Aiza no ahitako ny fahamarinana?

21. cutie ( 15/08/2006 20:42)
Mpandefa : Solitikabe [ Valio ] 14-08-2006 10:44:10
Lohateny : Aiza no ahitako ny fahamarinana?
Hono ho'a ry reto, mba finoana inona na fivavahana inona marina no mba mitandro ny fahamarinana, fa arahiko?
Nisy teny henoko we " Fa @fo no inoana hahazahoana fahamarinana"
Saintsaino kely ange :wink:
22. Solitikabe ( 15/08/2006 22:58)
Antokom-pinoana inona na fiangonana inona no tena mba mahatandrina ny fahamarinana, sy manaja izany ho an'ny vahoakany?
23. LazaDaddy ( 15/08/2006 23:45)
Solitikabe:
Antokom-pinoana inona na fiangonana inona no tena mba mahatandrina ny fahamarinana
Raha fiangonana dia TSY MISY. Ny antony tsy mampisy azy dia izao: "rehefa nivory ny zanak'Andriamanitra dia mba nivory niaraka taminy teo koa i Satana". NA izany aza anefa inoako fa misy olona ao anatin'ny fiangonana mitandrina ny fahamarinana fa tsy ilay fiangonana iray manontolo.
24. LazaDaddy ( 16/08/2006 00:15)
http://serasera.org/forum/index.php?rub=dinika/message&msgid=m44cf049d53577
25. mbelotavao ( 16/08/2006 02:08)
Miarahaba daholo e
Solitikabe>>Tsara fipetraka ny fanontanianao satria iankinan'ny famonjena antsika rehetra io ka izao no hevitro.
-Tsy ny anaram-piangonana no mahavonjy fa hoe moa ve ilay fiangonana misy anao manao ny sitrapon'Atra.
-Ireto lohahevitra izay mampisaraka ny Antokom-pivavahana @ izao ireto no tokony jerena maika ary tsara ny mahafantatra ny hevitr'i ny fiangonana tsirairay satria IANKINAN'NY FAMONJENA IRETO dia ny (Andro tokony hiankohofana ; Ny Batisa ara-baiboly; Lalàna sa fahasoavana; sns....)Ampio aho raha tsy voasoratro ny sasany fa hoy J.K hoe:Mahadiso hevitra anareo ny tsy fahalalanareo ny soratra masina.
26. LazaDaddy ( 16/08/2006 02:15)
Solitikabe> Tena vonona hanaraka sy hitandro ny fahamarinana tokoa ve aloha i Solitikabe?:)

Raha eny: i Jesoa Kristy no Fahamarinana dia manaraha Azy, ary tandrovy ny fampianarana nomeny.
27. majesty ( 16/08/2006 05:56)
hoy mihoby:
"Ny finoana amiko de roa ihany ,finoana an' Andriamanitra na ny finoana ny devoly,fa tsy ny anaram-piangonana no finoana"
iray ihany ny finoana ka d ny finoana an'Atra; ny devoly mantsy tsy ilaina inoana fa rehefa tsy mino an'Atra enao de efa an'ny devoly zay kou:D
28. rakaroka ( 16/08/2006 06:53)
"relatif" araka ny tsi1/1.
Misy manao hoe Jesoa ihany no fahamarinana
Baiboly ihany!(izany hoe à côté daholo ny vie hafa rehetra...) anefa voasoratra ao koa ny hoe mahazoa fahendrena , mahazoa fahalalana... fantaro ny zavatra rehetra ary tsy narahana complément de réstriction ireo filaza ireo.
1-Nahafinaritra ahy ny "conscience" nanan'i Boudha zanak'oul mpanana fa dé tsy mandry ny sainy nihevitra ireo nahantra manodidina azy: Biblique fihetsika izy. Supposons hoe mba nananan'ny mpanana
kristiana gasy ny "conscience-ny"?...
2-Ny Asiatika "Zen" no tena ifitorany.Ohatra niresaka t@ onja be hono ity onja kely? fa maninona aho no kely? Dé hoy lé onja be hoe samy rano natao hanasoa , tsy misy dikany loatra ny adjectif be na kely fa iray ihany isika...
3-Rizareo atsy "Inde" koa dé manana ny sagesse zé anisan'ny tendance @ izao fotoana( par différente
Nation satria nisy missionera avy any tonga teto france ary programmé mihitsy ny diany au monde.
Misy conception maro nahatarafana lesona e! ohatra
Tsy marary na sitrana ny aretina noho ny fitsipi-piainana sakafo sns...
Amin-drizareo dé ny indramina ny vatana. Possible mi-réincarner ny oul arakaraka. Ohatra raha mpamono oul BBBe dé possible lasa biby ilay tsy manan-tsafidy ny hovonoina indray ahatsapany tena hivoaram-panahy ambaram-pahatonga @ tsara hiraisana @ Dieu! Fa raha tsara moa ny natao dé mampitombo ny chance @ fiainan-ko ho avy.
I Dalai Lama Efa 14 ème re-incarnation! Ny fikambanana sage dé mahalala hoe ni-réincarné atsy indray izy. Ny mahavariana dé mitety an'izao tontolo izao izy ( sur aho fa tsy ny gasy @ fiheverantena ho zavatra!) ary dia henoin-teny sy mahatalanjona ny famaliany fanontaniana: toa misy sagesse izany!
Mba eo am-ikatsahana ny marina tahaka ny rehetra aho
no iresahako!
29. Fiffi ( 16/08/2006 07:54)
majesty:
iray ihany ny finoana ka d ny finoana an'Atra; ny devoly mantsy tsy ilaina inoana fa rehefa tsy mino an'Atra enao de efa an'ny devoly zay kou:D
majesty: tena marina zany lazainao zany an!


