hena mora?

1. xxx ( 13/08/2006 09:51)
aiza reto no misy mivarotra hena mora eto frantsa?, indrindra moa eto paris na manodidina ny paris
2. Fiffi ( 13/08/2006 10:08)
misy mivarotra en gos na demi-gros ny hena an! raha mankany rungis no tena mety !
3. diamondra27 ( 13/08/2006 13:35)
ao akaikin'izany chatô rouge zany hono e! fa za mbola tsy tany an! honohono io fa mila confirmation
4. booboo ( 14/08/2006 06:07)
Zà nampitaha ny vidina hena t@ mpivarotra maromaro klou vô nisafidy ny fanaoko @ zao. Mandany fotoana klou e !

Ny économique kokoa rehefa nampitaha factures hatrizay zaho dia ny mividy tondé marobe eny @ grandes surfaces dia congelés-na...fa ampitahao ihany ny prix/kg na izany aza. Ny eny @ boucheries indray, lafolafo rehefa andavan'andro fa rehefa jour de marché dia midina kely ny vidiny ; dia @ zay no mividy trondro frais na fruit de mer hafa ( mora kokoa noho ny eny @ grandes surfaces ny aty aminay klou e ).
5. mandrindra ( 18/08/2006 11:21)
mandehana eny amin'ny faritra misy ny rue de belleville iny raha ao paris no mipetraka. amin'ilay toerana be sinoa iny fa eny no mora hena. misy mpivarokena isanakarazany eny : sinoa sy arabo no tena betsaka. fa ny vidiny aloha dia mirary tokoa e.

fiffi, ao rungis tsy intéressant satria mandoa vola ny miditra ao, 7 euros mahery kely izy izay raha tsy diso aho. ary toa ny professionnel ihany no tena mpandeha ao satria fivarotana ambogandiny.
6. miantra ( 20/08/2006 18:45)
Manao ahoana daholo o!

Zaho ry reto matahotra @fahadiovan'ny hena any @tavaratra sy sinoa fa ,hitako kosa aloha ny mividy en gros na eny @grande surface tsotra aza dia efa hita ny économie.

raha sendra mividy eny @ sinoa dia jereo tsara ihany ny fihavian'ny hena sao sanatria...
7. mandrindra ( 22/08/2006 15:11)
ny hena amidy eny amin'ny sinoa sy tavaratra anie avy ao rungis daholo e. izany orizina atokisana daholo. ny mahamora kokoa ny henandry zareo ireo dia ny eo amin'ny fikarakarana azy. tsy dia be karazany toy ny an'ny frantsay fa ambangovangony. dia ry zalahy ireo koa fetsy be rehefa mividy ao rungis. miandry tsena mifarana ry zalahy vao manontany dia mahazo mora satria ny grossiste tsy hitazona stock
8. Fiffi ( 22/08/2006 18:02)
mandrindra: marina ny anao an! hay tokoa moh en gros sy demi-gros ny any ! :):-*
9. miantra ( 28/08/2006 05:21)
Mandrindra> Merci pour l'info!!
Zaho tena tsy nahatoky mihintsy ka dia mba misy économie kely en plus izany e!
10. mandrindra ( 29/08/2006 10:00)
miantra, ny safidy atao sisa dia jerena tsara ny fahadiovan'ny mpivarotra
11. chipie1 ( 29/08/2006 19:12)
matetika koa carrefour manao promotion be ary tena mora ny vidiny !
12. mandrindra ( 07/09/2006 15:38)
ie, fa amin'ireny tsy maintsy manaraka prospectus dia mividy betsaka. izany hoe ny congelateur no tsy maintsy tantanana tsara.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.622