alika coton de Tulear ho azy rehefa afaka 2 volana any ho any mba hamerenany indrAy ilay fitiavany very. Mety ahita an'io ve aho aty US?
Mandrapaha misy anampiana azy mba tsy hamonoany tena ve?
novalian'i Fiffi ny 07/09/2006 16:44
2. LazaDaddy ( 14/08/2006 03:55)
omeo azy Andriamanitra fa tsy hitomany alika intsony izy mandrakizay :)
3. Fiffi ( 14/08/2006 04:41)
zah koh mitady :(
4. soanja ( 14/08/2006 12:29)
Izany olona izany tsy mino an'Andriamanitra ary tsy vonona akory ny hiresaka an'izany aminy aho fa lany rora fotsiny. Fa ny fitiavany ny Malagasy sy ny momba azy kosa dia goavana be. :-*:-*:-*
5. LazaDaddy ( 14/08/2006 13:10)
soanja:
Izany olona izany tsy mino an'Andriamanitra ary tsy vonona akory ny hiresaka an'izany aminy aho fa lany rora fotsiny.
:cry: Hampalahelo mandrakizay izy raha alika no heverinao hanala ny alahelony.


6. soanja ( 14/08/2006 13:19)
LazaDaddy:

soanja:
Izany olona izany tsy mino an'Andriamanitra ary tsy vonona akory ny hiresaka an'izany aminy aho fa lany rora fotsiny.
:cry: Hampalahelo mandrakizay izy raha alika no heverinao hanala ny alahelony.





Ka izay no safidiny koa. Raha hoe olona mbola tsy namaky baiboly na hoe tsy nampahafanatarina azy dia niezaka aho fa tena eo anivon-dry zareo eo ny baiboly sady hitany ny asa vitan'ireo izay mino fa tsara. Fa safidy ny azy. Alika no tiany dia izay izany ko. Sady tsy alikalika amin'izao fa avy any Toliary. Zah koa alo tena mba malahelo ihany satria izaho mihitsy no nanome ny anaran'ny alika (potimofo) izao lasa ilay alika dia tsy manana alika ho vangivangiana intsony aho mandra-paha. Aza manahy ianao fa tsy halahelo mandrakizay izy.


7. hery ( 15/08/2006 22:15)
LazaDaddy> ampitovian'i LazaDaddy amin'ny alika ve sanatria Andriamanitra? Maty ny alika dia Andriamanitra no atolotra ho solony? Sao dia mba tsy rariny...
8. LazaDaddy ( 16/08/2006 00:02)
Hery> tsy niteny mihitsy aho hoe Andriamanitra atao solony fa aoka tsy hamorona izay tsy nolazaiko fa manjary miampanga lainga. Tandremo fa RATSY NY MIAMPANGA LAINGA

Soanja> aza kivy na dia nisafidy ny halahelo izy fa mivavaha ho azy foana :-*
9. soanja ( 16/08/2006 01:37)
Lazadaddy> io farany io indray dia tena tsy mbola niato izany tao ampoko. Misaotra anao anefa nampatsiahy fa io fivavahana ho an'ny hafa io dia manampy an'ilay olona tokoa ary mandaitra. :-*:-*
10. cutie ( 16/08/2006 19:56)
Mpandefa : soanja [ Valio ] 14-08-2006 14:47:53
Lohateny : Mitady solony fa mampalahelo.
Manana namana izay aho aty, izay nitaiza alika Coton de Tulear, ary noraisiny toy ny zanany mihitsy ilay alika. Mba fingavingiako eo ilay izy satria mba avy any amintsika. Maty anefa ilay alika tamin'ity herinandro ity ary tena malahelo be mila hamono tena ilay tompony. Sahirana be aho fa isaky ny miantso ahy izy dia mitomany foana fa hoe tsy ahita tahak'iny intsony. Aiza intsony no ahafahany mankany Dago sns sns.
Dia mba mieritreritra aho hoe te hitady alika coton de Tulear ho azy rehefa afaka 2 volana any ho any mba hamerenany indrAy ilay fitiavany very. Mety ahita an'io ve aho aty US?
Mandrapaha misy anampiana azy mba tsy hamonoany tena ve?

asaovy mankany @ pound izy mitady :P
11. cutie ( 16/08/2006 19:57)
hivavaho izy mba hahita alika hafa e :P
12. Solitikabe ( 17/08/2006 01:43)
Soanja an
Mampalahelo izany
Fa izaho mahita any US, saingy ny vidiny dia eo amin'ny $1,750 na $ 2,000 eo ho eo. Fa mila mijery ilay olona tena manana, satria ny Coton misy any US matetika dia efa mifangaro an'ilay Bichon Frantsay ireny. Ka lasa somary masiaka izay ilay alika. Izay fa mahazotoa eh
13. soanja ( 17/08/2006 03:33)
An an ilay tena alika toliary no tena tadiaviko fa raha mahita ise dia mba andefaso hafatra manokana aho. Misaotra betsaka. Ilay "potimofo" manko dia tena nalefaka sady mora tiavina be mihitsy.
14. xxx ( 19/08/2006 17:37)
ny tena olana de alika ihany no tadiaviny sady sarotra tadiavina ary ra mba propozena biby hafa izy e
15. soanja ( 20/08/2006 04:19)
Biby inona izany no tianao omena azy?:?::?: Ilay izy anie ka tsy dia ilay alika loatra no tena tiany fa Madagasikara sy ny ampelasoany ka iny tena nahasolo azy tokoa raha ny fahitako azy. :wink::wink:
16. Herimiafina ( 20/08/2006 21:02)
Asaivo manandrana husky izy na cocker na st-bernard fa ireny koa mety mahasolo ampelasoa retsy an! :-*
17. soanja ( 20/08/2006 22:12)
Ndrazo indray fa ampitaiko any izany. :-*:-*:-*
18. Herimiafina ( 20/08/2006 22:16)
Ny ahy izao ilay cocker no tena mba ankafiziko fa sady doux be no docile kely mahafinaritra. Asaina maka gazety isa-maraina any ivelany! :-D
19. naritsimba ( 22/08/2006 08:56)
samy manana ny tiany io e, dia enga anie hahita i soanja
20. Samoana ( 22/08/2006 13:09)
Solitikabe:


Fa izaho mahita any US, saingy ny vidiny dia eo amin'ny $1,750 na $ 2,000 eo ho eo.


Raha manana io vola io izy asivo ataony frais mahita an'i Gasikara: sady ahita gasy bdb mahafinaritra azy izy no ahita coton de tuléar bobaka koa e. Izay no fanafody hitako hanala tsara ny alahelony ( miampy ny tohana am-bavaka ataon'i soanja sy LazaDaddy mazava ho azy:wink:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0929