30. diamondra27 ( 16/08/2006 08:09)
Mpandefa : Solitikabe [ Valio ] 14-08-2006 10:44:10
Lohateny : Aiza no ahitako ny fahamarinana?
Hono ho'a ry reto, mba finoana inona na fivavahana inona marina no mba mitandro ny fahamarinana, fa arahiko?


io ny lohateninao: donc miala tsiny aho raha mandray fitenenana

somary misy ahitsy kely:te-hanaraka zavatra iray ianao= le fahamarinana sa le finoana sa le fivavahana

Voalohany indrindra aloha de tokony hazava hoe: hafa ny atao hoe: finoana de hafa ny hoe: atokompinoana

ny fahamarinana indray raha tianao ho fantatra à ma connaissance de izao:

hoy ny Soratra Masina= Baiboly :

Jaona 14:6
izaho no lanana sy fahamarinana ary fiainana, tsy misy afaka mankany @ Ray afa-tsy @ alalako


Jesosy no niteny an'io , donc JESOSY izany le FAHAMARINANA

Koa manasa anao hanolotra ny tenanao ho Azy , de andramo ka izahao fa tsara Jehovah.

Lesona manaraka====> ahoana no atao @ fanolorana ny tena ho an'i Jesosy?

31. rakaroka ( 16/08/2006 09:04)
Mamaly ny tenin'i Fiffy etsy ambony aho: Marina "vérifiable" sy "testable" ny zavatra lazaiko etsy ambony.
Ny écart eo @ fomba fijery angamba dé 'za tsy be fanahiana loatra hoe raisina ho satana ny ao ambadiky ny vie iray tsy voasoratra ao anaty baiboly, anefa on est loin memen'izay voasoratra!
Rahateo na atao hoe fahavalo aza ny hafa rehetra, tena natao hotiavina sy hojerena ary hohenoina sy saintsainina koa alohan'ny hi-jugé-na izany, fa 'za aloha dé mbola lavitra ny jugement de "différente sagesse" sy izay mety fiheverana hoe du monde? ou de l'univers? ou de Dieu? même satria lé Atra inoako dé tsy ritra @ fanomezam-pahasoavana dans le Temps er dans l'Espace,@ endrika maro tsy voafetran'ny Baiboly Izy!
Ny lois universel à éviter dé fantatra raha mampiasa ny coscience sy ny donné général anaty sy ivelan'ny baiboly:(tiava, soava fitondra-tena, sns...)^dans notre intéret sur Terre qu'au délà cf de ces différentes opiques. Que ce soit Religion ou philo ou sagesse!
32. diamondra27 ( 16/08/2006 09:38)
rakaroka: eny za nge mitovy hevitra aminao saingy io ny connaissance-ko @ oe: fahamarinana, fa raha hoe bouddah na allah na hafa no arahina de manaraka ny fahamarinany koa ianao izany ; kanefa fahamarinan'iza no narahin'ireny sage ireny? ...

Io indray dia samy manana ny finoany ny olona tsirairay
raha ohatra ka hoe: marary andoha enao de mino fa mahafaka anaony mihinana fanafody de sitrana enao

ny finoanao no hahavoavonjy anao
tsy niteny izy hoe: ny antokompinoanao no hahavoavonjy anao....
33. rakaroka ( 16/08/2006 11:17)
Nisy fotoana andro aho voatery namaky boky maro ankoatran'ny voalazan'ny Hebreo mikasika ny finoana satria tsy hitako izay ametrahana ity resaka finoana ity, vu que maro ny oul toa mandeha araka ny finoana hono izany (tsy mitsara aho eto fa ny voa no miako),
rahateo olana na tao @ baiboly aza izy ity, rahateo Jesoa nilaza ny mpianany ho kely finoana, raha manam-pinoana ianareo, sns...
Donc mitandrina BBbbbe aho @ fampianaram-pinoana!...
Voalazan'i Jesoa koa ny hoe "Jereonareo ny soratra satria heverinareo fa ao no ahitam-piainana anefa raha tsy iainana???...
'Za mahatsapa fivaonana @ fampianarana ankehitriny sy izay voalazan'i Jesoa. Raha nanao fanoharana maro izy faranany @ hoe" mba manaova tahaka" izany koa.
dé supprimén'ny fampianarana taty aoriana lé izy!
zary hoe tsy ilaina aza ny manao asa soa fa ny finoana dé ampy hahavonjy!
Zary image vivant lé Samaritana tsara fanahy hoe misy oul maro mi-detenir baiboly dans toute ses connaissances et entre ses mains mais lé acte anie no tena nandrasana tamintsika e!
Mandalo ny vie terrestre mazava ho azy fa sehatry ny
tokony ataonao face @ zava-misy @ maha-zanak'Atra fa tsy hoe vitan'ny Jesoa ny asam-pamonjena dé on est là pour être spectateur! tahaka izay miraviravy tanana manoloana ny tokony ho vitany
34. rakaroka ( 16/08/2006 11:43)
Tsy namaly ny fanontanianan'i Diam loatra angamba aho etsy ambony.
Misy sagesse "Inde" sy ny esprit "Zen" n-drizareo asiatika, tsy fivavahana loatra fa karazana philosôfia tahaka ny gasy nanana ny filôzofiany azonao ampiasaina araka izay itiavana azy tam-panarahana an'Atra, sy mampirafy mihitsy, izany hoe misy fitondra-tena sy fitsipi-piainana na fomba fiaina tokony arahina dans l'intérêt de ianao manaraka , ny manodidina sy ny "Univers manontolo".
Dé eo am-panajana ireny rehetra ireny sy ambonin'izany "hajaina, Isaorana sy omena voninahitra ilay Atra nahary anao. Raha Jehovah no iantsoanao azy dé antsoy amin'izay izy. Raha Elohim no niantson'ny hafa azy dé izay izany no hamantarany azy. Tahaka ny hoe Diamondra no iantsoako anao fa anarana hafa no iantsoan'ny any ambadika any anao
35. prime ( 16/08/2006 14:06)
Ilay fanontaniana mihitsy aloha no hafahafa an... fa efa voavalin'i diams ity fanontaniana ity no sady voafehy mazava...:)
36. Zina ( 16/08/2006 15:34)
Hoy i Zina:
Ny tokony ataonao dia mitady antokom-pinoana izay hitanao fa milaza sy manaraka ny fahamarinana ao @ baiboly...Tetezo doly ny atonkom-pinoana rehetra ny hafarany ianao dia mahita ny tsara.

Raha io ve ry Zina no arahina tsy ho faty eo ampivadihana finoana ny farany fa tsy hoe mahita ny marina .


Pissoa a ahona no ahafantarana ny fahamarinanana raha tsy mitetitety fiangonana (atonkom-pinoana)?
io anie tsy milaza oe ny rehetra e ka rehefa manana base indry dia efa limité ny fiangonana ho jeren-ndry. dia avy eo comparé-ndry izay itan-ndry fa tena marina....sy surtout manaraka atsakany sy andavany ny Baiboly (fahamarinana)
37. diamondra27 ( 16/08/2006 17:42)
rakaroka: mazava amiko iny ka, de 'zay ilay ataoko hoe: samia mitandrina ny finoanay avy

Misy ny sasany refa marary de makany @ mpisikidy de manao ody any de sitrana satria zay no finoany , nefa mety fahaizana mampiasa le zavamaniry= remède de grand-mère fotsiny le izy sy mampiasa bla bla , fihetsiketsehana be . de hajaina izy

mazava iny ka !

prime: merci fa azonao tsara ny tiako ambara, tafita ny hafatra:-*:-*
Aleo ny Tompo no deraina @izany :oops::oops:
38. Solitikabe ( 17/08/2006 01:24)
Misy tokoa aloha ny loharanon'ny fahamarinana ary ny Zanahary tokony tompoina, fa aiza amin'ireto fangonana maro be ireto no ahazoana ny fahamarinana. Ianao mantsy tsy maintsy hoe mpino Katolika, na mpino protestanta, na hoe mpino silamo, fa tsy hoe mpino an'i Kristy fotsiny dia vita. Ka io no ilako fanontaniana. Dia misaotra mialoha eh
39. LazaDaddy ( 17/08/2006 01:58)
Solitikabe:
fa aiza amin'ireto fangonana maro be ireto no ahazoana ny fahamarinana.
Sao dia jamba aza i Solitikabe? Efa fantatra fa i Jesoa no Fahamarinana ka mbola any an-kafa indray no mitady! Sa tsy jamba ianao fa minia tsy mijery?:lol:

Solitikabe:
Ianao mantsy tsy maintsy hoe mpino Katolika, na mpino protestanta, na hoe mpino silamo, fa tsy hoe mpino an'i Kristy fotsiny dia vita.
Fa ahoana no tsy maintsy ho izay fa tsy hoe mpino an'i Kristy? Kay ianao minia manapi-maso kay no tena marina. Voavaly tampoka ny fanontaniako etsy aloha :lol:


40. rakaroka ( 17/08/2006 03:10)
Marina ny fijerin'i Solitika Bbe satria nianjera ao @ fivavahana tel ou tel izay mifototra @ Jesoa .
Fa any @ fivavahana hafa dé misy équivalent de Christ izay tsy Jesoa, ary mitovy ho an'ny mpanaraka ny fanambarana. Izany hoe samy mi-affirme hoe ity no tena Christ!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.6611